Exodus 19

TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay.
No te toru o nga marama o te haerenga mai o nga tama a Iharaira i te whenua o Ihipa, no taua rangi ano, ka tae ratou ki te koraha o Hinai.
Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin'ny efitr'i Sinay, dia nitoby teo amin'ny efitra; dia tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'ny Isiraely teo.
A, i to ratou haerenga atu i Repirimi, ka tae ki te koraha o Hinai, ka noho iho ratou i te koraha; a noho ana a Iharaira ki reira, ki te ritenga atu o te maunga.
Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely:
Na ka piki a Mohi ki te Atua, a ka karanga a Ihowa ki a ia i te maunga, ka mea, Kia penei tau korero ki te whare o Hakopa, tau kauwhau hoki ki nga tama a Iharaira;
Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
Kua kite koutou i nga mea i mea ai ahau ki nga Ihipiana, i taku whakawahanga hoki i a koutou i runga i nga parirau ekara, me te kawenga mai i a koutou ki ahau.
Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Heoi ki te ata whakarongo koutou ki toku reo, ki te pupuri hoki i taku kawenata, ka waiho koutou hei taonga moku, motu ke i nga iwi katoa: i ahau hoki te whenua katoa:
Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
A ka waiho koutou e ahau hei kingi, hei tohunga, hei iwi tapu hoki. Ko nga kupu enei e korero ai koe ki nga tama a Iharaira.
Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy.
Na ka haere iho a Mohi, ka karanga ia ki nga kaumatua o te iwi, a hoatu ana e ia ki to ratou aroaro enei kupu katoa i akona nei e Ihowa ki a ia.
Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.
Na ka pa katoa te iwi ki te whakahoki, ka mea, Ka mahia e matou nga mea katoa i korerotia mai na e Ihowa. A kawea ana e Mohi nga kupu a te iwi ki a Ihowa.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona.
Na ka mea a Ihowa ki a Mohi, Nana, ka haere atu ahau ki a koe i roto i tetahi kapua matotoru, kia rongo ai te iwi, ua korero ahau ki a koe, kia whakapono ai hoki ratou ki a koe a mua tonu atu. A korerotia ana e Mohi nga kupu a te iwi ki a Ihowa.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
Na ka mea a Ihowa ki a Mohi, Haere ki te iwi, ka whakatapu hoki i a ratou akuanei, apopo hoki, kia horoi hoki ratou i o ratou kakahu,
ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay.
Kia takatu hoki mo te ra tuatoru; ta te mea hei te ra tuatoru a Ihowa haere iho ai ki te aroaro o te iwi katoa, ki runga ki Maunga Hinai.
Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
A whakatakotoria e koe he rohe mo te iwi, tawhio noa, tawhio noa, ka mea atu, Kia mohio koutou kei piki ki te maunga, kei pa ranei ki tona taha: ko nga tangata katoa e pa ana ki te maunga, ina, me whakamate.
tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy.
Kaua te ringa e pa ki a ia, engari me aki ki te kohatu, me wero ranei ki te tao; ahakoa kararehe, ahakoa tangata, e kore e ora: ka kukume roa te tangi o te tetere, ka haere mai ai ratou ki te maunga.
Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
Na ka haere iho a Mohi i te maunga ki te iwi, ka whakatapu ia i te iwi, a horoia ana e ratou o ratou kakahu.
Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
A i mea ia ki te iwi, Kia takatu koutou i te toru o nga ra: kaua e whakatata atu ki te wahine.
Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
A ka taka ki te toru o nga ra, i te ata, na, ka puta mai nga whatitiri, me nga uira, me te kapua matotoru i runga i te maunga, me te tangi o te tetere, tona nui na! a wiri katoa ana te hunga i te puni.
Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy.
Na ka arahina atu te iwi e Mohi i te puni ki te whakatau i te Atua; a tu ana ratou ki raro i te maunga.
Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
A he paowa kau Maunga Hinai, no te mea kua heke iho a Ihowa ki runga, i roto i te ahi; a kake ana tona paowa, ano he paowa oumu, a wiri pu te maunga katoa.
Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
A i te mea ka nui haere rawa te tangi o te tetere, ka korero atu a Mohi, a ka korero a reo tangata mai te Atua ki a ia.
Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an'i Mosesy hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.
Na ka heke iho a Ihowa ki Maunga Hinai, ki te tihi o te maunga: a karangatia iho ana a Mohi e Ihowa ki te tihi o te maunga; a piki atu ana a Mohi.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
Na ka mea a Ihowa ki a Mohi, Heke atu, kauwhautia te iwi ra, kei wahi ake ratou ki a Ihowa ki te matakitaki, a he tokomaha o ratou e hinga.
Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
Ko nga tohunga hoki e whakatata ana ki a Ihowa, kia tapu ratou, kei auta atu a Ihowa ki a ratou.
Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.
A ka mea a Mohi ki a Ihowa, E kore e ahei i te iwi te piki ake ki Maunga Hinai; nau hoki i kauwhau iho ki a matou, i mea, Taiepatia te maunga, whakatapua hoki.
Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i Jehovah, fandrao haringana izy.
Na ka mea a Ihowa ki a ia, Haere, heke atu; ka piki mai ano koe, korua ko Arona: ko nga tohunga ia, me te iwi, kei wahi mai ratou, kei piki ki a Ihowa; kei auta atu ia ki a ratou.
Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy.
A heke atu ana a Mohi ki te iwi, korero ana ki a ratou.