Ecclesiastes 2

Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
I mea ahau i roto i toku ngakau, Tena ra, ka whakamatauria koe e ahau ki te koa; na, te ahuareka mau. Heoi, he horihori ano hoki tenei.
Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
Ko te kata, kiia iho e ahau he haurangi; ko te koa, He mahi aha tana?
Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.
I whai ahau i roto i toku ngakau me pehea te whakaahuareka i toku kikokiko ki te waina, me te whakahaere ano ia a toku ngakau i ahau i runga i te whakaaro nui; a me pehea taku hopu i te wairangi, kia kitea ra ano e ahau he aha ra tena mea pai a n ga tama a te tangata e mahia nei i raro i te rangi i nga ra katoa e ora nei ratou.
Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
I mahia e ahau etahi mahi nunui maku; i hanga e ahau etahi whare moku; i whakatokia e ahau etahi mara waina maku;
nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
I hanga e ahau etahi kari maku, me etahi mara rakau, whakatokia iho e ahau ki reira nga tu rakau katoa e whai hua ana.
nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;
I hanga e ahau he poka wai maku hei whakamakuku mai i reira i te ngahere, i te wahi i whakatupuria ai nga rakau.
nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
I hokona e ahau he pononga tane, he pononga wahine, a he pononga ano i whanau ki toku whare; he tini hoki aku kahui kau, aku kahui hipi, maha atu i a te hunga katoa i mua atu i ahau i Hiruharama.
Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka.
I amenea mai ano e ahau he hiriwa, he koura, me te taonga i rawe ki nga kingi, ki nga kawanatanga; i meatia ano e ahau he kaiwaiata tane, he kaiwaiata wahine, me nga ahuareka ano a nga tama a te tangata, te tini o te wahine iti.
Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.
Heoi kua nui ahau, neke noa ake ana aku i a te hunga katoa i mua ake i ahau i Hiruharama, me te mau ano hoki toku whakaaro nui.
Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra.
Ko nga mea katoa ano hoki i hiahiatia e oku kanohi, kihai i kaiponuhia e ahau i a raua, kihai ano i pehia e ahau toku ngakau i te meatanga atu ki tetahi whakahari; i hari hoki toku ngakau i oku ruhatanga katoa; a ko te wahi tenei maku o oku ruha tanga katoa.
Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin'ny masoandro.
Katahi ahau ka titiro ki nga mahi katoa i mahia e oku ringa, ki te ruhatanga hoki i ruha ai ahau i te mahinga; nana, he horihori katoa, he whai kau i te hau, a kahore he hua pai i raro i te ra.
Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon'ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany.
I anga ano ahau ki te matakitaki ki te whakaaro nui, ki te haurangi, ki te wairangi: he aha koia te mea e taea e te tangata e haere mai ana i muri i te kingi? heoi ano ko te mea kua oti noa ake.
Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran'ny mazava noho ny maizina.
Katahi ahau ka kite, hira ake te whakaaro nui i te wairangi; he pera hoki me te marama e hira ake ana i te pouri.
Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
Ko te tangata whakaaro nui, kei tona mahunga ona kanohi, a kei te pouri te wairangi e haere ana: otiia i kite ano ahau kotahi tonu te mea e pa ana ki a ratou katoa.
Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin'ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
Katahi ahau ka ki ake i roto i toku ngakau: Ko te mea i pa ki te wairangi ka pa ano ki ahau nei ano hoki; he aha hoki oku whakaaro i nui ake ai? Na ko taku kianga ake i roto i toku ngakau, he horihori ano hoki tenei.
Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
No te mea kahore he maharatanga ki te tangata whakaaro nui, pera ano i te kore ki te wairangi a ake ake; ina hoki i nga ra e haere ake nei kua wareware noa kae nga mea katoa. Na, ko to te tangata whakaaro nui tona matenga, pera ano i to te waira ngi!
Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana izy rehetra.
Na kua kino ahau ki te ora; no te mea he he ki ahau te mahi e mahia ana i raro i te ra: he horihori katoa hoki, he whai kau i te hau.
Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro, fa havelako ho an'ny olona izay handimby ahy izany,
I kino ano hoki ahau ki toku mauiui i mauiui ai ahau i raro i te ra: ina hoki me waiho iho e ahau ma te tangata i muri i ahau.
ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon'izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin'ny fahendreko tatỳ ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany.
Ko wai hoki e mohio ana hei tangata whakaaro nui ranei ia, hei wairangi ranei? otiia hei a ia te tikanga mo oku mauiui katoa i mauiui ai ahau, i nui ai ano hoki oku whakaaro i raro i te ra. He horihori ano hoki tenei.
Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin'ny fahakiviana ny amin'ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro.
Na ka anga ahau, ka mea kia whakaparahako toku ngakau ki te mauiui katoa i mauiui ai ahau i raro i te ra.
Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
Tenei hoki tetahi tangata kei runga nei i te whakaaro nui tana mahi, kei runga i te matauranga, kei runga i te mohio; otiia ka waiho e ia hei wahi ma te tangata kihai nei i mahi. He horihori ano tenei, he he nui.
Fa inona no azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra sy amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin'ny masoandro?
He aha oti te tukunga iho ki te tangata o tona mauiui katoa, o te ngana o tona ngakau i mauiui ai ia i raro i te ra?
Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
He pouri kau hoki ona ra katoa, he ngakau mamae tona raruraru, e kore ano hoki tona ngakau e okioki i te po. Na he horihori ano hoki tenei.
Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra
Kahore he mea pai ma te tangata i tua atu i te kai, i te inu, i te mea kia whiwhi tona wairua i te pai i roto i tona mauiui. I kite ano hoki ahau i tenei, no te ringa o te Atua tenei.
(fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).
Ko wai oti e nui atu tana kai, ko wai e reka ake i ahau?
Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Ki te tangata hoki e pai ana ki to te Atua aroaro e homai ana e ia he whakaaro nui, he matauranga, he koa; ki te tangata hara ia e homai ana e ia he raruraru, ki te kohikohi, ki te amene mea mai, hei hoatutanga mana ki te tangata e pai ana ki to te Atua aroaro. He horihori ano hoki tenei, he whai i te hau.