Daniel 12

Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky.
A, i taua wa ka whakatika a Mikaera, te rangatira nui e tu nei hei hoa mo nga tama a tou iwi; na he wa raruraru taua wa, kahore mai i mua i te wa i whai iwi ai a taea noatia taua wa nei; hei taua wa ka mawhiti tou iwi, te hunga katoa e kitea kua oti te tuhituhi ki te pukapuka.
Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
Na he tokomaha o te hunga e moe ana i te puehu o te oneone e ara ake, ko etahi ki te ora tonu, ko etahi ki te whakama, ki te whakarihariha mutungakore.
Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
A ka tiaho te hunga whakaaro nui ano kei te tiaho o te kikorangi; me te hunga hoki nana i anga ai nga tangata tokomaha ki te tika, ka rite ratou ki nga whetu a ake ake.
Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin'ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.
Ko koe ia, e Raniera, kopia nga kupu, hiritia ano te pukapuka a taea noatia te mutunga: he tokomaha e kopikopiko, ka nui haere ano te matauranga.
Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron'ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.
Katahi ahau, a Raniera, ka titiro, na ko etahi atu tokorua e tu ana, ko tetahi i tenei taha o te parenga o te awa, ko tetahi i tera taha o te parenga o te awa.
Ary hoy ny anankiray tamin'ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran'ireo fahagagana ireo?
Na ko te meatanga a tetahi ki te tangata i te kakahu rinena, ki tera i runga i nga wai o te awa, Ko ahea ra ano te mutunga o enei mea whakamiharo?
Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin'ny lanitra ka reko nianiana tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
A i rongo ahau i ta te tangata i te kakahu rinena, i ta tera i runga i nga wai o te awa, i te aranga o tona matau, o tona maui whaka te rangi, a oatitia ana e ia ma tera e ora tonu ana ake ake, kia taka ra ano tetahi wa, nga wa, me te hawhe; a ki a oti ta ratou tukituki i te kaha o te iwi tapu, katahi ka oti enei katoa.
Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo?
A ka rongo ahau, engari kihai i matau; katahi ahau ka mea, E toku Ariki, he aha ra te mutunga o enei mea?
Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany.
Katahi tera ka ki mai, Haere, e Raniera, kua oti hoki nga kupu te kokopi atu, hiri rawa a taea noatia te wa o te mutunga.
Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
He tokomaha e mea i a ratou kia pokekore, kia ma, kia parakore; engari ko te hunga kino ka mahi i te kino, a e kore tetahi o te hunga kino e matau; ko te hunga whai whakaaro ia ka matau.
Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
Na, mai o te wa e whakakahoretia ai te patunga tapu tuturu, e tu ai te mea whakarihariha, te mea whakangaro, kotahi mano e rua rau e iwa tekau nga ra.
Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
Ka hari te tangata e tatari ana, a ka tutuki ki nga ra kotahi mano e toru rau e toru tekau ma rima.
Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany.
Na haere kia taea ra ano te mutunga; ka okioki hoki koe, a ka tu ki tou wahi i te mutunga o nga ra.