Amos 9

Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
I kite ahau i te Ariki e tu ana i te taha o te aata. Na ka mea ia, Taia nga puku whakapaipai, kia ngarue ai nga paepae: akina kia pakaru rikiriki ki runga ki te mahunga o ratou katoa; a ka tukitukia e ahau nga whakamutunga o ratou ki te hoari: e kore rawa tetahi kotahi o ratou e rere, e kore hoki tetahi kotahi mawhiti.
Na dia mibosesika ho any amin'ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan'ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy.
Ahakoa keri noa ratou, a tae noa ki te reinga, ka tikina atu ratou e toku ringa i reira; ahakoa kake ki te rangi, ka riro iho ano i ahau i reira.
Ary na dia miery any an-tampon'i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin'ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
Ahakoa piri ratou ki te tihi o Karamere, ka rapua e ahau, ka tangohia mai i reira; ahakoa i huna atu ratou, kei kitea e ahau, ki te takere o te moana, ka whakahaua e ahau te nakahi i reira, a ka ngau ia i a ratou.
Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
Ahakoa haere ratou he parau i te aroaro o o ratou hoariri, ka whakahaua e ahau te hoari i reira hei tukituki i a ratou: a ka u atu oku kanohi ki a ratou mo te kino, kahore hoki mo te pai.
Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta,
Ko te Ariki hoki, ko Ihowa o nga mano, ko ia te pa ana ki te whenua, rewa tonu iho, tangi ana nga tangata katoa o reira: a ka pari katoa ake ano ko te awa; ka hoki iho ano, ka pera me te awa o Ihipa.
Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany.
Ko ia te hanga nei i ana ruma ki runga ki te rangi, tu ana i a ia tana rua ki te whenua; ko ia te karanga nei ki nga wai o te moana, a ringihia ana e ia ki runga ki te mata o te whenua: ko Ihowa tona ingoa.
Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
He teka ianei, ki taku, he rite koutou ki nga tama a nga Etiopiana, e nga tama a Iharaira? e ai ta Ihowa. He teka ianei naku a Iharaira i kawe mai i te whenua o Ihipa? nga Pirihitini i Kapatoro? me nga Hiriani i Kiri?
Indro, ny mason'i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin'ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak'i Jakoba, hoy Jehovah.
Nana, kei runga nga kanohi o te Ariki, o Ihowa, i te kingitanga hara, a ka poto atu i ahau i runga i te mata o te whenua; e kore ia e poto rawa i ahau te whare o Hakopa, e ai ta Ihowa.
Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin'ny firenena rehetra ny taranak'Isiraely, tahaka ny fanasivana vary amin'ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin'ny tany na dia iray akory aza.
No te mea, tenei ahau te whakahau nei, a ka tataria e ahau te whare o Iharaira ki roto ki nga iwi katoa, ka peratia me te witi e tataria ana ki te tatari, e kore ano tetahi pata ririki e taka ki te whenua.
Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin'ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
Ka mate i te hoari te hunga hara katoa o taku iwi, ena e ki na, E kore tatou e mau, e kore ano e haukotia e te kino.
Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
I taua ra ka ara i ahau te tapenakara o Rawiri kua hinga nei, ka tutakina ano e ahau ona wahi pakaru; ka ara ano i ahau ona wahi i whakahoroa, ki hanga ano e ahau kia rite ki nga ra o mua:
Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.
Kia riro ai i a ratou te toenga o Eroma, o nga iwi katoa ano kua oti toku ingoa te whakahua mo ratou, e ai ta Ihowa, nana nei tenei mahi.
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
Nana, kei te haere mai nga ra, e ai ta Ihowa, e mau ai te kaikokoti i te kaiparau, e mau ai hoki te kaiwhakato purapura i te kaitakahi karepe; ka maturuturu ano te waina hou o nga maunga, a ka rewa nga pukepuke katoa.
Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanĂ na efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.
Ka whakahokia mai ano e ahau taku iwi, a Iharaira, i te whakarau, a ka hanga e ratou nga pa kua ururuatia, nohoia iho; ka whakato mara waina ano ratou, ka inu i te waina o aua mara: ka mahi kari ano ratou, a ka kai i nga hua o reira.
Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.
Ka whakatokia ano ratou e ahau ki to ratou oneone; e kore ano ratou e unuhia atu i muri ake nei, i to ratou oneone i hoatu e ahau ki a ratou, e ai ta Ihowa, ta tou Atua.