Genesis 2

Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
Na ka oti te rangi me te whenua me o reira mano katoa.
Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony.
A no te whitu o nga ra i oti ai i te Atua tana mahi i mahi ai; na ka okioki ia i te ra whitu i ana mahi katoa i mahia e ia.
Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.
Na ka whakapaingia e te Atua te ra whitu, whakatapua ana hoki e ia: mona i okioki i taua ra i ana mahi katoa i oti i te Atua te hanga.
Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
Ko nga whakatupuranga enei o te rangi, o te whenua, i te hanganga ai, i te ra i hanga ai e Ihowa, e te Atua, te whenua me te rangi.
Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
Kahore ano hoki tetahi rakau riki o te parae i te whenua, kahore ano tetahi otaota o te parae kia pihi noa: kahore hoki a Ihowa, te Atua, i mea kia ua ki te whenua, a kahore rawa he tangata hei mahi i te oneone;
nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra.
Engari i pupu ake he kohu i te whenua, na reira i whakamakuku te mata katoa o te oneone.
Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
Na ka whakaahuatia te tangata e Ihowa, e te Atua, he puehu no te oneone, a whakahangia ana e ia ki roto ki ona pongaihu te manawa ora; a ka wairua ora te tangata.
Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.
Na ka whakatokia e Ihowa, e te Atua, tetahi kari ki te taha ki te rawhiti, ki Erene; a whakanohoia iho e ia ki reira te tangata i hanga e ia.
Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
A i whakatupuria e Ihowa, e te Atua, i roto i te oneone nga rakau katoa he mea ahuareka ki te titiro, he pai hoki hei kai; ko te rakau hoki o te ora ki waenganui o te kari, me te rakau o te matauranga ki te pai, ki te kino.
Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:
I rere mai ano he awa i Erene hei whakamakuku i te kari; a i reira ka manganga e wha nga tino awa.
Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
Ko te ingoa o te tuatahi ko Pihona; ko ia tera e taiawhio ra i te whenua katoa o Hawira, he koura kei reira;
ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
He pai hoki te koura o taua whenua: kei reira te teriuma me te kohatu onika.
Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
Ko te ingoa o te rua o nga awa ko Kihona: ko ia tera e taiawhio ra i te whenua katoa o Etiopia.
Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
Ko te ingoa o te toru o nga awa ko Hirekere; ko te mea tera e rere ra i mua o Ahiria. Ko Uparati te wha o nga awa.
Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
Na ka tango a Ihowa, te Atua, i te tangata, a whakanohoia ana e ia ki te kari o Erene, hei ngaki, hei tiaki hoki reira.
Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany;
Na ka ako a Ihowa, te Atua, ki te tangata, ka mea, E pai ana kia kai noa atu koe i nga hua o nga rakau katoa o te kari:
fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
Ko te rakau ia o te matauranga ki te pai, ki te kino, kaua e kainga tetahi o ona hua; ko te ra e kai ai koe i tetahi o ona hua, ka mate koe, mate rawa.
Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
Na ka mea a Ihowa, te Atua, E kore e pai kia noho te tangata ko ia anake; me hanga e ahau tetahi hoa pai mona.
Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia izany no anarany.
Na he mea whakaahua mai na Ihowa, na te Atua, i roto i te oneone nga kirehe katoa o te parae, me nga manu katoa o te rangi; a kawea mai ana e ia ki a Arama, kia kitea ai te ingoa e huaina e ia ki a ratou: a ko a Arama i hua ai ki nga mea ora kat oa, hei ingoa era mo ratou.
Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
Na ka huaina e Arama he ingoa mo nga kararehe katoa, mo nga manu o te rangi, mo nga kirehe katoa hoki o te parae; ko Arama ia kahore i kitea tetahi hoa pai mona.
Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
Na ka mea a Ihowa, te Atua, kia parangia a Arama e te moe, a moe ana ia: na tangohia ana e ia tetahi o ona rara, a whakatutakina atu ana te kikokiko hei whakakapi mo reira;
Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
Na ka hanga a Ihowa, te Atua, i te rara i tangohia mai ra e ia i roto i a Arama hei wahine, a kawea ana e ia ki a Arama.
Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
A ka mea a Arama, Katahi ano ki tenei te wheua o roto o oku wheua, me te kikokiko o roto o oku kikokiko: me hua ia ko te Wahine, nona hoki i tangohia mai i roto i te Tangata.
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.
No konei te tangata ka whakarere i tona papa me tona whaea, a ka piri ki tana wahine: a hei kikokiko kotahi raua.
Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.
A e tu tahanga ana raua tokorua, te tangata me tana wahine, kihai hoki i whakama.