Exodus 39

Ary tamin'ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ary nanao ny fitafiana masina ho an'i Arona izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
I hanga ano hoki e ratou te puru, te papura, me te ngangana, hei kakahu minita mo te minitatanga i te wahi tapu, i hanga ano nga kakahu tapu mo Arona; ko ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
Ary nanao ny efoda tamin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy.
I hanga ano e ia te epora ki te koura, ki te puru, ki te papura, ki te ngangana, ki te rinena miro pai.
Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin'ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan'ny mpanenona mahay.
I patua ano hoki te koura hei paraharaha, a ripiripia ana hei mangemange, a mahia ana ki roto ki te puru, ki te papura, ki te ngangana, ki te rinena pai, he tohunga rawa te mahi.
Ary nataony nisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambanana azy.
I hanga ano nga pokohiwi o te epora hei hononga: he mea hono ki nga taha e rua.
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Me te whitiki whakairo e mau ana ki tona epora, kotahi ano te mea i hanga ai raua, me te hanganga ano; he koura, he puru, he papura, he ngangana, he rinena miro pai; ko ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
Ary ny vato beryla nasiany randram-bola­mena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely.
I mahia ano nga kohatu onika, he mea whakanoho ki te nohoanga koura, tuhituhi rawa ki nga ingoa o nga tama a Iharaira, he tuhi hiri te tuhi.
Ary nataony teo amin'ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
A whakanohoia iho e ia ki nga pokohiwi o te epora hei kohatu whakamahara mo nga tama a Iharaira; hei pera me ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
He tohunga rawa te mahi i hanga ai e ia te kouma, he pera ano me te mahinga o te epora; he koura, he puru, he papura, he ngangana, he rinena miro pai.
Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
He tapawha, he rererua te kouma i hanga e ratou: kotahi whanganga a te ringa te roa, kotahi hoki whanganga te whanui, he mea rererua.
Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra andalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
E wha hoki nga rarangi kohatu i whakanohoia e ratou ki taua mea: ko te rarangi tuatahi, he harariu, he topaha, he kapakara: ko te rarangi tuatahi tenei.
ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
Ko te rarangi tuarua, he emerara, he hapaira, he taimona.
ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
Ko te rarangi tuatoru, he rikuri, he akete, he ametihita.
ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
Ko te rarangi tuawha, he perira, he onika, he hahapa; he mea whakapiri ki te nohoanga koura i nga wahi i mau ai.
Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase ho an'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
A rite tonu nga kohatu ki nga ingoa o nga tama a Iharaira kotahi tekau ma rua, rite tonu ki o ratou ingoa, i rite te tuhi ki to te hiri, tenei tangata me tona ingoa, tenei tangata me tona ingoa; rite tonu ki nga iwi kotahi tekau ma rua.
Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin'ny saron-tratra izy.
I hanga ano e ratou ki te koura parakore nga mekameka, he mea whiri, mo te kouma, mo nga pito.
Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
I hanga ano etahi nohoanga koura e rua, me etahi mowhiti koura e rua; a whakanohoia iho etahi mowhiti e rua ki nga pito e rua o te kouma.
Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin'ny vava vola roa izay amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra.
I whakanohoia ano nga mekameka koura e rua, nga mea whiri, ki nga mowhiti e rua i nga pito o te kouma.
Ary ny lanin'ny tady roa dia nataony teo amin'ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
I whakaukia ano nga pito e rua o nga mekameka whiri e rua ki nga nohoanga e rua, a whakanohoia ana ki nga pokohiwi e rua o te epora, ki te taha ki mua.
Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.
I hanga ano nga mowhiti koura e rua, a whakanohoia ana ki nga pito e rua o te kouma, ki tona remu, ki te taha ki roto whaka te epora.
Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
I hanga ano etahi atu mowhiti koura e rua, a whakanohoia ana ki nga pokohiwi e rua o te epora, ki te taha ki raro, ki te taha ki mua, ki te ritenga o tona hononga ake, ki runga ake o te whitiki whakapaipai o te epora.
Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
A herea iho e ratou te kouma, ona mowhiti ki nga mowhiti o te epora, ki te miro puru, kia mau ai ki runga ake o te whitiki whakapaipai o te epora, kei takoto ke te kouma i te epora; ko ta Ihowa hoki i whakahau ai ki a Mohi.
Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan'ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.
I hanga ano e ia te koroka o te epora, he mea whatu, he puru katoa.
Ary ny vozon'ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
Ko te kohao i waenganui o te koroka, he pera me te kohao o te pukupuku, me te whiri ano i te kohao a huri noa, kei pakaru.
Ary teo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;
I hanga ano etahi pamekaranete mo te remu o te koroka ki te puru, ki te papura, ki te ngangana, ki te rihena miro.
ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra):
I hanga ano e ratou etahi pere ki te koura parakore, a whakanohoia ana nga pere ki te takiwa o nga pamekaranete, ki te remu o te koroka a huri roa, ki te takiwa o nga pamekaranete;
dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
He pere he pamekaranete, he pere he pamekaranete, ki te remu o te koroka a huri noa, hei mea minita; ko ta Ihowa hoki i whakahau ai ki a Mohi.
Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy ny zanany.
I hanga ano etahi koti ki te rinena pai, ki te mea whatu, mo Arona ratou ko ana tama;
Ary ny hamama dia na­taony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
Me te potae tohunga ki te rinena pai, me etahi potae pai ki te rinena pai me nga tarautete rinema ki te rinena miro pai.
Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Me te whitiki ki te rinena miro pai, ki te puru, ki te papura, ki te ngangana, ki nga mea i hanga ki te ngira; ko ta Ihowa hoki i whakahau ai ki a Mohi.
Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
I hanga ano te paraharaha o te karauna tapu ki te koura parakore, a ko te tuhi i tuhia, he tuhi hiri, HE TAPU KI A IHOWA.
Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin'ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Na ko tetahi miro puru, kia mau ai ki te potae tohunga, ki te taha ki runga; ko ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
Ary vita ny asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Na ka oti katoa te mahi o te tapenakara o te teneti o te whakaminenga: rite tonu ta nga tama a Iharaira i mea ai ki nga mea katoa i whakahaua e Ihowa ki a Mohi; i pera ano ratou.
Dia nentiny teo amin'i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
Na ka kawea e ratou te tapenakara ki a Miho, te teneti me ona mea katoa, ona toromoka, ona papa, ona kaho, ona pou, me ona turanga pou,
ary ny firakotra hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,
Me te uhi iho, nga hiako hipi kua oti te whakawhero, me tetahi uhi, ara nga hiako pateri, me te arai hipoki,
ary ny fiaran'ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
Me te aaka o te whakaaturanga, me ona amo, me te taupoki,
ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
Te tepu me ona oko katoa, me te taro aroaro,
ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
Te turanga rama parakore me ona rama, nga rama rarangi, me ona oko katoa, me te hinu mo te whakamarama,
ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny trano-lay,
Te aata koura, te hinu whakawahi, te whakakakara reka, te pa mo te whatitoka o te tapenakara,
ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
Te aata parahi, me tona pae kupenga parahi, ona amo me ona oko katoa, te takotoranga wai me tona turanga,
ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana,
Nga pa o te marae, ona pou, me ona turanga pou, me te pa mo te kuwaha o te marae, ona aho, me ona titi, me nga oko katoa mo nga mahi o te tapenakara, mo te teneti o te whakaminenga,
ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny manao fisoronana.
Nga kakahu minita mo nga minitatanga ki te wahi tapu, me nga kakahu tapu mo Arona tohunga, me nga kakahu mo ana tama, ina minita.
Araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy, dia toy izany no nanaovan'ny Zanak'Isiraely ny asa rehetra.
Rite tonu ki nga mea katoa i whakahaua e Ihowa ki a Mohi ta nga tama a Iharaira mahinga i nga mahi katoa.
Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
Na ka tirohia iho e Mohi te mahi katoa, na, rite tonu ta ratou mahi ki ta Ihowa i whakahau ai, i pera ano ratou: a manaakitia ana ratou e Mohi.