Ezekiel 26

Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny volana tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'Jehovah nanao hoe: zananivavy.
Na i te tekau ma tahi o nga tau, i te tahi o nga ra o te marama, i puta mai te kupu a Ihowa ki ahau; i mea,
Ry zanak'olona, noho ny nandatsan'i Tyro an'i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin'ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,
E te tama a te tangata, kua mea na a Taira ki Hiruharama, Ha, kua pakaru ia, te kuwaha o nga iwi; kua anga mai ia ki ahau; ka whakakiia ahau, i a ia ka ururua nei:
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
Mo reira ko te kupu tenei a te Ariki, a Ihowa; Nana, hei hoariri tenei ahau mou, e Taira, a ka meinga e ahau nga iwi maha kia eke ake ki a koe, kia pera ano me te moana e mea nei i ona ngaru kia eke ake.
Ary horavan'ireo ny mandan'i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.
A ka kore i a ratou nga taiepa o Taira, ka pakaru ano ona pourewa i a ratou; ka tahia atu ano e ahau tona puehu i runga i a ia, ka meinga ia kia rite ki te kamaka moremore.
Ho famelarana harato eo amin'ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon'ny-firenena izy.
Ka waiho ia hei horahanga kupenga i waenga moana: naku hoki te kupu, e ai ta te Ariki, ta Ihowa: ka waiho hoki ia hei pahuatanga ma nga iwi.
Ary ny zana-bohiny eny an-tanety dia hovonoina amin'ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Na, ko ana tamahine i te mara, ka tukitukia e te hoari; a ka mohio ratou ko Ihowa ahau.
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, andrianan'ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
No te mea ko te kupu tenei a te Ariki, a Ihowa; Tenei te kawea atu nei e ahau i te raki ki Taira a Nepukareha kingi o Papurona, kingi o nga kingi, me nga hoiho, me nga hariata, me nga kaieke hoiho, me te huihui, me te iwi nui.
Ny zana-bohitrao any an-tanety dia hovonoiny amin'ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.
Ka patua e ia ki te hoari au tamahine i te mara: ka hanga ano e ia he taumaihi hei tatau ki a koe, ka haupuria ake ano he pukepuke hei tatau ki a koe, ka ara ano i a ia te puapua ki a koe.
Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny mandanao izy, sady horavany amin'ny fiadiany ny tilikambonao.
Ka whakaturia ano e ia nga mea whawhai ki ou taiepa, ka wahia ano e ia ou pourewa ki ana titaha.
Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan'ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin'ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin'ny tanàna izay voabanga izy.
I te tini o ana hoiho, ka taupokina koe e to ratou puehu; ka ngarue ou taiepa i te haruru o nga kaieke hoiho, o nga kata, o nga hariata, ina tomokia e ia ou kuwaha, ina pera ia me te hunga e tomo ana ki roto ki te pa kua pakaru.
Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin'ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin'ny tany.
Ka takatakahia ou ara katoa e nga paua o ana hoiho; ka tukitukia e ia tou iwi ki te hoari, ka riro iho ano nga pou o tou kaha ki te whenua.
Hobaboiny ny hirenao, horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra; ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin'ny rano.
Ka pahuatia e ratou ou taonga, a hei taonga parakete au mea hokohoko: ka wahia iho ou taiepa, ka pakaru ou whare e matenuitia ana e koe: ka maka ano e ratou ou kohatu, ou rakau, me tou puehu, ki te wai.
Ary hatsahatro ny feon'ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon'ny lokanganao.
Ka mutu ano i ahau te ngahau o au waiata, e kore ano te tangi o au hapa e rangona a muri ake nei.
Dia hataoko toy ny vatolampy mangadihady ianao ka ho famelarana harato sady tsy haorina intsony; fa Izaho Jehovah no niteny, hoy Jehovah Tompo.
A ka meinga koe e ahau kia rite ki te kamaka moremore: ka waiho koe hei horahanga kupenga; e kore koe e hanga a muri ake nei: naku hoki, na Ihowa te kupu, e ai ta te Ariki, ta Ihowa.
Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao?
Ko te kupu tenei a te Ariki, a Ihowa ki a Taira, E kore ianei nga motu e wiri i te haruru o tou hinganga, ina aue te tangata i werohia, ina hinga te parekura i roto i a koe?
Dia hidina hiala amin'ny seza fiandrianany ireo andrianan'ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin'ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.
Ko reira hoki nga rangatira katoa o te moana heke iho ai i runga i o ratou torona; ko o ratou koroka whakarere rawa, ko o ratou kakahu whakairo unu rawa: ko te kakahu mo ratou ko te wiri; ka noho ki te whenua, hono tonu te wiri, ketekete tonu ki a koe.
Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan'ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin'ny ranomasina, dia izy mbamin'ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!
A ka maranga ta ratou tangi mou, ka mea ratou ki a koe, Taukiri e, kua ngaro koe, e te pa o te hunga rere moana: e te pa ingoa nui i kaha nei i runga i te moana, a ia me ona tangata ano, e mea nei i to ratou wehi kia pa ki nga tangata katoa e ta kataka ana i reira!
Ankehitriny dia raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin'ny andro hianjeranao; Eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao.
Akuanei nga motu wiri ai i te ra e hinga ai koe; ina, ka ohorere nga motu o te moana i a koe ka riro.
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha hataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna haolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano lalina, ka hosaronan'ny rano be ianao,
No te mea ko te kupu tenei a te Ariki, a Ihowa; I te wa e meinga ai koe e ahau hei pa kua ururuatia, kia rite ki nga pa kahore e nohoia; i te wa e kawea atu ai e ahau te rire ki runga ki a koe, a ka taupokina koe e nga wai nunui;
Dia hampidiniko hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin'ny razana, ka hamponeniko any ambanin'ny tany ianao, dia any amin'ny fonenana efa lao hatramin'ny ela, hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo amin'ny velona;
Ko reira whakahokia iho ai koe e ahau ki raro, koutou ko te hunga e heke ana ki te rua, ki nga tangata onamata, a ka meinga koe kia noho ki nga wahi o raro o te whenua, ki nga wahi mokemoke onamata, i roto i te hunga e heke ana ki te poka, kore iho koe e nohoia; a ka hoatu e ahau he kororia ki te whenua o te hunga ora;
Dia hataoko fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo.
Ka meinga koe e ahau hei wehi, a moti iho koe: ka rapua ano koe, a kore noa iho e kitea a ake ake, e ai ta te Ariki, ta Ihowa.