Isaiah 62

Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.
He whakaaro ki Hiona i kore ai ahau e noho hu, he whakaaro, ki Hiruharama te ata noho ai ahau, kia puta ra ano tona tika ano he tiahotanga, tona whakaoranga ano he rama e ka ana.
Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin'ny vavan'i Jehovah;
A ka kite nga tauiwi i tou tika, nga kingi katoa i tou kororia; a he ingoa hou e whakahuatia ki a koe, he mea whakahua na te mangai o Ihowa.
Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok'andriana eo am-pelatanan'Andriamanitrao.
Hei karauna ataahua ano koe i te ringa o Ihowa, hei potae kingi i te ringa o tou Atua.
Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak'i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
E kore koe e kiia a muri ake nei, He mea whakarere; heoi ano kianga o tou whenua, He ururua; engari ka huaina koe, ko Hepetipa; tou whenua, ko Peura: no te mea ka ahuareka a Ihowa ki a koe, a ka whai tahu tou whenua.
Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran'ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao aminao.
Kei te marenatanga hoki o te taitamariki ki te wahine te rite o te marenatanga o au tamariki ki a koe; kei te koa hoki o te tane marena hou ki te wahine marena hou te rite o te koa o tou Atua ki a koe.
Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra;
Kua oti he kaitiaki te whakarite e ahau ki ou taiepa, e Hiruharama; e kore e kopia te mangai i te ao, i te po. E nga kaiwhakahua o to Ihowa ingoa, kei ata noho,
Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an'i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin'ny tany.
Kaua hoki e whakamutua ta koutou ki a ia, kia whakapumautia ra ano a Hiruharama e ia, kia meinga ra ano hei whakamoemiti i runga i te whenua.
Jehovah efa nianiana tamin'ny tànany ankavanana, dia tamin'ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin'ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
Kua oatitia e Ihowa tona ringa matau, tona takakau kaha, E kore e hoatu e ahau tau witi a muri hei kai ma ou hoariri; e kore ano nga tangata ke e inu i tau waina i mauiui ai koe.
Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an'i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin'ny kianjako masina.
Engari ko nga tangata nana i whawhaki, ma ratou e kai, whakamoemiti tonu atu ki a Ihowa; a ko nga tangata nana i kohikohi mai, ka inumia e ratou ki nga marae o toku wahi tapu.
Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan'ny firenena.
Tika atu, tika atu ma nga kuwaha; whakapaia te ara o te iwi; opehia ake, opehia ake te huanui; kohikohia atu nga kamaka; whakaarahia he kara ki nga iwi.
Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin'ny faran'izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin'i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
Nana, kua korero a Ihowa ki te pito o te whenua, Mea atu ki te tamahine a Hiona, Nana, ko tou whakaoranga te haere mai nei! nana, kei a ia tona utu, kei tona aroaro ano tana mahi.
Ary Ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan'i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
A ka huaina ratou, Ko te iwi tapu, Ko ta Ihowa i hoko ai; ka huaina ano hoki koe, He mea i rapua, He pa kahore i mahue.