Isaiah 12

Ary hiteny ianao amin'izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.
A i taua ra ka mea koe, Ka whakamoemiti atu ahau ki a koe, e Ihowa: ahakoa hoki i riri koe ki ahau, kua tahuri atu tou riri, a kei te whakamarie koe i ahau.
Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
Nana, ko te Atua toku whakaoranga; ka whakawhirinaki ahau, e kore ano e wehi; ko te Ariki hoki, ko IHOWA toku kaha, taku waiata, ko ia ano hei whakaoranga moku.
Koa amin'ny fifaliana no hantsakanareo rano amin'ny loharanom-pamonjena.
Na ka utu wai koutou i runga i te koa i roto i nga puna o te whakaoranga;
Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.
Ka mea ano hoki i taua ra, Whakamoemititia a Ihowa, karanga atu ki tona ingoa; whakaaturia ana mahi ki roto i nga iwi; kauwhautia atu kua oti tona ingoa te whakaneke ake.
Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany.
Waiata ki a Ihowa, he nui noa atu hoki ana mahi: meinga kia mohiotia tenei puta noa i te ao.
Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin'ny Isiraely.
Hamama, kia nui te reo, e te wahine e noho ana i Hiona, he nui hoki te Mea Tapu o Iharaira i waenganui i a koe.