Genesis 37

Ary Jakoba nonina tany amin'ny tany fivahinian'ny rainy, dia tany amin'ny tany Kanana.
A i noho a Hakopa i te whenua i noho manene ai tona papa, i te whenua o Kanaana.
Ary izao no tantaran'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
Ko nga whakatupuranga enei o Hakopa. Kotahi tekau ma whitu nga tau o Hohepa, a i te whangai hipi ia, ratou ko ona tuakana; he taitama hoki ia i te taha o nga tama a Piriha, o nga tama a Tiripa, a nga wahine a tona papa: a ka kawea e Hohepa te kor ero kino mo ratou ki to ratou papa.
Ary tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
Na i arohaina nuitia a Hohepa e Iharaira i ana tama katoa, no te mea ko te tama ia o tona koroheketanga: a ka hanga e ia tetahi koti purepure mona.
Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
A ka kite ona tuakana e arohatia nuitia ana ia e to ratou papa i ona tuakana katoa, na ka kino ratou ki a ia, kihai ano hoki i ahei te ata korero ki a ia.
Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin'ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
Na ka moe a Hohepa i tetahi moe, a ka korerotia e ia ki ona tuakana; ka nui haere ano to ratou kino ki a ia.
Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
A i mea ia ki a ratou, Tena, whakarongo ki tenei moe i moe nei ahau:
Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarako.
Nana, i te paihere witi tatou i waenga mara, na ka whakatika ake taku paihere, a ka tu; ko te tino karapotinga mai o a koutou paihere, kei te piko iho ki taku paihere.
Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
Na ka mea ona tuakana ki a ia, Koia ranei ko koe hei kingi mo matou? hei rangatira ano ranei koe mo matou? Na ka nui haere ano to ratou kino ki a ia mo ana moe, mo ana kupu.
Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.
A i moe ano ia i tetahi atu moe, a ka korerotia e ia ki ona tuakana, ka mea ia, Nana, tenei ano hoki tetahi moe i moe ai ahau; na, ko te ra me te marama, me nga whetu kotahi tekau ma tahi, e piko mai ana ki ahau.
Ary nambarany tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao?
A ka korerotia e ia ki tona papa ratou ko ona tuakana: na ka whakatupehupehu tona papa ki a ia, ka mea ki a ia, He aha tenei moe i moe nei koe? Tera ranei matou, ko tou whaea, ko ou tuakana, e haere mai ki te piko ki a koe, ki te whenua?
Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
Na ka hae ona tuakana ki a ia; ko tona papa ia i mahara ki te kupu.
Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin'ny rainy tany Sekema.
Na ka haere ona tuakana ki te whangai i nga hipi a to ratou papa i Hekeme.
Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy : Inty Aho.
A ka mea a Iharaira ki a Hohepa, Kahore ianei ou tuakana i te whangai hipi i Hekeme? haere mai, me tono koe e ahau ki a ratou. Ka mea ia, Tenei ahau.
Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman'osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
Na ka mea ia ki a ia, Tena, haere, tirohia, kei te ora ranei ou tuakana, kei te ora ano ranei nga hipi; ka whakahoki mai ia i te korero ki ahau. Na ka tonoa atu ia e ia i te raorao o Heperona, a ka haere ia ki Hekeme.
Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
A ka tutaki tetahi tangata ki a ia, e pohehe ana hoki ia i te parae, a ka ui taua tangata ki a ia, He aha tau e rapu na?
Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.
Na ka mea ia, E rapu ana ahau i oku tuakana: tena koa, whakaaturia mai ki ahau, kei hea ratou e whangai ana i te kahui.
Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
Ka mea taua tangata, Kua riro atu ratou i konei; i rongo hoki ahau i a ratou e ki ana, Kia haere tatou ki Rotana. Na ka haere a Hohepa ki te whai i ona tuakana, a ka kitea ratou e ia ki Rotana.
Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
Na ka kite mai ratou i a ia i tawhiti, a, i te mea kahore ano ia i tata noa ki a ratou, ka whakatakoto whakaaro ratou mona kia whakamatea.
Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
A ka mea ratou tetahi ki tetahi, Nana, ko te moemoea tenei te haere mai nai.
Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin'izany na hanao ahoana ny nofiny.
Tena, tatou ka haere, ka patu i a ia, ka maka hoki i a ia ki tetahi o nga poka, a ka mea tatou, Na tetahi mohoao nanakia ia i kai: a ka kite tatou i te tukunga iho o ana moe.
Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
Na i rongo a Reupena, a ka whakaorangia ia e ia i roto i o ratou ringa; ka mea ia, Kaua ia e patua e tatou.
Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.
Ka mea ano a Reupena ki a ratou, Kaua e whakahekea he toto; maka atu ia ki roto ki tenei poka i te koraha nei, kaua hoki tetahi ringa e pa ki a ia; he mea hoki kia whakaora ai ia i a ia i roto i o ratou ringa, kia whakahoki ai ia i a ia ki tona papa.
Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
A, i te taenga o Hohepa ki ona tuakana, ka huia e ratou te koti o Hohepa, te koti purepure e mau ana i a ia;
dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy rano tao.
A mauria ana ia, maka ana e ratou ki te poka: he tuwhera kau ano te poka, kahore he wai o roto.
Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
Na ka noho ratou ki te kai taro: a ka anga ake o ratou kanohi, na, ko tetahi tira Ihimaeri e haere mai ana i Kireara me a ratou kamera, he waha i nga mea kakara, i te pama, i te maira, e haere ana ki te kawe ki raro, ki Ihipa.
Ary hoy Joda tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika?
Na ka mea a Hura ki ona tuakana ratou ko ona teina, He aha te pai o ta tatou patu i to tatou teina, o te huna hoki i ona toto?
Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
Tatou ka haere, ka hoko i a ia ki nga Ihimaeri, a kaua o tatou ringa e pa ki a ia; ko to tatou teina nei hoki ia, ko to tatou kikokiko. A i whakaae ona tuakana ratou ko ona teina.
Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo.
Na ka haere mai nga Miriani, he hunga hokohoko: ka hutia ake e ratou a Hohepa i roto i te poka, a ka hokona atu a Hohepa e ratou ki nga Ihimaeri, ki nga hiriwa e rua tekau: a ka kawea a Hohepa e ratou ki Ihipa.
Dia niverina nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
A ka hoki mai a Reupena ki te poka; na, kohore a Hohepa i roto i te poka; a ka haea e ia ona kakahu.
Dia niverina nankeo amin'ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
Na ka hoki ia ki ona teina, ka mea, Kahore nei te tamaiti; a ko ahau, me haere ahau ki hea?
Ary nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka natsobony tamin'ny rà ny akanjo.
Na ka tango ratou i te koti o Hohepa, a ka patua he koati toa, ka tukua hoki te koti ki te toto;
Dia nampanateriny ho any amin'ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon'ny zanakao ity, na tsia?
Na ka hoatu te koti purepure kia kawea ki to ratou papa; ka mea ratou, I kitea tenei e matou; tena, tirohia ko te koti ranei o tau tama, ehara ranei?
Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon'ny zanako io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.
A ka mohiotia e ia, a ka mea ia, Ko te koti tenei o taku tama; kua kainga ia e te kirehe nanakia; kua tino haea rawatia a Hohepa.
Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
Na ka haea e Hakopa ona kakahu, ka kakahuria e ia tona hope ki te kakahu taratara, a he maha nga ra i uhungatia ai e ia tana tama.
Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.
Ka whakatika hoki ana tama katoa me ana tamahine katoa ki te whakamarie i a ia; a kihai ia i pai kia whakamarietia; ka mea ia, Engari ka heke tangi atu ahau ki taku tama ki te po. Na ka uhungatia ia e tona papa.
Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.
Na ka hokona atu ia e nga Miriani ki Ihipa ki a Potiwhara, ki tetahi o nga tangata nui a Parao, ki te rangatira o nga kaitiaki.