Exodus 12

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
A i korero a Ihowa ki a Mohi raua ko Arona i te whenua o Ihipa, i mea,
Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
Ko tenei marama hei marama timatanga ki a koutou: hei timatanga tenei mo nga marama o to koutou tau.
Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano;
Korero ki te huihuinga katoa o Iharaira, mea atu, Hei te tekau o nga ra o tenei marama, me tango he reme ma ratou e tenei, e tenei, kia rite ki nga whare o nga matua, he whare, he reme:
ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry.
A, ki te tokoouou te whare mo te reme, ma raua ko tona hoa noho tata ki tona whare e tango, kia rite ki te tokomaha o nga tangata; whakaritea te tokomaha o nga tangata mo te reme ki te kai a tenei, a tenei.
Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy;
Kei whai koha ta koutou reme, hei te toa, hei te tautahi; tangohia mai i nga hipi, i nga koati ranei:
ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
A me tiaki e koutou taea noatia te tekau ma wha o nga ra o tenei marama: a ma te huihui katoa o to Iharaira whakaminenga e patu i te ahiahi.
Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy.
A me tango e ratou tetahi wahi o nga toto, ka ta atu ai ki nga pou e rua, ki te korupe hoki o te tatau o nga whare e kainga ai tena mea e ratou.
Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy.
A me kai te kikokiko i taua po ano, he mea tunu ki te ahi, he taro rewenakore hoki; he puwha kawa hoki ta ratou e kinaki ai ki taua mea.
Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
Kaua tetahi wahi e kainga matatia, he mea kohua ranei ki te wai, engari kia tunua ki te ahi; ko tona pane, ko ona waewae, me ona whekau.
Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.
Kaua hoki e whakatoea tetahi wahi ona ki te ata; a, ko te wahi ona e toe ki te ata, tahuna ki te ahi.
Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.
A me penei ta koutou kai i taua mea; kia whitikiria o koutou hope, hei o koutou waewae o koutou hu, ko a koutou tokotoko hoki ki o koutou ringaringa; kia hohoro hoki te kai: ko te kapenga hoki a Ihowa tena.
Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
Ta te mea ka tika ahau ra waenganui o te whenua o Ihipa i taua po, ka patu hoki i nga matamua katoa i te whenua o Ihipa, i te tangata a tae iho ana ki te kararehe; a ka puta aku whakawa ki nga atua katoa o Ihipa: ko Ihowa ahau.
Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
A hei tohu mo koutou te toto i nga whare e noho ai koutou; a, ka kite ahau i te toto, ka kape ahau i a koutou, e kore ano hoki te whiu e pa ki a koutou hei whakamate, ina patu ahau i te whenua o Ihipa.
Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
A, hei whakamaharatanga mo koutou tenei ra; hei konei koutou tuku ai i te hakari ki a Ihowa, tuku iho ki o koutou whakatupuranga; ko te ture tenei ake nei, ake nei, kia hakaritia e koutou tenei ra.
Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo ny masirasira amin'ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely.
E whitu nga ra e kai ai koutou i te taro rewenakore; hei te ra tuatahi ano ka whakakorea ai te rewena o o koutou whare; ta te mea ki te kai tetahi i te taro rewena i te ra tuatahi, a taea noatia te whitu o nga ra, ka hatepea atu taua wairua i ro to i a Iharaira.
Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
Hei te ra tuatahi hoki he huihuinga tapu, hei te ra tuawhitu hoki he huihuinga tapu mo koutou; kaua tetahi mahi e mahia i aua ra; heoi ano ko te kai ma tenei, ma tenei, ta koutou e raweke ai.
Ary hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
Kia mau hoki ki te hakari o te taro rewenakore; no te mea, no tenei rangi pu ano i whakaputaina ai e ahau o koutou ropu i te whenua o Ihipa: mo konei, kia mau ki tenei ra, i o koutou whakatupuranga; hei tikanga tenei ake ake.
Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby roa-polo amin'ny volana.
Hei te marama tuatahi, hei te kotahi tekau ma wha o nga ra, i te ahiahi, ka kai koutou i te taro rewenakore, a tae noa ki te rua tekau ma tahi o nga ra o te marama, i te ahiahi.
Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonan'ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
Kaua he rewena e kitea ki o koutou whare i nga ra e whitu; ta te mea ki te kai tetahi i te mea kua rewenatia, ina, ka hatepea atu taua wairua i roto i te huihui o Iharaira, ahakoa tangata ke, ahakoa tangata whenua ranei.
Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin'izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
Kaua e kainga tetahi mea kua rewenatia; hei te taro rewenakore he kai ma koutou i o koutou nohoanga katoa.
Dia nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
Na ka karanga a Mohi ki nga kaumatua katoa o Iharaira, ka mea ki a ratou, Tikina, tangohia mai ma koutou he reme, kia rite ki o koutou whanau, patua hoki te kapenga.
Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain'ny andro.
A tangohia he paihere hihopa, ka tuku ki te toto i te peihana, na ka tata atu i te korupe me nga pou e rua ki te toto i te peihana; kaua hoki tetahi o koutou e puta ki waho o te kuwaha o tona whare, a taea noatia te ata.
Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
He mea hoki, ka haere atu a Ihowa ki te patu i nga Ihipiana; a, ka kite ia i te toto i te korupe, i nga pou e rua hoki, ka kapea e Ihowa te kuwaha, e kore hoki e tukua e ia te kaiwhakamate kia haere ki roto ki o koutou whare patu ai.
Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an'ny taranakareo mandrakizay.
Kia mau hoki ki tenei mea, hei ture mou, mo au tamariki, ake ake.
Ary rehefa tonga any amin'ny tany izay homen'i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.
A, tenei ake, a te wa e tae ai koutou ki te whenua e homai e Ihowa ki a koutou, ki tana i korero ai, na kia mau ki tenei mahi.
Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao?
A, tenei ake, ki te mea a koutou tamariki ki a koutou, He aha tenei e mahia nei e koutou?
dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
Na ka mea atu, Ko te patunga ra i ta Ihowa kapenga, nana ra i kape nga whare o nga tama a Iharaira i Ihipa, i a ia i patu ai i nga Ihipiana, a whakaorangia ake o matou whare. Na tuohu ana te iwi, koropiko ana.
Ary dia nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.
Na ka haere nga tama a Iharaira, a mea ana i ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi raua ko Arona, pera ana ratou.
Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Nawai a, ka waenganui po, na, patu ana e Ihowa nga matamua katoa i te whenua o Ihipa, te matamua a Parao e noho ana i runga i tona torona, a tae iho ana ki te matamua a te herehere i roto i te whare herehere; me nga matamua katoa a te kararehe.
Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
Na ka maranga ake a Parao i te po, ratou ko ana tangata katoa, ko nga Ihipiana katoa; na, he nui te tangi i Ihipa; kahore hoki he whare i kore te tupapaku.
Dia nampaka an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin'ny vahoakako ianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i Jehovah araka ny nolazainareo.
Na ka karanga ia ki a Mohi raua ko Arona i te po, a ka mea, Whakatika, haere atu i roto i toku iwi, koutou ko nga tama a Iharaira; haere ki te mahi ki a Ihowa, ki te pera me ta koutou i ki ai.
Ary ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
Tangohia hoki a koutou hipi, a koutou kau hoki, a koutou i ki ai, a haere atu; me manaaki ano hoki i ahau.
Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
A akiaki ana nga Ihipiana ki te iwi, kia tonoa wawetia atu ai ratou i te whenua; i mea hoki ratou, Ka mate katoa tatou.
Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.
A maua atu ana e te iwi ta ratou paraoa pokepoke, i te mea kahore ano i rewenatia noatia, he mea takai a ratou pokepokenga paraoa ki o ratou kakahu, na kei o ratou pokohiwi.
Ary ny Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana.
Na ka pera nga tama a Iharaira me ta Mohi i ki ai; na, kei te tono mea hiriwa, mea koura, kakahu, i nga Ihipiana:
Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
A na Ihowa i mea kia paingia te iwi e nga Ihipiana, a homai ana e ratou: a pahuatia ana e ratou nga Ihipiana.
Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
Na ka turia mai e nga tama a Iharaira i Ramehehe ki Hukota, tata tonu nga tane ki nga mano e ono rau, he mea haere i raro, haunga nga tamariki.
Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman'osy sy omby, dia fananana be indrindra.
He nui te whakauru i haere i a ratou; me te hipi, me te kau, he tini ke te kararehe.
Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
A tunua iho e ratou etahi taro rewenakore i te paraoa pokepoke i maua atu e ratou i Ihipa, kahore hoki i rewenatia; no te mea hoki i peia ratou i Ihipa, kihai hoki i ahei te noho iho, kihai hoki ratou i taka i te o mo ratou.
Ary ny andro nitoeran'ny Zanak'Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
Na, ko te nohoanga o nga tama a Iharaira, i noho ra ki Ihipa, e wha rau e toru tekau nga tau.
Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.
A i te mutunga o nga tau e wha rau e toru tekau, i taua ra pu ano, na, ka puta nga mano katoa o Ihowa i te whenua o Ihipa.
Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.
Ka maharatia taua po nei, hei mea ki a Ihowa, mo to ratou whakaputanga i te whenua o Ihipa: ko taua po tenei o Ihowa hei maharatanga ma nga tama katoa a Iharaira, i o ratou whakatupuranga.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
I mea ano a Ihowa ki a Mohi raua ko Arona, Ko te tikanga tenei mo te kapenga: Kaua tetahi tangata ke e kai i tena mea;
Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
Engari nga pononga katoa a te tangata i utua ki te moni, kia oti te kokoti e koe, ka kai ai i tena mea.
Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
Kaua te manene, te kaimahi ranei, e kai i tena mea.
Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
Kia kotahi te whare e kainga ai; kaua e mauria tetahi wahi o te kikokiko ki waho i te whare; kaua hoki e whatiia tetahi wheua ona.
Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
Ma te huihuinga katoa o Iharaira tena mahi.
Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
Na, he tangata ke e noho ana i a koe, a ka mahi i te kapenga a Ihowa, kotia ana tane katoa, katahi ka whakatata ai ia ki tena mahi; a ka rite ki te tangata whenua: kei kainga e te kokotikore.
Lalàna iray no ho amin'ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
Kia kotahi ano te ture mo te tangata whenua raua ko te tangata ke e noho ana i roto i a koutou.
Dia nataon'ny Zanak'Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.
Na ka pera nga tama katoa a Iharaira me ta Ihowa i ako ai ki a Mohi raua ko Arona; pera ana ratou.
Ary tamin'izany andro izany indrindra no nitondran'i Jehovah ny Zanak'Isiraely nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
Na, no taua ra pu ano i whakaputaina mai ai e Ihowa nga tama a Iharaira i te whenua o Ihipa, tenei ropu, tenei ropu o ratou.