Jeremiah 39

Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema ka nanao fahirano azy;
I te iwa o nga tau o Terekia kingi o Hura, i te tekau o nga marama, ka haere mai a Nepukareha kingi o Papurona ratou ko tana ope katoa ki Hiruharama, a whakapaea ana a reira e ratou;
ary nony tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),
I te tekau ma tahi o nga tau o Terekia, i te wha o nga marama, i te iwa o nga ra o te marama, ka pakaru te pa:
dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona.
Na ka haere mai nga rangatira katoa a te kingi o Papurona, a noho ana i te kuwaha o waenganui, a Nerekara Haretere, a Hamakara Nepo, a Harehekimi, a Rapahari, a Nerekara Haretere, a Rapamaka, ratou ko era atu rangatira a te kingi o Papurona.
Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin'ny sahan'ny mpanjaka, tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay izy.
Na, i te kitenga o Terekia kingi o Hura ratou ko nga tangata whawhai katoa, rere ana ratou, puta atu ana ki waho o te pa i te po, ma te ara i te kari waho o te pa i te po, ma te ara i te kari a te kingi, ma te kuwaha i waenganui i nga taiepa e ru a: a puta atu ana ia i te ara o te Arapa.
Fa ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tao amin'ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.
Otiia i whaia ratou e te ope o nga Karari, a ka mau a Terekia ki nga mania i Heriko. Na hopukia ana ia, kawea ana ki a Nepukareha kingi o Papurona, ki Ripira i te whenua o Hamata: a whakawhakia ana ia e ia.
Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin'ny Joda koa dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona.
Katahi ka tukitukia e te kingi o Papurona nga tama a Terekia ki tona aroaro ki Ripira: a i tukitukia ano e te kingi o Papurona nga rangatira katoa o Hura.
Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona.
I whakamatapotia hoki e ia nga kanohi o Terekia, herea iho ia ki te mekameka, kawea ana ki Papurona.
Ary nodoran'ny Kaldeana tamin'ny afo ny tranon'ny mpanjaka sy ny tranon'ny vahoaka, ary ny mandan'i Jerosalema noravany.
Na tahuna ana e nga Karari te whare o te kingi, me nga whare o te iwi, ki te ahi, wawahia iho e ratou nga taiepa o Hiruharama.
Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo tany Babylona.
Katahi ka whakaraua e Neputaraarana, rangatira o nga kaitiaki, ka mauria ki Papurona te toenga o te iwi i mahue ki te pa, me te hunga i papahoro atu, i taka atu ki a ia, me era atu o te iwi i mahue ki te pa.
Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'ny tanin'ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin'izany andro izany.
Otiia i mahue iho i a Neputaraarana, rangatira o nga kaitiaki, nga ware o te iwi, kahore nei o ratou rawa, ki te whenua o Hura, a hoatu ana e ia he mara waina me etahi atu mara ki a ratou i taua ra.
Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanome teny an'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ny amin'i Jeremia nanao hoe:
Na i tohutohu a Nepukareha kingi o Papurona ki a Neputaraarana, rangatira o nga kaitiaki, mo Heremaia i mea ia,
Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.
Tikina ia, kia pai hoki te tiaki i a ia, a kaua ia e tukinotia; engari ko tana e ki mai ai, ko tau tena e mea ai ki a ia.
Ary Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra
Heoi ka unga tangata a Neputaraarana rangatira o nga kaitiaki, ratou ko Nepuhahapana, ko Rapahari, ko Nerekara Haretere, ko Rapamaka, ratou ko nga rangatira katoa a te kingi o Papurona;
dia naniraka haka an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin'ny olona.
Unga tangata ana ratou, a tikina atu ana a Heremaia i te marae o te whare herehere, a tukua atu ana ia e ratou ki a Keraria tama a Ahikama, tama a Hapana kia kawea ki te kainga: na noho ana ia i waenganui i te iwi.
Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana ihany, nanao hoe:
Na i puta mai te kupu a Ihowa ki a Heremaia, i a ia e here ana i te marae o te whare herehere; i mea ia,
Mandehana, ka lazao amin'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin'ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin'izany andro izany.
Haere, korero ki a Eperemereke Etiopiana, mea atu, Ko te kupu tenei a Ihowa o nga mano, a te Atua o Iharaira: Nana, ka takina mai e ahau aku kupu ki runga ki tenei pa, hei kino, ehara ano hoki i te pai; a ka tutuki ki tou aroaro i taua ra.
Nefa hovonjeko ianao amin'izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan'ny olona izay atahoranao.
Otiia ka whakaorangia koe e ahau i taua ra, e ai ta Ihowa: e kore hoki koe e tukua ki te ringa o te hunga e wehi na koe.
Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.
Ka tino whakaorangia hoki koe e ahau, a e kore koe e hinga i te hoari, engari ka waiho tou wairua hei taonga parakete ki a koe: mou i whakawhirinaki ki ahau, e ai ta Ihowa.