John 7

Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
I muri i enei mea ka haereere a Ihu i Kariri: kahore hoki ia i pai ki te haereere i Huria, e rapu ana hoki nga Hurai kia whakamatea ia.
Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely,
Na kua tata te hakari a nga Hurai, te hakari whare wharau.
ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
Na ka mea ona teina ki a ia, Haere atu i konei, anga atu ki Huria, kia kite ai hoki au akonga i au mahi e mahi nei koe.
fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao.
E kore hoki tetahi tangata e mea huna i tetahi mea, ki te whai ia kia ara tona ingoa. Ki te mea koe i enei mea, kia kite te ao i a koe.
Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
Ko ona teina tonu hoki kihai i whakapono ki a ia.
Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
Na ka mea a Ihu ki a ratou, Kahore ano kia taea noatia toku taima: ko to koutou taima ia kei nga wa katoa.
Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.
E kore e ahei kia kino te ao ki a koutou; engari ka kino ki ahau, no te mea e whakaaturia ana e ahau te kino o ana mahi.
Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
Haere koutou ki tenei hakari: e kore ahau e haere wawe ki tenei hakari; kahore hoki toku taima kia ata rite noa.
Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
A ka mutu tenei korero ana ki a ratou, ka noho tonu ia ki Kariri.
Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.
A, no ka riro ona teina ki te hakari, ka haere ano hoki ia, ehara i te mea whakakite nui, engari i tu a huna.
Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
Heoi i rapu nga Hurai i a ia i te hakari, i mea, Kei hea ia?
Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
He nui hoki te korero komuhumuhu mona i roto i te mano: ko etahi i mea, He tangata pai ia: ko etahi i mea, Kahore, engari e whakapohehe ana ia i te iwi.
Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
Heoi kihai i rahi te korero a tetahi tangata mona, he wehi ki nga Hurai.
Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
Na, i waenganui o te hakari, ka haere a Ihu ki roto ki te temepara whakaako ai.
Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan'ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
A ka miharo nga Hurai, ka mea, na te aha i hua ai te mohio o tenei tangata, ehara nei hoki ia i te mea whakaako?
Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.
Ka whakahoki a Ihu ki a ratou, ka mea, Ehara i te mea naku ake taku e whakaako nei, engari na toku kaitono mai.
Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
Ki te pai tetahi tangata ki te mea i tana e pai ai, e matau ia ki te whakaakoranga, na te Atua ranei, he korero naku ake ranei.
Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.
Ko te tangata nana ake tana korero, e whai ana ia i tona ake kororia: tena ki te whai tetahi i te kororia o tona kaitono, e pono ana ia, a kahore ona he.
Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
He teka ianei na Mohi te ture i hoatu ki a koutou, a kahore e whakaritea te ture e tetahi o koutou? He aha koutou ka whai nei kia whakamatea ahau?
Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
Na ka whakahoki te mano ka mea, He rewera tou: ko wai te whai ana kia whakamatea koe?
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra.
Ka whakahoki a Ihu, ka mea ki a ratou, Kotahi aku mahi i mahi ai, a e miharotia ana e koutou katoa.
Izao no nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.
I homai e Mohi te kotinga ki a koutou; ehara ano ia i te mea na Mohi ake, engari na nga tupuna; e kokoti ana hoki koutou i te tangata i te hapati.
Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata.
Ki te kotia te tangata i te hapati, kei takahia te ture a Mohi; e riri ana oti koutou ki ahau, moku i whakaora rawa i te tangata i te hapati?
Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.
Kaua e waiho te whakawa i runga i ta te kanohi, engari kia tika ta koutou whakawa.
Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
Me i reira ka mea etahi o nga tangata o Hiruharama, Ehara oti tenei i a ia e whaia nei e ratou kia whakamatea?
Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?
Na, maia tonu tana korero, a kahore a ratou kupu ki a ia. E tino matau ana ranei nga rangatira, ko te Karaiti pu tenei?
Nefa fantatsika izay nihavian'ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
Otiia e matau ana tatou ki te wahi i puta mai ai tenei: tena ka tae mai a te Karaiti, kahore he tangata e matau ki te wahi e puta mai ai ia.
Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
Na ka karanga a Ihu i te temepara i a ia e whakaako ana, ka mea, E matau ana koutou ki ahau, e matau ana ano ki te wahi i haere mai ai ahau: ehara i ahau ake taku haere mai; engari e pono ana te kaitono mai i ahau; kahore nei koutou i matau ki a ia.
Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.
E matau ana ahau ki a ia; i puta mai hoki ahau i a ia, nana ano ahau i tono mai.
Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
A i whai ratou kia hopukia ia: otiia kihai i pa te ringa o tetahi ki a ia, kahore hoki tona haora i taka noa.
Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy?
A he tokomaha o te mano i whakapono ki a ia, i mea, ka tae mai a te Karaiti, tera ranei e maha atu ana merekara e mea ai i a tenei e mea nei?
Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
I rongo nga Parihi i te mano e korerorero ana i enei mea mona; na ka tonoa mai e nga Parihi ratou ko nga tohunga nui he katipa ki te hopu i a ia.
Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy Aho.
Na ka mea a Ihu ki a ratou, He iti noa ake te wahi e noho ai ahau ki a koutou, katahi ahau ka haere ki toku kaitono mai.
Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
Tera koutou e rapu i ahau, heoi e kore koutou e kite: e kore hoki koutou e ahei te haere ake ki te wahi e noho ai ahau.
Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
Na ka mea nga Hurai ki a ratou ano, E haere oti te tangata nei ki hea, e kore ai e kitea e tatou? e haere oti ia ki nga manene i roto i nga Kariki, ako ai i nga Kariki?
Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?
He ki aha tenei e ki nei ia, Tera koutou e rapu i ahau, a e kore e kite: e kore hoki koutou e ahei te haere ake ki te wahi e noho ai ahau?
Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
I te ra whakamutunga, i te ra nui o te hakari, ka tu a Ihu, ka karanga, ka mea, Ki te matewai tetahi, haere mai ia ki ahau, kia inu.
Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
Ki te whakapono tetahi ki ahau, ka rite ki ta te karaipiture, ka rere mai nga wai ora i roto i tona kopu.
Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny.
I korerotia tenei e ia mo te Wairua, meake nei riro i te hunga e whakapono ana ki a ia; kahore ano hoki te Wairua Tapu kia homai noa; no te mea kiano a Ihu i whakakororiatia noatia.
Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.
Ko etahi o te mano i to ratou rongonga i tenei kupu, i mea, he pono ko te Poropiti tenei.
Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy?
Ka mea etahi, Ko te Karaiti tenei. Ko etahi i mea, E puta mai ranei a te Karaiti i Kariri?
Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)?
Kahore koia te karaipiture i mea, E puta mai a te Karaiti i te uri o Rawiri, i Peterehema, i te kainga i noho ai a Rawiri?
Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka.
Na ka waiho ia hei take wehewehenga ma te mano.
Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
Ko etahi o ratou i mea kia hopukia ia: otira kihai i pa nga ringa o tetahi ki a ia.
Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
Na ko te taenga atu o nga katipa ki nga tohunga nui ratou ko nga Parihi; ka mea atu enei ki a ratou, he aha ia te kawea mai ai e koutou.
Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
Ka whakahokia e nga katipa, Kahore rawa he tangata i rite ana korero ki a tenei.
Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?
Na ka whakahokia ta ratou e nga Parihi, Kua tinihangatia ano hoki koutou?
Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?
Kua whakapono koia tetahi o nga rangatira, o nga Parihi ranei ki a ia?
Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
Ko tenei hunga ia e kore nei e matau ki te ture, ka oti ratou te kanga.
Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:
Ka mea a Nikorima ki a ratou, tera i haere mai ra ki a ia i mua, ko ia hoki tetahi o ratou,
Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?
Ka whakahengia ranei te tangata e to tatou ture, i te mea kahore ano i whakarongo noa ki a ia, i matau hoki ki tana mahi?
Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
Na ka whakahoki ratou, ka mea ki a ia, Ko koe hoki tetahi no Kariri? Tena rapua, ka kite koe, kahore kia ara noa tetahi poropiti i Kariri.
[Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;]
Na hoki ana ratou ki tona whare, ki tona whare.