Isaiah 33

Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
Aue te mate mou e pahua nei, a kihai koe i pahuatia; e tinihanga nei, a kihai ano koe i tinihangatia! kia mutu tau pahua, ka pahuatia ano koe: kia mutu tau tinihanga, ka tinihangatia koe.
Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin'ny andro fahoriana.
Kia atawhai, e Ihowa, ki a matou; kua tatari nei matou ki a koe: ko koe hei ringa mo ratou i tenei ata, i tenei ata, hei whakaora mo matou i nga wa o te raru.
Ny feon'ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.
I te rongonga i te ngangau, whati ana nga iwi: i tou aranga ki runga, marara ana nga iwi.
Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon'ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
Ko te kohikohinga o o koutou taonga ano he moka e kohi ana; kei te tarapeke o te mawhitiwhiti te rite ina kokiritia e ratou.
Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin'ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
Ka whakanuia a Ihowa; kei runga hoki tona nohoanga; nana a Hiona i ki ai i te whakawa, i te tika.
Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren'ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an'i Jehovah no rakitrao.
A ka u nga wa i a koe; hua tonu te whakaora, te whakaaro nui, te matauranga; ko te wehi ki a Ihowa hei taonga mona.
Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
Nana, he tangi o ratou maia i waho; ko nga karere hohou rongo, tiwerawera ana te tangi.
Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
Kua ururuatia nga ara, kua kore e haerea e te tangata: kua paheke i a ia te kawenata, whakahawea ana ia ki nga pa: kahore te tangata e whakaaroa e ia.
Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
E tangi ana te whenua, ngohe noa iho; kua whakama a Repanona, kua memenga; a Harono, rite tonu ki te koraha; ko nga rau o Pahana, o Karamere, ruirui rawa.
Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin'ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
Katahi ahau ka whakatika, e ai ta Ihowa; katahi ahau ka whakarewa ake i ahau, katahi ahau ka neke ake.
Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
Ko to koutou hapu he papapa, whanau ake he kakau witi; ko to koutou manawa, ka rite ki te ahi, ka kai i a koutou.
Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin'ny afo izy.
Ka rite hoki nga iwi ki nga tahunga kotakota; ki te tataramoa kua tapahia, e tahuna ana ki te ahi.
Mihainoa ny amin'izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
Whakarongo, e koutou o tawhiti, ki taku i mea ai; e te hunga e tata ana, kia mohio mai ki toku kaha.
Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin'ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin'ny lelafo mandrakizay?
Pawera noa iho nga tangata hara i Hiona, mau pu te hunga atuakore i te tuiri. Ko wai o tatou e noho ki te ahi e kai ana? ko wai o tatou e noho ki nga tahunga e kore nei e mutu?
Izay mandeha amin'ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin'ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin'ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
Ko te tangata e haere ana i runga i te tika, he tika ano ana korero; ko te tangata e whakahawea ana ki nga taonga o te tukino, e rukerukea ana e tona ringa te utu whakapati; e punia ana ona taringa kei rangona he korero toto, e whakamoe ana i on a kanohi kei kite i te kino;
Izy no honina ao amin'ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin'ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
Ko te nohoanga mo tera kei runga rawa; ko tona wahi arai riri ko nga kaha o nga kamaka: ka homai he taro mana, ka pumau te wai mona.
Ny masonao hahita ny mpanjaka amin'ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
Ka kite ou kanohi i te kingi, i tona ataahua: ka matakitaki ano ki te whenua e hora mai ana i tawhiti.
Hotsaroan'ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra ? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
Ka whakaaroaroa te wehi e tou ngakau: kei hea te kaitatau, kei hea te kaipauna takoha? kei hea te kaitatau o nga pourewa?
Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
E kore koe e kite i te iwi nanakia, he hohonu nei to ratou reo, kahore e rangona e koe; he rereke te reo, e kore e matauria e koe.
Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin'ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an'i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
Titiro ki Hiona, ki te pa o a tatou hakari: ka kitea e ou kanohi a Hiruharama, he nohoanga humarie, he teneti, e kore e nekehia; e kore tetahi o ona titi e unuhia a ake ake, e kore ano tetahi o ona taura e motu.
Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan'ny sambo voizina, na hovakin'ny sambo lehibe.
Engari ki reira a Ihowa ki a tatou me tona nui, hei wahi mo nga awa whanui mo nga wai nunui; kahore hoki he waka e hoehoea ki reira, kahore he kaipuke nui e tika na reira.
Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
No te mea ko Ihowa to tatou kaiwhakawa, ko Ihowa to tatou kaiwhakatakoto tikanga, ko Ihowa to tatou kingi; mana tatou e whakaora.
Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan'andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin'izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.
Kua tangoro kau ou puwhenua, te taea te turanga o to ratou rewa te whakau, te taea te ra te whewhera: na nui atu te taonga parakete e wehewehea ana, pahuatia ana nga taonga parau e nga kopa.
Tsy hisy amin'ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
Kahore hoki he kianga ake a te tangata whenua, He mate toku; ko te iwi e noho ana i reira, ka murua to ratou he.