Genesis 50

Ary Josefa nihohoka tamin'ny tavan'ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
Na ka hinga a Hohepa ki runga ki te mata o tona papa, a ka tangi i runga i a ia, ka kihi hoki i a ia.
Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.
Na ka whakahau a Hohepa i ana tangata, i nga kairongoa, kia whakapakokotia tona papa; na whakapakokotia ana a Iharaira e nga kairongoa.
Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
Na ka tutuki ona ra e wha tekau; ko nga ra hoki ena e whakatutukitia ana mo te hunga e whakapakokotia ana: a e whitu tekau nga ra i uhungatia ai ia e nga Ihipiana.
Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin'ny tao an-tranon'i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin'i Farao, ka ataovy hoe:
A, ka taka nga ra e uhungatia ia ia, ka korero a Hohepa ki te whare o Parao, ka mea, Na, ki te mea kua manakohia ahau e koutou, tena, korero atu ki nga taringa o Parao, mea atu,
Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin'ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
I whakaoati toku papa i ahau, i mea, Ka mate tenei ahau: hei roto i taku tanumanga i keria e ahau moku ki te whenua o Kanaana, hei reira ahau tanumia ai e koe. Na kia tukua ahau e koe aianei kia haere ki runga, ki te tanu i toku papa, ka hoki mai ai.
Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
Na ka mea a Parao, Haere ki runga ki te tanu i tou papa, kia rite ki tana i whakaoati ai i a koe.
Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon'i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin'ny tany Egypta,
Na haere ana a Hohepa ki runga ki te tanu i tona papa, i haere tahi ano i a ia nga pononga katoa a Parao, nga kaumatua o tona whare, me nga kaumatua katoa o te whenua o Ihipa,
ary ny ankohonan'i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin'ny tany Gosena.
Me te whare katoa ano hoki o Hohepa, ratou ko ona tuakana, me te whare ano hoki o tona papa; ko a ratou tamariki anake, me a ratou hipi, me a ratou kau i mahue i a ratou i te whenua o Kohena.
Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
I haere tahi ano i a ia nga hariata me nga tangata hoiho: he nui whakaharahara te tira.
Ary rehefa tonga teo Goren'atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
Na ka tae ratou ki te patunga witi a Atara, i tawahi o Horano, a he tino nui whakaharahara te tangihanga i tangi ai ratou ki reira: e whitu hoki nga ra i uhungatia ai e ia tona papa.
Ary rehefa hitan'ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana.
A, ka kite nga tangata whenua, nga Kanaani, i te uhunga i te patunga witi a Atara, ka mea ratou, He uhunga nui tenei na nga Ihipiana: na reira i huaina ai te ingoa o reira ko Apere Mitiraima, kei tawahi hoki o Horano.
Ary ny zanakalahin'i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
Na rite tonu ki tana i whakahau ai ki a ratou tana tama i mea ai ki a ia:
dia nitondra azy tany amin'ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha Makpela, tandrifin'i Mamre, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
I kawea hoki ia e ana tama ki te whenua o Kanaana, a tanumia ana ki te ana i te parae o Makapera, i hokona tahitia nei e Aperahama me te parae i a Eperona Hiti, kia puritia hei tanumanga, kei te ritenga atu o Mamere.
Ary rehefa voalevin'i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin'izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
Na hoki ana a Hohepa ki Ihipa, ratou tahi ko ona tuakana, ko nga tangata katoa ano hoki i haere tahi i a ia ki runga ki te tanu i tona papa, i te mutunga o tana tanu i tona papa.
Ary rehefa hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
Na, i te kitenga o nga tuakana o Hohepa kua mate to ratou papa, ka mea ratou, Tera pea e kino mai a Hohepa ki a tatou, a ka utua mai e ia a tatou kino katoa i meatia e tatou ki a ia.
Dia naniraka nankany amin'i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
Na ka tuku tangata ratou ki a Hohepa, a ka mea, I whakahau mai tou papa i mua ake i tona matenga, i mea mai,
ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
Kia penei ta koutou kupu ki a Hohepa, Tena, whakarerea te he o ou tuakana, me to ratou hara; he kino hoki ta ratou mahi ki a koe: na, tena whakarerea te he o nga pononga a te Atua o tou papa. A ka tangi a Hohepa i a ratou kupu ki a ia.
Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia nianko­hoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
Na ka haere ona tuakana, ka tapapa ki tona aroaro; ka mea, Tenei matou hei pononga mau.
Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho?
A ka mea a Hohepa ki a ratou, Kaua e wehi: he kaiwhakakapi oti ahau mo to te Atua wahi?
Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.
Ko koutou hoki, i he o koutou whakaaro ki ahau; he pai ia to te Atua whakaaro, kia meatia ai tenei inaianei, kia whakaorangia ai hoki nga tangata tokomaha.
Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
Heoi kaua e wehi; maku koutou e atawhai, koutou ko a koutou tamariki. A ka whakamarie ia i a ratou, ka whakamama hoki i o ratou ngakau.
Ary Josefa sy ny ankohonan'ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia folo amby zato taona.
Na ka noho a Hohepa ki Ihipa, ratou ko te whare o tona papa: a kotahi rau kotahi tekau nga tau i ora ai a Hohepa.
Ary hitan'i Josefa ny zafiafin'i Efraima; ny zanak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia noraisin'i Josefa ho eo am-pofoany.
A i kite a Hohepa i te tuatoru o nga whakatupuranga o nga tamariki a Eparaima: i whakatupuria ano hoki nga tamariki a Makiri, tama a Manahi, ki runga ki nga turi o Hohepa.
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
Na ka mea a Hohepa ki ona tuakana, Ka mate ahau; otiia ka ata tirohia koutou e te Atua, a ka kawea atu koutou e ia i tenei whenua ki runga, ki te whenua i oati ai ia ki a Aperahama, ki a Ihaka, ki a Hakopa.
Ary Josefa dia nampianiana ny zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
Na ka whakaoatitia nga tama a Iharaira e Hohepa, ka mea ia, Ka tikina mai koutou, ka ata tirohia e te Atua, a me kawe atu e koutou oku iwi i konei ki runga.
Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin'ny vata tany Egypta.
Na ka mate a Hohepa i te kotahi rau i te kotahi tekau o ona tau: a ka whakapakokotia e ratou, ka whakatakotoria hoki ki te kawhena i Ihipa.