Ezekiel 31

Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
I te tekau ma tahi o nga tau, i te toru o nga marama, i te tuatahi o nga ra o te marama, ka puta mai te kupu a Ihowa ki ahau; i mea,
Ry zanak'olona, ataovy amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy amin'ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an'iza moa ianao amin'ny fahalehibiazanao ?
E te tama a te tangata, mea atu ki a Parao kingi o Ihipa, ratou ko ana mano tini; I a koe e nui na ko wai tou rite?
Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin'ny rahona matevina ny tendrony.
Nana, he hita i Repanona te Ahiriana, he pai nga manga, pururu tonu, marumaru tonu, he roa rawa, purero rawa; i roto ano tona kouru i nga manga pururu.
Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin'ny hazo rehetra any an-tsaha.
Nui tonu ia, na te wai hoki, roa tonu, he mea na te wai hohonu; i rere hoki ona awa i tetahi taha o ona mahuri, i tetahi taha; i tukua atu ano ona awa ririki ki nga rakau katoa o te parae.
Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan'ny rano tamin'ny fisandrahany.
Na reira roa rawa ia, purero rawa ki runga ake i nga rakau katoa o te parae; kua maha ano ona peka, kua roroa ona manga, he maha hoki no nga wai, i a ia e kokiri ake ana.
Teo amin'ny sampany no nanaovan'ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny firenena malaza rehetra.
I hanga o ratou ohanga e nga manu katoa o te rangi ki ona peka, i whanau ano nga kirehe katoa o te parae ki raro i ona manga, i noho ano nga iwi nunui katoa ki raro i tona taumarumarunga iho.
Ka dia tsara tarehy tamin'ny fahalehibiazany sy ny halavan'ny sampany izy; Fa tany amin'ny rano maro ny fakany.
Heoi ataahua tonu ia, i a ia i nui ra, i te roa hoki o ona manga: i te taha hoki o nga wai nui tona pakiaka.
Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
Kihai ia i ngaro i nga hita o ta te Atua kari; kihai nga kauri i rite ki ona peka, kihai ano nga rakau pereni i rite ki ona manga; kahore he rakau o te kari a te Atua hei rite mona; i a ia i ataahua tonu ra.
Nohatsaraiko tamin'ny haben'ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
I meinga ia e ahau kia ataahua tonu i te maha o ona manga: a hae ana nga rakau katoa o Erene, i te kari a te Atua, ki a ia.
Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin'ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,
Na reira ko te kupu tenei a te Ariki, a Ihowa; kua tiketike na koe, kua roa, a kokiri atu ana tona kouru ki roto ki nga manga pururu, a neke ake ana tona ngakau i a ia i tiketike ra;
Dia hatolotro eo an-tànan'ilay mahery amin'ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako azy.
Mo reira ka tukua ia e ahau ki te ringa o te mea kaha o nga tauiwi; ka nui ta tera mahi ki a ia; he kino nona i peia ai ia e ahau.
Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin'ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny lohasaha rehetra no nihahafan'ny sampany, ary notapatapahina teny amoron'ny ony rehetra amin'ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin'ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.
Na kua hatepea atu ia e nga tautangata, e nga mea nanakia o nga iwi, a kua whakarerea iho; kua taka ona rara ki runga ki nga maunga, ki nga awaawa katoa; kua whatiwhatiia ona manga ki te taha o nga awa katoa o te whenua; kua heke mai ano nga iwi katoa o te whenua i tona taumarumarutanga iho, whakarerea ake e ratou.
Mipetraka eo amin'ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin'ny sampany ny bibi-dia rehetra,
Kei runga i a ia, ina hinga, he kainga mo nga manu katoa o te rangi, a ka noho nga kirehe katoa o te parae ki ona manga;
Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron'ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin'ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin'ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin'ny tany, ho ao amin'ny zanak'olombelona, dia any amin'izay midina any an-davaka.
He mea kei neke ake, kei purero ki runga tetahi o nga rakau i te taha o nga wai, kei kokiri ake o ratou kouru ki roto ki nga manga pururu, kei tu hoki, kei teitei nga rakau katoa e inu wai ana: kua tukua katoatia hoki ki te mate, ki nga wahi o r aro rawa o te whenua, ki roto ki nga tama a te tangata, ki te hunga e heke ana ki te rua.
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.
Ko te kupu tenei a te Ariki, a Ihowa; I te ra i heke ai ia ki te rua i meinga ia e ahau kia tangihia, he whakaaro ki a ia i hipokina ai e ahau te rire, i puritia ai ona awa, a ko nga wai nunui mau rawa: a meinga ana e ahau a Repanona kia tangi k i a ia, a ko nga rakau katoa o te parae ngohe kau ki a ia.
Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman'izay midina any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin'ny tany,
Meinga ana e ahau kia rurea nga iwi e te haruru o tona hinganga, i taku makanga i a ia ki raro i te reinga, ratou tahi ko te hunga e heke ana ki te rua: ko nga rakau katoa ano hoki o Erene, ko nga mea whiriwhiri, ko nga mea papai o Repanona, ko nga mea katoa e inu ana i te wai, ka whai whakamarietanga i nga wahi o raro rawa o te whenua.
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita, ho any amin'izay voatrabaky ny sabatra, mbamin'ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony teo amin'ny firenena.
I heke tahi ano ratou me ia ki te reinga, ki te hunga kua patua ki te hoari; ae ra, me te hunga ano i waiho nei hei ringa mona, i noho nei i raro i tona taumarumarunga iho i waenganui o nga tauiwi.
Tahaka an'iza amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.
Ko wai hei rite mou, te kororia, te nui, i roto i nga rakau o Erene? heoi ka tukua ngatahitia iho koutou ko nga rakau o Erene ki nga wahi o raro rawa o te whenua: ka takoto koe i roto i te hunga kokotikore, i roto i te hunga i patua ki te hoari. Ko Parao tenei, ratou ko ana mano tini katoa, e ai ta te Ariki, ta Ihowa.