Jeremiah 52

Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia avy any Libna.
E rua tekau ma tahi nga tau o Terekia i a ia i kingi ai; a kotahi tekau ma tahi nga tau i kingi ai ia ki Hiruharama: a ko te ingoa o tona whaea ko Hamutara, he tamahine na Heremaia o Ripina.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, araka izay rehetra nataon'i Joiakima.
A i kino tana mahi ki te titiro a Ihowa, i rite ki nga mea katoa i mea ai a Iehoiakimi.
Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.
Na reira i a Ihowa ka riri nei, ka puta mai te aitua ki Hiruharama, ki a Hura, a maka noatia atu ratou i tona aroaro; a i whakakeke a Terekia ki te kingi o Papurona.
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an'i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.
Na i te iwa o nga tau o tona kingitanga, i te tekau o nga marama, i te tekau o nga ra o te marama, ka tae mai a Nepukareha kingi o Papurona, a ia me tana ope katoa ki Hiruharama, a whakapaea ana e ia; a hanga ana e ratou etahi taumaihi a taka noa, hei whawhai atu ki reira.
Ary ny tanàna dia nataony fahirano hatramin'ny fahiraika ambin'ny folo taona nanjakan'i Zedekia mpanjaka.
Heoi ka whakapaea te pa a tae noa ki te tekau ma tahi o nga tau o Kingi Terekia.
Ary tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
I te wha o nga marama, i te iwa o nga ra o te marama, ka tino nui te matekai o te pa, na kahore he taro ma nga tangata o te whenua.
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay.
Katahi ka pakaru te pa, rere ana nga tangata whawhai katoa, puta ana i roto i te pa i te po, na te ara o te kuwaha i waenganui o nga taiepa e rua, na tera i te kari a te kingi, i karapotia hoki te pa e nga Karari; a haere ana ratou na te ara o te Arapa.
Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
Otiia i whaia te kingi e te ope o nga Karari, a hopukia ana a Terekia ki nga mania i Heriko; a i marara noa atu tana ope katoa i tona taha.
Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata, ka dia notsaraina tao izy.
Na ka mau ratou ki te kingi, a kawea ana ki te kingi o Papurona, ki Ripira i te whenua o Hamata; a whakaputaia ana e ia te whakawa mona.
Ary ny mpanjakan'i Babylona namono ny zanakalahin'i Zedekia teo imason-drainy; ary ny mpanapaka ny Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
Na tukitukia ana e te kingi o Papurona nga tama a Terekia i tana tirohanga: i tukitukia ano e ia nga rangatira katoa o Hura ki Ripira.
Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
Na tikarohia ana e ia nga kanohi o Terekia; a herea ana ia e te kingi o Papurona ki te mekameka, kawea ana ki Papurona, maka ana ki te whare herehere, a taea noatia te ra i mate ai ia.
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,
Na i te rima o nga marama, i te tekau o nga ra o te marama, ko te tekau ma iwa hoki ia o nga tau o Kingi Nepukareha kingi o Papurona, ka haere mai a Neputaraarana rangatira o nga kaitiaki, he tangata tu i te aroaro o te kingi o Papurona, ki Hiru harama.
ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
Na tahuna ake e ia te whare o Ihowa, me te whare o te kingi; a tahuna ana e ia ki te ahi nga whare katoa o Hiruharama, nga whare katoa hoki o te hunga nunui.
Ary ny manda rehetra manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
Na ka wawahia e te ope katoa o nga Karari, e ta te rangatira o nga kaitiaki, nga taiepa katoa o Hiruharama a whawhe noa.
Ary ny sasany tamin'ny olona malahelo mbamin'ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona mbamin'ny vahoaka maro be sisa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
Katahi ka whakahekea atu e Neputaraarana rangatira o nga kaitiaki etahi o nga tino rawakore o te iwi, me era atu ano o te iwi i mahue ki te pa, me te iwi i papahoro atu, i taka atu ki te kingi o Papurona, me nga morehu ano o taua huihui.
Nefa ny olona malahelo dia namelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
Engari i waiho e Neputaraarana rangatira o nga kaitiaki etahi o nga tino rawakore o te whenua hei kaimahi waina, hei paruaruru.
Ary ireo andry varahina teo amin'ny tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia novakivakin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.
Na, ko nga pou parahi i te whare o Ihowa, ko nga turanga me te moana parahi i te whare o Ihowa, wawahia ana e nga Karari, a maua atu ana e ratou te parahi katoa o aua mea ki Papurona.
Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely mbamin'ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
I maua atu ano e ratou nga pata, nga koko pungarehu, nga kutikuti rama, nga peihana, nga koko, me nga oko parahi katoa mo a ratou mahi tapu.
Ary nentin'ny lehiben'ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin'ny lehiben'ny mpanapaka avokoa,
Ko nga kapu, ko nga paepae ngarahu, ko nga peihana, ko nga pata, ko nga turanga rama, ko nga koko, ko nga oko; ko nga mea i hanga ki te koura, he koura, ko nga mea i hanga ki te hiriwa, he hiriwa, i maua katoatia atu e te rangatira o nga kaitiak i.
ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray atỳ ny omby varahina roa ambin'ny folo, Izay teo ambanin'ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona mpanjaka ho an'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
Na ko nga pou e rua, ko te moana kotahi, ko nga puru parahi kotahi tekau ma rua i raro i nga turanga, i hanga nei e Kingi Horomona mo te whare o Ihowa: kahore he paunatanga o te parahi o enei oko katoa.
Fa ny andry, dia valo ambin'ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
Na ko nga pou, kotahi tekau ma waru whatianga te tiketike o te pou kotahi; tekau ma rua hoki nga whatianga o te aho hei pae mona; na, ko te matotoru, e wha nga ringa: he tuwhera a roto.
Ary nisy kapitaly varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon'ny kapitaly anankiray, ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
A ko te whakapaipai o runga he parahi; ko te tiketike o te whakapaipai kotahi, e rima nga whatianga, he parahi katoa te mea i whiria me nga pamekaranete i tetahi taha o te whakapaipai, i tetahi taha. Rite tonu hoki ki enei o te rua o nga pou, me nga pamekaranete ano.
Ary nisy ampongabendanitra enina amby sivi-folo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato.
Na e iwa tekau ma ono nga pamekaranete o nga taha; a ko nga pamekaranete katoa i te mea i whiria, kotahi te rau, a whawhe noa.
Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka ary mpiandry varavarana telo lahy;
Na tangohia ana e te rangatira o nga kaitiaki a Heraia, te tino tohunga, me te tohunga tuarua, me Tepania, me nga kaitiaki tokotoru o te kuwaha:
ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin'izay mpitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,
I tangohia hoki e ia i roto i te pa tetahi rangatira o nga tangata whawhai, tokowhitu hoki no te aroaro pu ake o te kingi, he hunga i rokohanga ki roto ki te pa; me te kaituhituhi a te rangatira ope, ko ia nei te kaihuihui i nga tangata o te whe nua; e ono tekau hoki nga tangata o te iwi o te whenua, he hunga i rokohanga e ia ki roto ki te pa.
dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.
Na ka mau a Neputaraarana rangatira o nga kaitiaki ki a ratou, kawea ana ki te kingi o Papurona ki Ripira.
Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
Na patua iho ratou e te kingi o Papurona, whakamatea iho ki Ripira, ki te whenua o Hamata. Heoi whakahekea atu ana a Hura i tona oneone.
Izao no olona izay nentin'i Nebokadnezara ho babo tamin'ny taona fahafito, Jiosy telo amby roa-polo sy telo arivo;
Ko te hunga tenei i whakaraua atu e Nepukareha: i te whitu o nga tau e toru mano e rua tekau ma toru nga Hurai:
tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara dia roa amby telo-polo amby valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;
I te tekau ma waru o nga tau o Nepukareha, e waru rau e toru tekau ma rua nga tangata i whakaraua atu e ia i Hiruharama:
tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo amby fiton-jato no nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin'izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
I te rua tekau ma toru o nga tau o Nepukareha, e whitu rau e wha tekau ma rima nga tangata o nga Hurai i whakaraua atu e Neputaraarana, e te rangatira o nga kaitiaki: ko aua tangata katoa e wha mano e ono rau.
Ary tamin'ny andro fahadimy amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.
Na i te toru tekau ma whitu o nga tau o te whakahekenga atu o Iehoiakini kingi o Hura, i te tekau ma rau o nga marama, i te rua tekau ma rima o nga ra o te marama, ka whakaarahia e Ewiri Meroraka kingi o Papurona, i te tau tuatahi i kingi ai ia, te mahunga o Iehoiakini kingi o Hura, whakaputaina ana ia e ia i roto i te whare herehere;
Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.
A korero pai ana ia ki a ia, nekehia ake ana e ia tona torona ki runga ake i te torona o nga kingi i tona taha i Papurona.
Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.
Kakahuria ana e ia he kakahu ke i ona kakahu o te herehere, a kai taro ana ia i tona aroaro i nga ra katoa i ora ai ia.
Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.
Na, ko tana kai he kai i homai tonu e te kingi o Papurona mana, he mea mo tenei ra, mo tenei ra, a taea noatia te ra o tona matenga, i nga ra katoa i ora ai ia.