Esther 3

Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan'ny an'ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
I muri i enei mea ka whakanuia e Kingi Ahahueruha a Hamana tama a Hamerata Akaki, hapainga ana ia ki runga, whakanekehia ake ana tona torona ki runga ake i o nga rangatira katoa e noho ana i a ia.
Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
Na kei te tuohu, kei te koropiko ki a Hamana nga tangata katoa a te kingi i te kuwaha o te kingi; ko ta te kingi whakahau hoki tena mona. Ko Mororekai ia kihai i tuohu, kihai i piko.
Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin'ny mpanjaka?
Katahi ka mea nga tangata a te kingi i te kuwaha o te kingi ki a Mororekai, He aha koe i takahi ai i ta te kingi whakahau?
Nefa na dia niteny taminy isan'andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain'Ireo tamin'i Hamana, mba hizahany na haharitra amin'ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin'ireo izy fa Jiosy.
Korero noa ratou ki a ia i ia ra, i ia ra, heoi kihai ia i rongo ki a ratou. Na korerotia ana e ratou ki a Hamana, kia kitea ai e u ranei nga mea a Mororekai; kua whakaaturia hoki e ia ki a ratou he Hurai ia.
Ary rehefa hitan'i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
A, no te kitenga o Hamana kihai a Mororekai i tuohu, kihai i piko ki a ia, na ki tonu a Hamana i te riri.
Ary nataon'i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an'i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen'i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen'i Mordekay.
Otiia i whakahawea tona whakaaro ki te whakapa ringa ki a Mororekai anake, kua oti hoki te korero ki a ia te iwi o Mororekai; na reira i whai ai a Hamana kia whakangaromia nga Hurai katoa i te kingitanga katoa o Ahahueruha, ara te iwi o Mororekai.
Tamin'ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan'i Hamana ny amin'ny isan'andro isan'andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany)
I te marama tuatahi, ara i te marama Nihana, i te tekau ma rua o nga tau o Kingi Ahahueruha, ka maka te Puri, ara te rota ki te aroaro o Hamana i tenei ra, i tenei ra, i tenei marama, i tenei marama a te tekau ma rua ra ano, ara te marama Arara.
Ary hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn'ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin'ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
Na ka mea a Hamana ki a Kingi Ahahueruha, Tenei tetahi iwi kei te tohatoha haere, kei te marara noa atu i roto i nga iwi o nga kawanatanga katoa o tou kingitanga; a ko a ratou ture he rere ke i a nga iwi katoa; kahore hoki ratou e mahi i a te kin gi ture. Na ehara i te mea pai mo te kingi kia tukua ta ratou.
koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan'ny mpanjaka.
Ki te pai te kingi, me tuhituhi kia whakangaromia ratou: a maku e pauna atu kia tekau mano taranata hiriwa ki nga ringa o te hunga mahi i ta te kingi mahi, kia kawea ki nga whare taonga o te kingi.
Dia nesorin'ny mpanjaka tamin'ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy.
Na ka unuhia e te kingi tona mowhiti i tona ringa, a hoatu ana ki a Hamana tama a Hamerata Akaki, ki te hoariri o nga Hurai.
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
A ka mea te kingi ki a Hamana, ka hoatu te hiriwa ki a koe, te iwi ano hoki, kia meatia ki a ratou tau e pai ai.
Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian'i Hamana ho an'ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin'ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin'ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin'ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka.
Katahi ka karangatia nga karaipi a te kingi i te marama tuatahi, i te tekau ma toru o nga ra o taua marama, a ka tuhituhia nga mea katoa i whakahaua e Hamana ki nga kawana a te kingi, ratou ko nga kawana iti o tenei kawanatanga, o tenei kawanata nga, ki nga rangatira hoki o tenei iwi, o tenei iwi; ki tenei kawanatanga, ki tenei kawanatanga, he mea whakarite ki to reira reo; i tuhituhia i runga i te ingoa o Kingi Ahahueruha, hiri rawa ki te mowhiti o te kingi.
Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin'ny zaza amim-behivavy aza, amin'ny indray andro monja, dia tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
Na ka tukua nga pukapuka kia kawea e nga kaikawe pukapuka ki nga kawanatanga katoa a te kingi, kia whakangaromia, kia patua, kia huna nga Hurai katoa, te taitama, me te koroheke, nga kohungahunga, me nga wahine, kia kotahi tonu te ra, i te tekau ma toru o nga ra i te tekau ma rua o nga marama, ara o te marama Arara; kia pahuatia hoki o ratou taonga.
Ny kopen'ny teny izay natao didy ho amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan'ny olona rehetra hampiomana azy ho amin'izany andro izany.
Ko nga korero i tuhituhia, mo te ture kia hoatu ki nga kawanatanga katoa, i whakakitea nuitia ki nga iwi katoa, kia tatanga ai ratou i taua ra.
Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan'ny tenin'ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.
Haere ana nga kaikawe pukapuka, he mea whakahohoro e te kupu a te kingi, i hoatu ano te ture i Huhana, i te whare kingi. Na noho ana te kingi raua ko Hamana ki te inu; raruraru tonu ia te pa, a Huhana.