Ezekiel 32

Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
Na, i te tekau ma rua o nga tau, i te tekau ma rua o nga marama, i te tuatahi o nga ra o te marama, ka puta mai te kupu a Ihowa ki ahau; i mea,
Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.
E te tama a te tangata, kia ara tou tangi mo Parao kingi o Ihipa, mea atu hoki ki a ia, Ko tou rite kei te kuao raiona o nga iwi; otiia e rite ana koe ki te tarakona o nga moana: i kokiri mai ano koe me ou awa, pokarekare ana nga wai i ou waewae, poke ana i a koe o ratou awa.
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin'ireny amin'ny haratoko ianao,
Ko te kupu tenei a te Ariki, a Ihowa; Ka horahia e ahau taku kupenga ki runga ki a koe, he huihuinga hoki no nga iwi maha; a ka riro ake koe i a ratou i taku kupenga.
Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
Ka waiho ano koe e ahau ki runga ki te whenua, ka akiritia atu ano koe ki te mata o te parae, maku ano e mea kia nohoia koe e nga manu katoa o te rangi, kia makona ano nga kirehe o te whenua katoa i a koe.
Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.
Ka takoto ano i ahau ou kikokiko ki runga ki nga maunga, ka whakakiia ano nga awaawa ki a koe e tiketike na.
Hataoko safotry ny rĂ nao ny tany Hatramin'ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
Ka whakamakukuria ano e ahau ki ou toto te whenua e kau na koe, a tutuki noa ki nga maunga; ka ki ano hoki nga awa i a koe.
Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
A ka oti koe te tinei e ahau, ka hipokina e ahau te rangi, ka whakapouritia ano hoki nga whetu o reira; ka hipokina e ahau te ra ki te kapua, e kore ano e titi te atarau.
Eny, ireny fanazavana eny amin'ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
Na, ko nga whakamarama katoa e marama nei te rangi, ka whakapouritia e ahau ki runga ki a koe, ka hoatu ano e ahau he pouri ki runga ki tou whenua, e ai ta te Ariki, ta Ihowa.
Hataoko mitebiteby koa ny fon'ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia any amin'ny tany izay tsy fantatrao
He maha ano nga iwi e mamae o ratou ngakau i ahau, ina meinga e ahau kia tae atu tou whakangaromanga ki nga iwi, ki nga whenua kihai i mohiotia e koe.
Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin'ny fanahiany ny ainy, raha mby amin'ny andro haharavanao.
Ina, he maha nga iwi e meinga e ahau kia ketekete ki a koe, ka nui ano te wehi o o ratou kingi, ina whakaaro ki a koe, ua wherikoriko taku hoari ki to ratou aroaro; hono tonu ano to ratou wiri, ia tangata, ia tangata, i te wehi mo tona oranga an o, i te ra e hinga ai koe.
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona dia ho tonga aminao.
No te mea ko te kupu tenei a te Ariki, a Ihowa; Tera e tae atu te hoari a te kingi o Papurona ki a koe
Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin'ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan'i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
Ka meinga e ahau ou mano tini, te hunga nanakia o nga iwi, ratou katoa kia hinga i nga hoari a nga marohirohi: a ka pahuatia e ratou nga mea whakai o Ihipa, ka ngaro ano o reira mano tini katoa.
Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron'ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron'ny biby fiompy.
Ka ngaro ano i ahau o reira kararehe katoa i te taha o nga wai maha; e kore ano e pokarekare i te wae tangata a muri ake nei, e kore ano e ngarungaru i te wae kararehe.
Dia hahenako ny ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,
Ko reira ahau mea ai i o ratou wai kia purata, ka meinga ano e ahau o ratou awa kia rite ki te hinu te rere, e ai ta te Ariki, ta Ihowa.
Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Kia meinga e ahau te whenua o Ihipa hei ururua, a kore iho nga tini mea o te whenua, kia patua ano e ahau te hunga katoa e noho ana i reira, katahi ratou ka mohio ko Ihowa ahau.
Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
Ko te tangi tenei e tangihia ai ia e ratou, ka tangihia ia e nga tamahine a nga iwi: ka tangihia ia e ratou, ara a Ihipa ratou ko ona mano tini, e ai ta te Ariki, ta Ihowa.
Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
Na, i te tekau ma rua o nga tau, i te tekau ma rima o nga ra o te marama, ka puta mai te kupu a Ihowa ki ahau, i mea,
Ry zanak'olona, isaony ny vahoaka maroben'i Egypta, ary ampidino izy mbamin'ny zanakavavin'ny firenena malaza ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.
E te tama a te tangata, aue ki te mano tini o Ihipa, maka iho ratou, a ia, me nga tamahine a nga iwi nunui, ki nga wahi o raro rawa o te whenua, ratou ko te hunga e heke ana ki te rua.
Mihoatra noho ny an'iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midina, ka miampara amin'izay tsy voafora.
He ataahua rawa koe i a wai? heke iho, takoto tahi koutou ko te hunga kokotikore.
Any amin'ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.
Ka hinga ratou ki waenga i te hunga i patua ki te hoari: kua tukua atu ia ki te hoari: toia atu me ona mano tini katoa.
Izy sy ny nanampy azy no resahin'ireo malaza amin'ny lehilahy mahery any amin'ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra.
Ka korero mai nga tangata kaha o nga marohirohi ki a ia i roto i te reinga, ratou ko ona kaiawhina: kua heke ratou ki raro, kei te takoto ratou, te korikori, ara nga kokotikore, he mea patu ki te hoari.
Ao koa Asyria mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra;
Kei reira ano a Ahuru ratou ko tona hui katoa: ko ona urupa, kei tetahi taha ona, kei tetahi taha; he mea patu katoa, kua hinga i te hoari.
Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin'ny tanin'ny velona.
Ko ona urupa, he mea mahi ki nga pito rawa o te rua; ko tona ropu ano kei tetahi taha o tona urupa, kei tetahi taha; he mea patu katoa ratou, kua hinga i te hoari, te hunga i puta ai te wehi ki te whenua o te hunga ora.
Ao koa Elama mbamin'ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin'ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka.
Kei reira a Erama, ratou ko ona mano tini i tetahi taha o tona urupa, i tetahi taha; ko ratou katoa he mea patu, kua hinga i te hoari, he hunga kua heke kokotikore atu ki nga wahi o raro rawa o te whenua, he hunga i mea i to ratou wehi kia puta ki te whenua o te hunga ora; heoi kei te mau te whakama o ratou, o te hunga ano e heke ana ki te rua.
Teo amin'ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka izy; Ao amin'ny voa-trabaka no nametrahany azy.
Kua hanga te takotoranga mona ki roto ki te hunga i patua, mo ratou ano ko ona mano tini katoa: ko ona urupa kei tetahi taha ona, kei tetahi taha; he kokotikore ratou katoa, he mea patu ki te hoari: i puta hoki to ratou wehi ki te whenua o te hu nga ora, heoi kua mau te whakama o ratou, o te hunga ano e heke ana ki te rua: kua tukua atu ia ki roto ki te hunga i patua.
Ao koa Meseka-tobala mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona izy.
Kei reira a Meheke, a Tupara, ratou ko ona mano tini katoa; ko ona urupa kei tetahi taha ona kei tetahi taha, he mea kokotikore ratou katoa, he mea patu ki te hoari; i puta ano to ratou wehi i mua ki te whenua o te hunga ora.
Ary tsy hiara-miampatra amin'ny lehilahy mahery izay lavo isan'ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao amin'ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny tanin'ny velona izy.
E kore ano ratou e takoto i roto i nga marohirohi o nga kokotikore kua hinga, kua heke ki te reinga me a ratou patu ano o te whawhai: i whakatakotoria ano e ratou a ratou hoari ki raro i o ratou mahunga, a kei te mau o ratou kino ki o ratou when ua; ko te hunga hoki tena i wehi ai nga marohirohi o te whenua o te ora.
Eny, ianao dia haripaka ao amin'ny tsy voafora ka hiara-miampatra amin'ny voatrabaky ny sabatra.
Otiia ka whatiia koe i roto i te hunga kokotikore, ka takoto tahi hoki koutou ko te hunga i patua ki te hoari.
Ao koa Edoma mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin'ny tsy voafora izy sy amin'izay midina any an-davaka.
Kei reira a Eroma, ona kingi, ona rangatira katoa i tukua nei i runga i to ratou marohirohi ki roto ki te hunga i werohia e te hoari: ka takoto tahi ratou ko nga kokotikore, ratou ano ko te hunga e heke ana ki te rua.
Ao koa ireo andrianan'ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin'ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra tsy voafora ao amin'izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin'izay midina any an-davaka.
Kei reira nga ariki o te raki, ratou katoa, me nga Haironi katoa i heke nei i roto i te hunga i patua; whakama iho ratou i te wehi i tupu mai i to ratou marohirohi, a takoto kokotikore ana ratou i roto i te hunga i patua ki te hoari, me te mau t e whakama o ratou, o te hunga ano e heke ana ki te rua.
Ireny dia ho hitan'i Farao, ka dia hionona izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin'ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.
E kite a Parao i a ratou, a ka whai whakamarietanga ki ana mano tini katoa i patua ki te hoari, a Parao ratou ko tana ope katoa, e ai ta te Ariki, ta Ihowa.
Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin'ny tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin'ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.
No te mea kua tukua e ahau tona wehi ki te whenua o te hunga ora: a ka whakatakotoria ia ki roto ki te hunga kokotikore, ratou ko te hunga i patua ki te hoari, a Parao ratou ko ana mano tini, e ai ta te Ariki, ta Ihowa.