Exodus 11

Fa Jehovah nilaza tamin'i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin'i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ.
Na ka mea a Ihowa ki a Mohi, Kia kotahi atu whiu e whakapangia e ahau ki a Parao, ki Ihipa; muri iho ka tukua koutou e ia i konei: ka tukua koutou, ina, ka tino peia katoatia koutou e ia i konei.
Koa mitenena amin'ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin'ny namany avy, ary ny vehivavy amin'ny namany avy koa.
Korero inaianei ki nga taringa o te iwi, a ma te tane, ma te wahine, e tono he mea hiriwa, he mea koura i tona hoa, i tona hoa.
Dia nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin'ny tany Egypta, dia teo imason'ny mpanompon'i Farao sy teo imason'ny vahoaka.
A i meinga ano e Ihowa kia paingia te iwi e nga Ihipiana. Ko te tangata nei hoki ko Mohi, i nui rawa ki te whenua o Ihipa, ki te aroaro o nga tangata a Parao, ki te aroaro ano hoki o te iwi.
Ary hoy Mosesy: Izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan'i Egypta,
Na ka mea a Mohi, Ko te kupu tenei a Ihowa, Hei waenganui po ahau ka tika na waenganui o Ihipa:
dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny izay eo anilan'ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
A ka mate nga matamua katoa o te whenua o Ihipa, te matamua a Parao e noho ana i runga i tona torona, a tae iho ana ki te matamua a te pononga wahine i tua i te mira; me nga matamua katoa a nga kararehe:
Ary hisy fidradradradrana mafy eran'ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.
A ka nui te tangi i te whenua katoa o Ihipa, kahore he pera i mua, e kore ano hoki e pera e takoto ake nei.
Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny olona, na amin'ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.
Otira e kore e oraora te arero o tetahi kuri ki tetahi o nga tama a Iharaira, ki te tangata, ki te kararehe; kia mohio ai koutou e titore ana a Ihowa i waenga o nga Ihipiana, o Iharaira.
Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
A e haere ake enei tangata katoa au ki ahau, e piko ki ahau, e mea, Haere koe me te iwi katoa e haere ana i raro i ou waewae; a, muri iho ka haere ahau. A puta ana ia i a Parao, he nui hoki tona riri.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan'ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
A ka mea a Ihowa ki a Mohi, E kore a Parao e rongo ki a korua, kia maha ai aku merekara ki te whenua o Ihipa.
Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny izy.
A meatia ana e Mohi raua ko Arona enei merekara katoa ki te aroaro o Parao: a, i whakapakeke ano a Ihowa i te ngakau o Parao, a kihai ia i tuku i nga tama a Iharaira i tona whenua.