Isaiah 59

Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
Nana, kihai i mutua te ringa o Ihowa, te tau ai te whakaora; kihai ano i taimaha tona taringa, te rongo ai ia.
Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
Engari na o koutou he i wehe koutou ko to koutou Atua, na o koutou hara ano i huna ai tona mata ki a koutou, te whakarongo ai ia.
Fa ny tananareo dia voaloto amin'ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin'ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
Kua poke hoki o koutou ringa i te toto, o koutou maihao i te he; ko o koutou ngutu kua korero teka, ko o koutou arero kei te whakapuaki i te whanoke.
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
Kahore he karanga ki te tika, kahore he tohe ki te pono; ko te horihori to ratou okiokinga, e korero teka ana ratou; ko to ratou hapu he nanakia, whanau ake te kino.
Mikotrika ny atodin'ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin'ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.
E paoa ana e ratou nga hua o te neke, e hanga ana e ratou te whare pungawerewere: ko te tangata e kai ana i a ratou hua ka mate, a ki te kopengia tetahi, ka puta he waipera.
Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
E kore o ratou whare pungawerewere e tau hei kakahu, e kore ano ratou e whai hipoki i a ratou mahi: ko a ratou mahi he mahi na te kino, he mahi nanakia kei o ratou ringa.
Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany.
E rere ana o ratou waewae i te kino, hohoro tonu hoki ratou ki te whakaheke i te toto harakore: ko o ratou whakaaro he whakaaro ki te kino, he whakamoti, he wawahi kei o ratou ara.
Ny lalan'ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin'ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
Kahore o ratou matauranga ki te ara o te rangimarie, kahore hoki he whakawa i o ratou ara; ko o ratou huarahi, whakakopikopikoa ake e ratou: ko te hunga katoa e haere ana na reira, e kore e mohio ki te rangimarie.
Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin'ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
Na reira matara noa atu te whakawa i a tatou, te mau tatou i te tika: e taria atu ana e tatou te marama, na ko te pouri; te tiaho, na kei te haere nei tatou i te pouri.
Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny maizimaizina isika, ary eo amin'ny matanjaka dia tahaka ny maty isika.
E whawha ana tatou ki te taiepa ano he matapo, ae ra, me te mea ko te hunga kahore he kanohi: e tutuki ana o tatou waewae i te poutumarotanga me te mea i te ahiahi; he rite tatou ki te tupapaku i roto i nga tangata pakari.
Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
Kei te ngengere tatou katoa ano he pea; ko to tatou rite kei te kukupa e tumutumu tonu ana. E tatari ana tatou ki te whakawa, heoi kua kahore; ki te whakaora, otiia kei tawhiti atu i a tatou.
Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
Kua nui hoki o matou poka ke i tou aroaro, e whakaatu ana hoki o matou hara i to matou he; kei a matou nei hoki o matou poka ke, a ko o matou kino, e mohiotia ana era e matou;
Dia ny miodina sy ny mandà an'i Jehovah, ary ny miala amin'ny fanarahana an'Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.
He poka ke, he whakakahore ki a Ihowa, he peka atu i te whai i to matou Atua, he whanoke nga korero, he whakakeke; kua hapu, kua puaki i te ngakau he kupu teka.
Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.
Kua tahuri atu nei ki muri te whakawa, ko te tika tu mai ana i tawhiti; kua hinga hoki te pono i te waharoa, a kahore he tomokanga mo te tika.
Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom'ny sasany. Ary hitan'i Jehovah ny tsi-fisian'ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
Ae ra, kua kore te pono; a ko te tangata e whakarere ana i te kino ka waiho hei taonga parau. Na ka kite a Ihowa, ka kino ki tana titiro, no te mea kahore he whakawa.
Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
Na titiro rawa mai ia, kahore he tangata, miharo ana ia no te mea kahore he kaiwawao; na, kei tona ringa he whakaora mona; ko tona tika, na tera ia i tautoko ake.
Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin'ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
I kakahuria hoki e ia te tika hei pukupuku, ko te whakaora hei potae ki tona mahunga; kakahuria ana e ia nga kakahu o te rapu utu hei kakahu, ropia mai ana te hae hei koroka.
Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an'ny fahavalony, famaliana ho an'ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
Ko tana utu ka rite ki a ratou mahi, he riri ki ona hoa whawhai, he utu ki ona hoariri; ki nga motu hoki ka homai e ia he utu.
Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran'i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin'ny fiposahan'ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin'ny Fanahin'i Jehovah.
Na ka wehingia te ingoa o Ihowa i te uru, tona kororia i te rawhiti. Ka haere mai hoki ia ano he awa e taheke ana, e aia ana e te manawa o Ihowa.
Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin'ny Jakoba izay miala amin'ny fahadisoana, hoy Jehovah.
A ka haere mai te kaihoko ki Hiona, ki te hunga o Hakopa e tahuri atu ana i te poka ke, e ai ta Ihowa.
Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
Ko ahau nei, ko taku kawenata tenei ki a ratou, e ai ta Ihowa: Ko toku wairua i a koe na, me aku kupu i hoatu e ahau ki tou mangai, e kore e neke atu i tou mangai, i te mangai o ou uri, i te mangai ano o nga uri o ou uri, e ai ta Ihowa, aianei a ake tonu atu.