John 11

Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny.
Na kei te mate tetahi tangata, a Raharuhi o Petani, te kainga o Meri raua ko tona tuakana, ko Mata.
Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
Ko taua Meri tenei nana nei i whakawahi te Ariki ki te hinu, i muru hoki i ona waewae ki ona makawe; a he tungane nona a Raharuhi i mate nei.
Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.
Na ka tono tangata nga tuahine ki a ia, ka mea, E te Ariki, tenei kei te mate tau tangata e aroha nei.
Ary rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak'Andriamanitra.
I te rongonga ia o Ihu, ka mea ia, Ehara tenei i te mate e mate rawa ai ia, engari hei mea mo te kororia o te Atua; ma tenei hoki ka whai kororia ai te Tama a te Atua.
Ary Jesosy tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
Na i aroha a Ihu ki a Mata raua ko tona teina, ki a Raharuhi hoki.
Koa nony ren'i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin'izay nitoerany ihany Izy.
A, no ka rongo ia ki tona matenga, e rua ona ra i noho ai ki taua wahi ra ano.
Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin'ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
Muri iho i tenei ka mea ia ki ana akonga, Tatou ka haere ano ki Huria.
Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan'ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?
Ka mea nga akonga ki a ia, E te Kaiwhakaako, i whai nga Hurai i mua tata ake nei kia akina koe ki te kohatu; a e haere atu ana koe ki reira?
Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.
Ka whakahokia e Ihu, He teka ianei tekau ma rua nga haora o te ra? Ki te haere tetahi i te awatea, e kore ia e tutuki, no te mea e kite ana ia i te marama o tenei ao.
Fa raha misy kosa mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.
Tena ka haere tetahi i te po, ka tutuki ia, no te mea kahore he marama i roto i a ia.
Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
Ka korerotia enei mea e ia: na, muri iho ka mea ia ki a ratou, Kei te moe to tatou hoa a Raharuhi; otiia ka haere ahau ki te whakaara i a ia i te moe.
Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany.
Na ko te meatanga a ana akonga, E te Ariki, ki te mea kei te moe ia, tera ia e ora.
Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy.
Kahore, ko tona matenga ta Ihu i korero ai: ko ratou ia i mahara, i korero ia mo te takotoranga ina moe.
Ary tamin'izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
Katahi ka mea nui a Ihu ki a ratou, Kua mate a Raharuhi.
ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
A e hari ana ahau, he whakaaro hoki ki a koutou, noku kahore i reira, kia whakapono ai koutou; ahakoa ra kia haere tatou ki a ia.
Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin'ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.
Na ka mea a Tamati, e huaina nei ko Ririmu, ki ona hoa akonga, Kia haere ano tatou, kia mate tahi me ia.
Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
Heoi, i te taenga atu o Ihu, rokohanga atu kua wha ke ona ra i roto i te urupa.
Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho dimy ambin'ny folo stadio no elanelany.
Na e tata ana Petani ki Hiruharama, kotahi pea tekau ma rima paronga:
Ary maro tamin'ny Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin'ny anadahiny.
He tokomaha ano nga Hurai i tae ki a Mata raua ko Meri, ki te whakamarie i a raua mo to raua tungane.
Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.
A, no te rongonga o Mata, tena a Ihu te haere mai na, ka whakatau i a ia: ko Meri ia i noho i roto i te whare.
Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
Na ka mea a Mata ki a Ihu, E te Ariki, me i konei koe, kihai i mate toku tungane.
Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao.
Heoi e matau nei ano ahau, ko tau e inoi ai ki te Atua, e homai e te Atua ki a koe.
Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
Ka mea a Ihu ki a ia, E ara ano tou tu ngane.
Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany;
Ka mea a Mata ki a ia, E matau ana ahau e ara ano ia i te aranga a te ra whakamutunga.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
Ka mea a Ihu ki a ia, Ko ahau te aranga, te ora; ko ia e whakapono ana ki ahau, ahakoa kua mate, e ora ano:
Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
E kore ano e mate ake ake nga tangata katoa e ora ana, e whakapono ana ki ahau. E whakapono ana ranei koe ki tenei?
Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.
Ka mea ia ki a ia, Ae, e te Ariki: e whakapono ana ahau, ko te Karaiti koe, ko te Tama a te Atua, e haere mai ana ki te ao.
Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an'i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
A ka mutu enei korero ana, ka haere ka karanga puku ki tona teina, ki a Meri, ka mea, Kua tae mai te Kaiwhakaako, e karanga ana hoki ki a koe.
Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
A, no ka rongo ia, hohoro tonu te whakatika, a haere ana ki a ia.
Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin'ilay nitsenan'i Marta Azy ihany.
Na kahore a Ihu i tomo noa ki te kainga; heoi kei taua wahi ano ia i tutaki ai a Mata ki a ia.
Ary ny Jiosy izay tao amin'i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin'ny fasana hitomany any izy.
I te kitenga o nga Hurai e noho ana ki a ia i roto i te whare, e whakamarie ana i a ia, ka hohoro a Meri te whakatika, te puta ki waho, ka aru ratou i a ia, ka mea, E haere ana ia ki te urupa, ki reira tangi ai.
Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
A, no ka tae a Meri ki te wahi kei reira nei a Ihu, ka kite i a ia, ka takoto ki ona waewae, ka mea ki a ia, E te Ariki, me i konei koe, kihai i mate toku tungane.
Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;
A, no ka kite a Ihu i a ia e tangi ana, i nga Hurai hoki i haere tahi me ia e tangi ana, ka ngunguru ia, ara tona wairua, ka koingo.
ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
Ka mea, I whakatakotoria ia e koutou ki hea? Ka mea ratou ki a ia, E te Ariki, haere mai kia kite.
Jesosy nitomany.
Tangi ana a Ihu.
Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy!
Na ka mea nga Hurai, Nana, tona aroha ki a ia!
Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
Na ka mea etahi o ratou, Kahore ranei i taea e tenei tangata, nana nei i whakatitiro nga kanohi o te matapo, te mea i tenei tangata hoki kia kaua e mate?
Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
Na ka ngunguru ano a Ihu i roto i a ia, ka haere ki te urupa. He ana ia, kua oti te pa ki te kohatu.
Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
Ka mea a Ihu, Tangohia atu e koutou te kohatu. Ka mea ki a ia a Mata tuahine o te tupapaku, E te Ariki, kua piro noa ake ia: ko tona po wha hoki tenei.
Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?
Ano ra ko Ihu ki a ia, Kihai koia ahau i mea ki a koe, Ki te whakapono koe, e kite koe i te kororia o te Atua?
Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
Na ka tangohia e ratou te kohatu i te wahi i takoto ai te tupapaku. Na ka ara ake nga kanohi o Ihu, ka mea ia, E Pa, ko taku whakawhetai tenei ki a koe, mou i whakarongo ki ahau.
Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.
I mahara ano ahau e rongo tonu ana koe ki ahau: heoi he whakaaro ki te hunga e tu mai nei i korero ai ahau, kia whakapono ai ratou, nau ahau i tono mai.
Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
A, no ka penei tana ki, he nui tona reo ki te karanga, E Raharuhi, puta mai.
Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
Na ko te putanga mai o te tupapaku, he mea here nga ringa me nga waewae ki nga takai: he mea takai tona mata ki te tauera. Ka mea a Ihu ki a ratou, Wetekia, tukua kia haere.
Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy.
Na he tokomaha nga Hurai i haere nei ki a Meri, a, i to ratou kitenga i nga mea i mea ai a Ihu, ka whakapono ki a ia.
Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
Ko etahi o ratou i haere ki nga Parihi, i korero ki a ratou i nga mea i mahia e Ihu.
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
Na ka whakaminea he runanga e nga tohunga nui ratou ko nga Parihi, ka mea, Kei te aha tatou nei? he maha hoki nga merekara e meatia nei e tenei tangata.
Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
Ki te penei ta tatou tuku i a ia, ka whakapono katoa ki a ia: a ka haere mai nga Roma, ka tango i to tatou kainga, i to tatou iwi.
Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
Na ko tetahi o ratou ko Kaiapa, ko te tohunga nui o taua tau, ka mea ki a ratou, Kahore koutou e matau ki tetahi mea.
na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.
Te whakaaro, he pai mo tatou ki te mate te tangata kotahi mo te iwi, a kahore e ngaro te iwi katoa.
Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
Na ehara tenei korero i te mea nana ake: engari ko te tohunga nui ia mo tera tau, heoi ka poropiti kia mate a Ihu mo taua iwi.
ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
Haunga ano taua iwi anake, engari kia whakaminea kia kotahi nga tamariki a te Atua kua marara noa atu.
Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
No taua ra ake ano ka runanga ratou kia whakamatea ia.
Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin'ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin'ny mpianatra.
Koia i mutu ai te haere matanui o Ihu i roto i nga Hurai. Heoi haere atu ana ia i reira ki te wahi e tata ana ki te koraha, ki tetahi pa, ko Eparaima te ingoa, a noho ana i reira ratou ko ana akonga.
Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan'ny Paska mba hanadio ny tenany.
Na kua tata te kapenga a nga Hurai: he tokomaha hoki i haere atu i taua whenua i mua o te kapenga ki Hiruharama ki te pure i a ratou.
Dia nitady an'i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin'ny andro firavoravoana va Izy?
Na ka rapu ratou i a Ihu, ka korerorero ki a ratou ano, i a ratou e tu ana i te temepara, E pehea ana o koutou whakaaro? e kore ranei ia e haere mai ki te hakari?
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.
Na kua takoto te tikanga a nga tohunga nui ratou ko nga Parihi, ki te matau tetahi tangata ki te wahi e noho ai ia, me whakaatu, kia hopukia ai ia e ratou.