Exodus 40

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
A i korero a Ihowa ki a Mohi, i mea,
Amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
Hei te ra tuatahi o te marama tuatahi koe whakaara ai i te tapenakara o te teneti o te whakaminenga.
Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
A me hoatu ki roto te aaka o te whakaaturanga, ka hipoki ai i te aaka ki te arai.
Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
Me kawe ano te tepu ki roto, ka ata whakatakoto ai i nga mea e whakatakotoria ana ki runga; me kawe ano e koe te turanga rama ki roto, ka tahu ai i ona rama.
Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.
Me whakatu ano e koe te aata koura mo te whakakakara ki mua o te aaka o te whakaaturanga, ka whakairi ai i te pa o te whatitoka ki te tapenakara.
Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
Me whakatu ano e koe te aata mo te tahunga tinana ki mua o te whatitoka o te tapenakara o te teneti o te whakaminenga.
Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
Me whakatu ano te takotoranga wai ki te takiwa o te aata, o te teneti o te whakaminenga, ka riringi wai ai ki roto.
Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja.
Me whakatu ano te marae a tawhio noa, ka whakairi ai i te pa ki te kuwaha o te marae.
Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy.
Na ka tango i te hinu whakawahi, ka whakawahi ai i te tapenakara me nga mea katoa i roto, ka whakatapu ai i taua mea, i ona mea katoa: a ka tapu.
Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.
Me whakawahi ano te aata mo te tahunga tinana me ona oko katoa, me whakatapu ano te aata: a ka meinga hei aata tino tapu.
Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
Me whakawahi ano te takotoranga wai me tona turanga, me whakatapu.
Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.
Me kawe ano e koe a Arona ratou ko ana tama ki te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga, ka horoi ai i a ratou ki te wai,
Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
Ka whakakakahu ai i nga kakahu tapu ki a Arona, ka whakawahi ai i a ia, ka whakatapu ai i a ia: a ka waiho ia hei tohunga maku.
Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
Na, me kawe mai ana tama, me whakakakahu nga koti ki a ratou:
Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.
Me whakawahi, kia rite ki tau whakawahinga i to ratou papa, a ka meinga ratou hei tohunga maku: a ka ai to ratou whakawahinga hei whakatohunga i a ratou mo ake tonu atu, puta noa i o ratou whakatupuranga.
Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
I pera ano a Mohi: rite tonu tana i mea ai ki nga mea katoa i whakahaua e Ihowa ki a ia.
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
Na, i te marama tuatahi o te rua o nga tau, i te ra tuatahi o te marama ka whakaarahi te tapenakara.
Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
I whakaarahia hoki e Mohi te tapenakara, i whakatakotoria ona turanga, i whakaarahia ona papa, i kuhua ona kaho, a whakaarahia ana ona pou.
Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
I hipokina ano e ia te teneti ki runga i te tapenakara, a maka iho ana te hipoki o te teneti ki runga ake, ko ta Ihowa hoki i whakahau ai ki a Mohi.
Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.
Na ka mau ia ki te whakaaturanga, a hoatu ana ki roto ki te aaka, a kuhua ana nga amo ki te taha o te aaka, na ka maka iho te taupoki ki runga ki te aaka:
Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Na ka maua e ia te aaka ki roto ki te tapenakara, a whakairihia ake ana te arai hipoki, hei hipoki mo te aaka o te whakaaturanga; ko ta Ihowa hoki i whakahau ai ki a Mohi.
Ary ny latabatra dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny lafin'ny tabernakely avaratra, teo ivelan'ny efitra lamba.
I whakaturia ano e ia te tepu ki te teneti o te whakaminenga, ki te taha whaka te raki o te tapenakara, ki waho mai o te arai.
Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
I whakararangitia hoki te taro ki runga, ki te aroaro o Ihowa; ko ta Ihowa hoki i whakahau ai ki a Mohi.
Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo.
I whakaturia ano e ia te turanga rama ki te teneti o te whakaminenga, ki te ritenga atu o te tepu, ki te taha whaka te tonga o te tapenakara.
Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
A tahuna ana e ia nga rama ki te aroaro o Ihowa; ko ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba;
I whakaturia hoki e ia te aata koura ki te teneti o te whakaminenga ki mua mai o te arai:
ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
A tahuna ana e ia te whakakakara reka ki runga; ko ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely;
I whakairihia ano te pa mo te whatitoka o te tapenakara.
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
A i whakaturia e ia te aata mo te tahunga tinana ki te whatitoka o te tapenakara o te teneti o te whakaminenga, a whakaekea ana ki runga te tahunga tinana me te whakahere totokore; ko ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
A i whakaturia e ia te takotoranga wai ki te takiwa o te aata, o te teneti o te whakaminenga, a ringihia ana he wai ki roto hei horoi.
Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
A i horoia e Mohi, e Arona hoki ratou ko ana tama, o ratou ringa me o ratou waewae ki reira:
Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
I to ratou haerenga ki roto ki te teneti o te whakaminenga, i te mea ranei ka whakatata ki te aata, ka horoi ratou; ko ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
Ary natsangany koa ny kianja manodidi­na ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vava­hady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.
I whakaturia ano te marae o te tapenakara, o te aata a tawhio noa, a whakairihia ana te pa o te kuwaha o te marae. Na ka oti te mahi i a Mohi.
Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
Katahi ka taupokina iho te teneti o te whakaminenga e te kapua, a ka ki te tapenakara i te kororia o Ihowa.
Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaona­na, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
A kihai i taea e Mohi te tomo ki te teneti o te whakaminenga no te mea e taungia iho ana e te kapua, e ki ana hoki te tapenakara i te kororia o Ihowa.
Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;
A, ka riro ake te kapua i te tapenakara, ka haere nga tama a Iharaira i o ratou haerenga katoa:
fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany.
Ki te mea ia kihai i riro te kapua, kihai i haere, a taea noatia te ra i riro ake ai.
Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.
I runga hoki i te tapenakara te kapua o Ihowa i te awatea, a he ahi kei runga i te po, i te tirohanga a te whare katoa o Iharaira, i o ratou haerenga katoa.