Esther 4

Nony fantatr'i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan'ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
No te mohiotanga o Mororekai ki nga mea katoa i meatia, haehaea ana e Mororekai ona kakahu, kei te kakahu i te kakahu taratara, kei te mea i te pungarehu ki a ia: haere ana ki waenganui o te pa, he nui, he tiwerawera tana tangi.
ary tonga teo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.
Na haere ana ia ki mua i te kuwaha o te kingi; e kore hoki e ahei kia haere ki roto i te kuwaha o te kingi ki te mea he taratara te kakahu.
Ary tany amin'ny isan-tokony tamin'ny fanjakana rehetra nalehan'ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin'ny lamba fisaonana aman-davenona.
Na, i nga kawanatanga katoa, i nga wahi i tae atu ai te kupu a te kingi me tana ture, nui atu te tangi o nga Hurai, te nohopuku, te aue, me te uhunga: a he tokomaha he kakahu taratara to ratou whariki, he pungarehu.
Ary niditra ny ankizivavin'i Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin'ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin'i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.
Na kua tae nga kotiro a Ehetere me ana rangatira ruma, kei te whakaatu ki a ia. Na tino mamae rawa te kuini. Hoatu ana e ia he kakahu kia kawea hei kakahu mo Mororekai, kia tangohia hoki ona kakahu taratara i a ia: otiia kihai ia i tango atu.
Ary Estera niantso an'i Hatàka, tsindranolahin' ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin'i Mordekay, mba hahafantarany izay anton'izany.
Katahi a Ehetere ka karanga ki a Hataka, ki tetahi o nga rangatira ruma a te kingi i whakaritea nei e ia kia tu ki tona aroaro, a ka whakahau i a ia kia haere ki a Mororekai, kia mohiotia he aha ra tenei mea, a na te aha hoki.
Dia nivoaka Hatàka nankany amin'i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka;
Heoi haere ana a Hataka ki a Mororekai, ki te waharoa o te pa, ara ki te aronga o te kuwaha o te kingi.
dia nambaran'i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan'ny vola izay nokasain'i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan'ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.
A whakaaturia ana e Mororekai ki a ia nga mea katoa i pa ki a ia, me te tuturu o te moni i kiia e Hamana kia paunatia e ia ki roto ki nga whare taonga o te kingi hei mea mo nga Hurai kia whakangaromia.
Ary nomeny azy koa ny kopen'ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin'i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin'ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an'ny fireneny.
I homai ano e ia ki a ia nga kupu o te ture i tuhituhia, i homai nei i Huhana kia whakangaromia ratou, a mana e whakakite ki a Ehetere, e whakaatu ki a ia, mana hoki ia e whakahau kia haere ki te kingi wawao ai; kia rapua hoki i tona aroaro he me a mo tona iwi.
Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin'i Mordekay tamin'i Estera.
Na haere ana a Hataka, whakaaturia ana e ia ki a Ehetere nga kupu a Mororekai.
Fa Estera naniraka an'i Hatàka indray hanao amin'i Mordekay hoe:
Katahi a Ehetere ka korero ki a Hataka, a hoatu ana e ia he kupu ki a Mororekai, hei mea:
Ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran'ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin'ny mpanjaka amin'ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin'ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
E mohio ana nga tangata katoa a te kingi, me te iwi o nga kawanatanga a te kingi, ko nga tangata katoa, ahakoa tane, ahakoa wahine, e haere ana ki to roto marae, ki te kingi, i te mea kihai i karangatia, kotahi tonu tana ture kia whakamatea, ki te kahore ia e torona atu e te kingi te hepeta koura ki a ia kia ora ai. Engari ko ahau, ka toru tekau enei ra oku kihai i karangatia kia haere ki te kingi.
Dia nolazaina tamin'i Mordekay ny tenin'i Estera.
Na korerotia ana e ratou ki a Mororekai nga kupu a Ehetere.
Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin'i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon'ny mpanjaka;
Katahi a Mororekai ka ki atu kia whakahokia tenei kupu ki a Ehetere, Kei mahara koe na ka ora koe i te whare o te kingi, i nga Hurai katoa.
fa raha hangina mihitsy ianao amin'izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin'ny fitoerana hafa ho an'ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana?
Ki te wahangu rawa hoki koe i tenei wa, tera e puta ake he tanga manawa, he whakaoranga mo nga Hurai i tetahi atu wahi. Na ko koe, ko te whare hoki o tou papa, ka ngaro; ko wai hoki ka mohio mo te wa penei pea i tae mai ai koe ki te kingitanga?
Dia nampitondra valiny ho any amin'i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:
Katahi ka ki a Ehetere kia whakahokia tenei kupu ki a Mororekai,
Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
Tikina, huihuia nga Hurai katoa e kitea ki Huhana, ka nohopuku ai koutou, hei mea moku; kaua hoki e kai, kaua e inu, kia toru nga ra, po, ao, ko ahau hoki, ko matou ko aku kotiro ka nohopuku ano; ko reira ahau haere ai ki te kingi; he mea kahore nei e rite ki te ture. A ki te mea ka huna ahau, ka huna ahau.
Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.
Heoi haere ana a Mororekai, meatia ana e ia nga mea katoa i whakahaua ki a ia e Ehetere.