Ezra 7

Ary rehefa afaka izany, tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra, zanak'i Seraia, zanak'i Azaria, zanak'i Hilklay
I muri i enei mea, i te kingitanga o Arataherehe kingi o Pahia, na ko Etera tama a Heraia, tama a Ataria, tama a Hirikia,
zanak'i Saloma, zanak'i Zadoka, zanak'i Ahitoba,
Tama a Harumu, tama a Haroko, tama a Ahitupu,
zanak'i Amaria, zanak'i Azaria, zanak'i Meraiota,
Tama a Amaria, tama a Ataria, tama a Meraioto,
zanak'i Zerahia, zanak'i Ozy, zanak'i Boky,
Tama a Terahia, tama a Uti, tama a Puki,
zanak'i Abisoa, zanak'i Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisoronabe;
Tama a Apihua, tama a Pinehaha, tama a Ereatara, tama a Arona tino tohunga:
io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.
I haere mai tenei Etera i Papurona; na he karaipi kakama ia ki te ture a Mohi i homai nei e Ihowa, e te Atua o Iharaira. I runga ano i a ia te ringa o Ihowa, o tona Atua, a homai ana e te kingi ki a ia nga mea katoa i tonoa e ia.
Ary niakatra koa ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka.
Na i haere mai ano etahi o nga tama a Iharaira, no nga tohunga hoki, o nga Riwaiti, o nga kaiwaiata, o nga kaitiaki keti, o nga Netinimi, ki Hiruharama i te whitu o nga tau o Kingi Arataherehe.
Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito nanjakan'ny mpanjaka.
Na kua tae ia ki Hiruharama i te rima o nga marama o te whitu o nga tau o te kingi.
Fa tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamaniny taminy.
No te tuatahi hoki o nga ra o te marama tuatahi i timata ai ia te haere mai i Papurona, a no te tuatahi o nga ra o te rima o nga marama i tae mai ai ki Hiruharama, i runga hoki i a ia te ringa pai o tona Atua.
Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn'i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
I whakatikaia hoki e Etera tona ngakau ki te rapu i te ture a Ihowa, ki te mahi ano hoki, a ki te whakaako i a Iharaira ki nga tikanga, ki nga whakaritenga.
Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely:
Na ko nga kupu tenei o te pukapuka i homai e Kingi Arataherehe ki te tohunga, ki te karaipi ki a Etera; he karaipi ia no nga kupu o nga whakahau a Ihowa, no ana tikanga hoki ki a Iharaira.
Artaksersesy, mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra.
Na Arataherehe kingi o nga kingi ki te tohunga, ki a Etera, ki te karaipi o te ture a te Atua o te rangi, he tino tika, he aha atu.
Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin'ny fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
Ko taku tikanga tenei ka whakatakotoria nei; Na, ko te hunga katoa o te iwi o Iharaira, o ona tohunga hoki, o nga Riwaiti i toku kingitanga e whai ngakau ana kia haere ki Hiruharama, me haere tahi me koe.
Fa ianao efa nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eny an-tananao;
He mea unga na hoki koe na te kingi ratou ko ana kaiwhakatakoto whakaaro tokowhitu, ki te ui i nga mea o Hura, o Hiruharama, kia rite ai ki te ture a tou Atua i tou ringa na;
ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
Ki te kawe ano i te hiriwa, i te koura i hoatu noa nei e te kingi, ratou ko ana kaiwhakatakoto whakaaro ki te Atua o Iharaira, kei Hiruharama nei tona nohoanga,
ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema.
I te hiriwa katoa ano, i te koura e kitea e koe i te kawanatanga katoa o Papurona, i nga mea homai noa ano a te iwi, a nga tohunga, a te hunga e homai noa ana mo te whare o to ratou Atua i Hiruharama.
Koa amin'izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
Na kia hohoro koe te hoko ki tenei moni he puru, he hipi toa, he reme, he whakahere totokore, me nga ringihanga, ka whakaeke ai ki runga ki te aata o te whare o to koutou Atua i Hiruharama.
Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin'ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon'Andriamanitrareo.
Na, ko ta koutou ko ou teina e pai ai mo te toenga o te hiriwa, o te koura, meatia, kia rite ki ta to koutou Atua e pai ai.
Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.
A, ko nga oko ka hoatu nei ki a koe mo nga mahi o te whare o tou Atua, me hoatu e koe ki te aroaro o te Atua i Hiruharama.
Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia alao ao amin'ny trano firaketan'ny mpanjaka.
A, ko era atu mea e meatia ana e koe mo te whare o tou Atua, e tika ana kia hoatu e koe, hoatu i roto i te whare taonga o te kingi.
Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
Na, tenei ahau, a Kingi Arataherehe te whakatakoto nei i te tikanga ki nga kaitiaki taonga katoa i tawahi o te awa, na, ko nga mea katoa e tonoa i a koutou e Etera tohunga, e te karaipi o te ture a te Atua o te rangi, kia hohoro te mea;
na hatramin'ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
Ahakoa kotahi rau taranata hiriwa, ahakoa kotahi rau mehua witi, ahakoa kotahi rau pati waina, ahakoa kotahi rau pati hinu; me te tote ano, e kore tona taimaha e tuhituhia.
Na inona na inona andidian'Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany?
Ko nga mea katoa e kiia mai ana e te Atua o te rangi, me mahi kia tino rite mo te whare o te Atua o te rangi: he aha oti kia ai ai he riri mai ki te kingitanga o te kingi ratou ko ana tama?
Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
Kia mohio ano koutou; ko nga tohunga katoa, ko nga Riwaiti, ko nga kaiwaiata, ko nga kaitiaki keti, ko nga Netinimi, ko nga kaimahi o tenei whare o te Atua, e kore e tika kia tangohia he takoha taonga, he takoha tangata, he takoha huarahi i a ra tou.
Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Na mau, e Etera, kei a koe na hoki te mohio o te Atua, mau e whakarite nga kaiwhakarite, nga kaiwhakarongo totohe, hei whakarite mo nga iwi katoa i tera taha o te awa, hei te hunga katoa e mohio ana ki nga ture a tou Atua: na, ko te hunga kahore e mohio, ma koutou e whakaako.
Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
A, ko te tangata e kore e mahi i te ture a tou Atua, i te ture ano a te kingi, kia hohoro te whakapa o te whiu ki a ia, te whakamate ranei, te pei ranei he whenua ke, me tango ranei ana taonga, me here ranei.
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
Kia whakapaingia a Ihowa, te Atua o o tatou matua, nana nei i homai te whakaaro penei ki te ngakau o te kingi, ara kia whakapaia te whare o Ihowa i Hiruharama;
sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
Nana hoki i whakaputa aroha mai ki ahau i te aroaro o te kingi ratou ko ana kaiwhakatakoto whakaaro, o nga rangatira rarahi ano a te kingi. Na kua whai kaha ahau; i runga hoki i ahau te ringa o Ihowa, o toku Atua. Na ka huihuia e ahau etahi tino tangata i roto i a Iharaira, hei hoa haere moku ki runga.