Joel 1

Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Joela, zanak'i Petoela.
Ko te kupu a Ihowa i puta mai ki a Hoera tama a Petuere.
Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin'ny tany! Moa mba efa nisy tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razanareo, va izao?
Whakarongo ki tenei, e nga kaumatua, kia whai taringa, e nga tangata katoa o te whenua. I o koutou ra ranei tenei, i nga ra ranei o o koutou matua?
Lazao amin'ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin'ny zanany kosa, ary ny zanak'ireo kosa indray amin'ny taranaka mandimby azy.
Korerotia taua mea ki a koutou tamariki, ma a koutou tamariki ano hoki e korero ki a ratou tamariki, a ma a ratou tamariki e korero ki tetahi atu whakatupuranga.
Izay sisan'ny kijeja dia nohanin'ny koraika; Ary izay sisan'ny koraika dia nohanin'ny valalavao: Ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga.
Ko te toenga a te whangawhanga pau ake i te mawhitiwhiti; ko te toenga a te mawhitiwhiti pau ake i te tatarakihi: a ko te toenga a te tatarakihi pau ake i te moka.
Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.
E ara, e te hunga haurangi, e tangi; aue, e nga kaiinu waina katoa, ki te waina hou; kua whakakorea nei hoki ma o koutou mangai.
Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan'ny liom-bavy.
Kei te haere mai tetahi iwi ki toku whenua, he kaha, e kore e taea te tatau: ko ona niho he niho raiona, he niho purakau ona no te raiona katua.
Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
Kore ake i a ia taku waina, ko taku piki tihorea ake e ia: poto rawa te peha i a ia, akiri rawa; ko ona manga meinga ana kia ma.
Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin'ny vadin'ny fahatanorany.
E tangi, kia rite ki te tamahine kua oti te whitiki ki te kakahu taratara, e tangi ana ki te makau o tona tamahinetanga.
Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.
Kua whakakahoretia te whakahere totokore me te ringihanga i roto i te whare o Ihowa; kei te tangi nga tohunga, nga minita a Ihowa.
Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo.
Kua he te mara, kei te tangi te oneone; no te mea kua mate te witi, kua maroke te waina hou, kua kahakore te hinu.
Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
Kia whakama, e nga kaingaki whenua; aue, e nga kaimahi waina, mo te witi, mo te parei; kua kore nei hoki nga hua o te mara.
Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongaben-danitra sy ny rofia ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian'ny zanak'olombelona.
Kua maroke te waina, kua putokitoki te piki; ko te pamekaranete, ko te nikau, ko te aporo, ko nga rakau katoa o te whenua, kua maroke: kua maroke nei hoki te koa i roto i nga tamariki a te tangata.
Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.
Tatua i a koutou ki te kakahu taratara, e tangi, e koutou e nga tohunga; aue, e nga minita o te aata: haere mai, hei te mea taratara he kakahu mo koutou i te po, e nga minita o toku Atua: kua kore nei hoki te whakahere totokore me te ringihanga i roto i te whare o to koutou Atua.
Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah.
Whakatapua he nohopuku, karangatia he hui nui, whakaminea nga whenua, ki te whare o Ihowa, o to koutou Atua, ka karanga ki a Ihowa.
Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
Aue, te mate o taua ra nei! kua tata hoki te ra o Ihowa, ka rite hoki tona putanga mai ki te whakangaromanga a te Kaha Rawa.
Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon'Andriamanitsika?
He teka ianei kua hatepea atu te kai i mua atu i o tatou kanohi, ae ra, te koa, me te whakamanamana i roto i te whare o to tatou Atua?
Matimaso ao ambanin'ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
Kua pirau te purapura i raro i nga pokurukuru; kua takoto kau nga whare kai, kua pakarukaru nga whare witi; no te mea kua ngingio te witi.
Indrisy, ny fitoreon'ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian'ny ondry aman'osy aza dia mijaly noho ny heloka.
Ano te aue o nga kararehe! raruraru ana nga kahui kau i te kore wahi kai ma ratou; ae ra, ko nga kahui hipi he noa iho.
Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
E Ihowa, ka karanga ahau ki a koe: kua pau hoki i te ahi nga wahi kai o te koraha, kua wera i te mura nga rakau katoa o te parae.
Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra.
Ae ra, kei te tangi hoki nga kararehe o te parae ki a koe: no te mea kua maroke nga awa wai, kua pau hoki i te ahi nga wahi kai o te koraha.