Joshua 11

Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa,
Na, i te rongonga o Ihapini kingi o Hatoro, ka tono tangata ia ki a Iopapa kingi o Marono, ki te kingi o Himirono, ki te kingi hoki o Akahapa,
ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana,
Ki nga kingi ano hoki i te raki, ki era i nga maunga, i te mania hoki ki te tonga o Kinerota, i te whenua raorao, a i nga hiwi o Roro ki te hauauru,
dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa.
Ki te Kanaani i te rawhiti me te hauauru, ki te Amori, ki te Hiti, ki te Perihi, ki te Iepuhi i te whenua pukepuke, ki te Hiwi hoki i raro o Heremona i te whenua o Mihipa.
Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
Na ka haere mai, me a ratou ope katoa, he tini te tangata, me te onepu i te taha o te moana te tokomaha, me nga hoiho, me nga hariata, tona tini.
Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma.
Na ka huihui enei kingi katoa; a ka haere mai ratou, ka noho huihui ki nga wai o Meromo, ki te whawhai ki a Iharaira.
Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
Na ko te meatanga a Ihowa ki a Hohua, Kei wehi i a ratou: kia penei hoki apopo ka hoatu katoa ratou e ahau, mate rawa, ki a Iharaira: me whakangonge a ratou hoiho, me tahu hoki a ratou hariata ki te ahi.
Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny rano Meroma, dia namely azy.
Na huakina tatatia ana ratou e Hohua ratou ko te hunga hapai pakanga katoa ki nga wai o Meromo; heoi kokiri ana ratou ki a ratou.
Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Na homai ana ratou e Ihowa ki te ringa o Iharaira, a patua iho ratou, a whaia ana e ratou a tae noa ki Hairona nui, ki Mihirepoto Maimi, ki te raorao hoki o Mihipe whaka te rawhiti; a patupatua ana ratou, kahore rawa he morehu i waiho kia toe.
Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo.
A rite tonu ta Hohua i mea ai ki a ratou ki ta Ihowa i korero ai ki a ia: i whakangongea e ia a ratou hoiho, i tahuna hoki a ratou hariata ki te ahi.
Ary tamin'izany dia niverina Josoa ka nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin'ny sabatra, satria Hazora no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
A i taua wa ka tahuri a Hohua, a horo ana i a ia a Hatoro, patua iho hoki e ia tona kingi ki te hoari: ko Hatoro hoki te upoko o aua kingitanga katoa i mua.
Ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.
Na patua iho e ratou nga mea ora katoa o reira ki te mata o te hoari a poto noa: kahore i mahue tetahi mea whai manawa: i tahuna hoki e ia a Hatoro ki te ahi.
Ary ny tanàna rehetra izay an'ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i Josoa ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah.
Na i riro katoa i a Hohua nga pa katoa o era kingi, me nga kingi katoa o reira, a patua iho e ia ki te mata o te hoari a poto noa; i pera ano ia me ta Mohi, me ta te pononga a Ihowa i whakahau ai.
Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran'ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran'i Josoa.
Ko nga pa ia i tu i runga i nga pukepuke, kihai ena i tahuna e Iharaira, heoi ano ko Hatoro anake; i tahuna tena e Hohua.
Ary ny fananana rehetra tao amin'ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
Otiia ko nga taonga parakete katoa o aua pa, me nga kararehe, i tangohia e nga tama a Iharaira ma ratou; ko nga tangata katoa ia i patua ki te mata o te hoari a poto noa ratou, kihai i mahue tetahi mea whai manawa.
Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy mpanompony no nandidian'i Mosesy an'i Josoa; ka dia izany no nataon'i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Ko ta Ihowa i whakahau ai ki tana pononga ki a Mohi, ko ta Mohi ano tera i whakahau ai ki a Hohua; a koia ta Hohua i mea ai; kihai i kapea e ia tetahi o nga mea katoa i whakahaua e Ihowa ki a Mohi.
Dia lasan'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan'ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa,
Na riro ana i a Hohua taua whenua katoa, te whenua pukepuke, me nga wahi katoa o te tonga, me te whenua katoa o Kohena, me te raorao, me te mania, me te whenua pukepuke o Iharaira, me tona raorao;
hatramin'ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada eo amin'ny lohasahan'i Libanona am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
Atu i Maunga Haraka, e anga nei whakarunga ki Heira, a tae noa ki Paarakara i te raorao o Repanona, i raro iho o Maunga Heremona: a, ko o ratou kingi katoa, i mau i a ia, a patua iho, whakamatea iho.
Ela no niadian'i Josoa tamin'ireny mpanjaka rehetra ireny.
He maha nga ra i whawhai ai a Hohua ki aua kingi katoa.
Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin'ny Zanak'Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin'ny ady avokoa izy rehetra.
Na kahore he pa i hohou rongo ki nga tama a Iharaira, heoi anake ko nga Hiwi i noho i Kipeono: i riro katoa i a ratou i runga i te whawhai.
Fa avy tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Na Ihowa hoki i whakapakeke o ratou ngakau, kia turia ai e ratou a Iharaira ki te riri, kia tino whakangaromia ai ratou e ia, kia kore ai hoki ratou e tohungia, engari kia whakangaromia ratou e ia, kia peratia me ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan'i Josoa avokoa izy sy ny tanànany.
I taua wa ano ka haere atu a Hohua, a huna iho e ia nga Anakimi o nga maunga, o Heperona, o Repiri, o Anapa, o nga maunga katoa o Hura, o nga maunga katoa ano hoki o Iharaira: i tino whakangaromia rawatia ratou e Hohua me o ratou pa.
Tsy nisy sisa tany amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.
Kihai tetahi o nga Anakimi i mahue i te whenua o nga tama a Iharaira: toe ake ko etahi anake i Kaha, i Kata, i Aharoro.
Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
Na ka riro i a Hohua te whenua katoa, ka pera me nga mea katoa i korerotia e Ihowa ki a Mohi; a hoatu ana e Hohua hei kainga tupu mo Iharaira, he mea whakarite ki o ratou wehenga, ki o ratou iwi. Na ka takoto marie te whenua i te whawhai.