Isaiah 37

Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
Na ka rongo a Kingi Hetekia, haea ana e ia ona kakahu, kei te hipoki i a ia ki te kakahu taratara, a haere ana ki te whare o Ihowa.
ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza,
I tonoa ano e ia a Eriakimi rangatira o te whare, a Hepena kaituhituhi, me nga kaumatua o nga tohunga, he mea hipoki ki te kakahu taratara, ki a Ihaia poropiti, tama a Amoho;
ary nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
Hei mea ki a ia, Ko te kupu tenei a Hetekia, Ko tenei ra, he ra no te he, no te whakatuma, no te whakama; kua taea hoki te whanautanga tamariki, heoi kahore he kaha e whanau ai.
Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
Tera pea a Ihowa, tou Atua, ka rongo ki nga kupu a Rapahake i tonoa mai nei e tona ariki, e te kingi o Ahiria, hei whakorekore ki te Atua ora; a ka riri ki nga kupu i rongo ai a Ihowa, tou Atua. Na kia ara tau inoi mo nga toenga e noho nei.
Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
Na ko te haerenga atu o nga tangata a Kingi Hetekia ki a Ihaia,
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
Ka mea a Ihaia ki a ratou, Ki atu ki to koutou ariki, Ko te kupu tenei a Ihowa, Kaua e wehi i nga kupu i rongo ra koe, ki era i kohukohu mai ra nga tangata a te kingi o Ahiria ki ahau.
Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
Na ka tonoa e ahau he wairua ki a ia, a ka rongo ia i tetahi rongo, ka hoki ki tona whenua; ka meinga ano hoki ia e ahau kia hinga i te hoari i tona whenua.
Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
Na hoki ana a Rapahake, a rokohanga atu e ia e whawhai ana te kingi o Ahiria ki Ripina: i rongo hoki ia kua hapainga mai e ia i Rakihi.
Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:
A ka rongo ia ki a Tirihaka kingi o Etiopia, ki te korero, Kei te haere mai ki te whawhai ki a koe; na ka rongo ia, ka tono tangata ano ki a Hetekia, ka mea.
Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
Ki atu ki a Hetekia kingi o Hura, mea atu, Kei tinihangatia koe e tou Atua, e tau e okioki na koe, i a ia e ki na, E kore a Hiruharama e hoatu ki te ringa o te kingi o Ahiria.
Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
Nana, kua rongo na koa ki ta nga kingi o Ahiria i mea ai ki nga whenua katoa, ki ta ratou hunanga rawatanga i a ratou: a e ora ranei koe?
Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara ?
I whakaora ranei nga atua o nga tauiwi i nga wahi i huna e oku matua; i Kotana, i Harana, i Retepe, i nga tama a Erene, i era i Terahara?
Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
Kei hea te kingi o Hamata, te kingi o Arapara, te kingi o te pa o Heparawaima, o Hena, o Iwa?
Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
Na ka tangohia mai e Hetekia te pukapuka i te ringa o nga karere, korerotia ana e ia. Na haere ana a Hetekia ki runga, ki te whare o Ihowa, wherahia ana e ia ki te aroaro o Ihowa.
Ary Hezekia nivavaka tamin'i Jehovah nanao hoe:
Na ka inoi a Hetekia ki a Ihowa, ka mea,
Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
E Ihowa o nga mano, e te Atua o Iharaira, e noho na i runga o nga kerupima, ko koe te Atua, ko koe anake, o nga kingitanga katoa o te whenua; nau i hanga te rangi me te whenua.
Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona.
Tahuri mai tou taringa, e Ihowa, whakarongo mai; titiro mai ou kanohi e Ihowa, kia kite koe; kia rongo ki nga kupu katoa a Henakeripi, ki tana i tuku mai ai hei whakorekore mo te Atua ora.
Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny
He tika ano, e Ihowa, kua kore i nga kingi o Ahiria nga iwi katoa, me to ratou whenua.
ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
Kua maka ano e ratou o ratou atua ki te ahi; no te mea ehara ratou i te atua; engari he mahi na te ringa tangata, he rakau, he kohatu; koia i huna ai e ratou.
Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tànany izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.
Tena ra, whakaorangia matou aianei, e Ihowa, e to matou Atua, i tona ringa, kia mohio ai nga kingitanga katoa o te whenua ko koe a Ihowa, ko koe anake.
Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria,
Katahi a Ihaia tama a Amoho ka tono tangata ki a Hetekia, hei mea, Ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira, I te mea i inoi koe ki ahau mo Henakeripi kingi o Ahiria;
dia izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
Na ko ta Ihowa kupu tenei i korero ai mona, Kua whakahawea te wahine, te tamahine a Hiona ki a koe: kataina iho koe e ia; ruru ana te mahunga o te tamahine a Hiurharama ki a koe.
Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
Ko wai tau i whakorekore na, i kohukohu na? ki a wai tou reo i whakarahia na, tou kanohi i kake na ki runga? ki te Mea Tapu o Iharaira.
Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka,
Meatia ana e koe au karere hei whakorekore mo te Ariki; kua mea na koe, Kua kake ahau, me aku tini hariata, ki runga ki nga wahi tiketike o nga maunga, ki roto rawa o Repanona; ka tuaina ano e ahau nga hita roroa o reira, me o reira kauri papai: ka tae ano ahau ki te wahi tiketike o tona wahi whakamutunga mai, ki te ngahere o tona mara whai hua.
Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta.
Keria ana e ahau, inu wai ana ahau, maroke ake i te kapu o toku waewae nga awa katoa o Ihipa.
Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
Kahore ranei koe i rongo i mua noa atu, naku tena i mea? i nga ra onamata naku tena i hanga? Katahi nei ka whakaputaina e ahau, a ka waiho na koe hei mea i nga pa taiepa hei puranga rukerukenga.
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
Koia i iti ai te kaha o o reira tangata; wehi ana ratou, porahurahu kau ana; rite tonu ki te tarutaru o te parae, ki te otaota matomato, ki te taru i runga i nga tuanui, ki te witi i ngingio i te mea kiano i tupu noa.
Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
Otira e matau ana ahau ki tou nohoanga iho, ki tou haerenga atu, ki tou haerenga mai, me tou nananga ki ahau.
Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
Na, mo tau nananga ki ahau, mo te mea kua tae ake nei tau whakamanamana ki oku taringa, mo reira ka kuhua e ahau taku matau ki tou ihu, taku paraire ki ou ngutu; a ka whakahokia koe na te ara i haere mai na koe.
Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin'ity taona ity ianareo; ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
A ko te tohu tenei ki a koe, I tenei tau ka kai koutou i nga mea tupu noa ake, a i te rua o nga tau ko nga tupu noa ake o te tau; na hei te toru o nga tau koutou whakato ai, kokoti ai, whakato ai i nga mara waina, kai ai i nga hua o aua mara.
Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
Na, tera e hou ano whakararo nga pakiaka o nga oranga i mawhiti o te whare o Hura, ka hua ano nga hua whakarunga.
Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona ny  fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
E puta ake hoki he toenga i Hiruharama, he oranga i Maunga Hiona. E taea tenei e te ngakau nui o Ihowa o nga mano.
Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
Na ko ta Ihowa kupu tenei mo te kingi o Ahiria, E kore ia e haere mai ki tenei pa, e kore ano e perea he pere e ia ki konei, e kore ano e maua e ia he whakangungu rakau ki mua i tenei pa, e opehia ranei he puke hei whawhaitanga ki konei.
Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
Ko te ara i haere mai ai ia, ka hoki ia ma reira; e kore ano ia e tae ki tenei pa, e ai ta Ihowa.
Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
Ka tiakina hoki e ahau tenei pa, ka whakaorangia; he whakaaro ki ahau, ki taku pononga ano, ki a Rawiri.
Dia avy Ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
Na ka puta atu te anahera a Ihowa, a patua iho e ia i te puni o nga Ahiriana kotahi rau e waru tekau ma rima mano: a te marangatanga ake i te ata, nana, o ratou tinana! he tupapaku katoa ratou.
Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
Na turia atu ana e Henakeripi kingi o Ahiria, haere ana, hoki ana, noho rawa atu kei Ninewe.
Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
A i a ia e koropiko ana i te whare o tona atua, o Nitiroko, patua iho ia e ana tama, e Ataramereke raua ko Heretere, ki te hoari; mawhiti tonu atu raua ki te whenua o Ararata, a ko tana tama ko Etara Harono, te kingi i muri i a ia.