Exodus 20

Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
Na ka korerotia e te Atua enei kupu katoa, ka mea,
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
Ko Ihowa ahau, ko tou Atua, naku koe i whakaputa mai i te whenua o Ihipa, i te whare pononga.
Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
Aua etahi atua ke atu mou ki mua i ahau.
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
Kei hanga koe i te whakapakoko mou, i tetahi ritenga ranei o nga mea o te rangi i runga, o te whenua ranei i raro, o te wai ranei i raro i te whenua:
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
Kei koropiko koe ki ena mea, kei mahi ranei ki ena mea; ko Ihowa hoki ahau, ko tou Atua, he Atua hae, e mea ana i nga hara o nga matua kia tau iho ki nga tamariki a te toru, te wha ra ano o nga whakatupuranga o te hunga e kino ana ki ahau;
nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
E whakaputa aroha ana hoki ki nga mano, ki te hunga e aroha ana ki ahau, e whakarite ana i aku ture.
Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
Kei whakahuatia noatia e koe te ingoa o Ihowa, o tou Atua; e kore hoki a Ihowa e mea, he harakore te tangata e whakahua noa ana i tona ingoa.
Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy.
Kia mahara ki te ra hapati, kia whakatapua.
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
E ono nga ra e mahi ai koe, e mea ai hoki i au mea katoa;
Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
Tena ko te ra whitu, he hapati no Ihowa, no tou Atua: kaua e mahia tetahi mahi i reira e koe, e tau tama, e tau tamahine, e tau pononga tane, e tau pononga wahine, e au kararehe hoki, me tou tangata ke i roto i ou tatau;
Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
E ono hoki nga ra i hanga ai e Ihowa te rangi, me te whenua, te moana, me nga mea katoa i roto, a okioki ana i te ra whitu: na reira i whakapaingia ai te ra hapati e Ihowa, a whakatapua ana.
Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Whakahonoretia tou papa me tou whaea; kia roa ai ou ra ki te whenua e homai nei e Ihowa, e tou Atua, ki a koe.
Aza mamono olona.
Kaua e patu.
Aza mijangajanga.
Kaua e puremu.
Aza mangalatra.
Kaua e tahae.
Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
Kaua e whakapae teka ki tou hoa.
Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
Kaua e hiahia ki te whare o tou hoa, kaua e hiahia ki te wahine a tou hoa, ki tana pononga tane ranei, ki tana pononga wahine ranei, ki tana kau ranei, ki tana kaihe ranei, ki tetahi mea ranei a tou hoa.
Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.
A i kite te iwi katoa i nga whatitiri, i nga uira, i te tangi o te tetere, i te maunga hoki e paowa ana: a, i te kitenga o te iwi, ka wiri ratou, a tu rawa i tawhiti.
Dia hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.
A ka mea ratou ki a Mohi, Mau e korero mai ki a matou, a ka whakarongo atu matou; engari kaua te Atua e korero ki a matou, kei mate matou.
Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.
Na ka mea a Mohi ki te iwi, Kaua e wehi: he whakamatau hoki i a koutou i haere mai ai te Atua, kia mau ai hoki tona wehi i o koutou kanohi, kei hara koutou.
Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra.
A tu ana te iwi i tawhiti; ko Mohi ia, i whakatata ki te pouri kerekere i noho ai te Atua.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.
A ka mea a Ihowa ki a Mohi, Kia penei tau kupu ki nga tama a Iharaira, Ka kite koutou kua korero ahau i te rangi ki a koutou.
Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
Kei hanga koutou he atua ke atu ki toku taha; kei hanga koutou he atua hiriwa, he atua koura ranei, mo koutou.
Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
Hanga he aata oneone maku, ki runga patu ai koe i au tahunga tinana, i au whakahere mo te pai, i au hipi, i au kau: i nga wahi katoa e whakamaharatia ai e ahau toku ingoa ka haere atu ahau ki a koe, ka manaaki i a koe.
Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.
A ki te hanga koe i te aata kohatu maku, kei hanga e koe ki te kohatu hahau; ki te hapai hoki koe i tau toki ki taua mea, kua whakanoatia e koe.
Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.
Kaua ano e piki na te arawhata ki toku aata, kei kitea koe i reira e tu tahanga ana.