Acts 16

Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy -
Na ka tae atu hoki ia ki Rerepe, ki Raihitara: a, i reira tetahi akonga, ko Timoti te ingoa, he tama na tetahi wahine whakapono, he Hurai, ko tona papa ia he Kariki.
ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
He pai te korero mona a nga teina i Raihitara, i Ikoniuma.
Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy.
I mea a Paora kia haere ia hei hoa mona; a tangohia ana ia, kotia ana, he mea hoki mo nga Hurai e noho ana i aua wahi: i matau hoki ratou katoa he kariki tona papa.
Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.
A, i a ratou e haereere ana i nga pa, ka tukua e ratou hei pupuri ma ratou nga tikanga i whakaritea e nga apotoro, e nga kaumatua, i Hiruharama.
Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro.
Na ka whakaukia nga hahi ki te whakapono, ka nui haere hoki i tenei ra, i tenei ra.
Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
Na haere ana ratou na waenganui o te whenua o Pirikia, o Karatia, kua araia hoki e te Wairua Tapu kei korero i te kupu ki Ahia;
ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy.
A, i te taenga atu ki Maihia, ka whakamatau ratou ki te haere ki Pitinia; heoi kihai i tukua e te Wairua o Ihu;
Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
Na kapea ana Maihia, ka haere ki Toroa.
Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
A ka kitea e Paora he kitenga i te po: He tangata no Makeronia e tu ana, e tohe ana ki a ia, e mea ana, Whiti mai ki Makeronia, awhinatia matou.
Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any.
A, no ka kitea te kitenga, ka mea tonu matou kia haere ki Makeronia, i whakaaro hoki, na te Atua matou i karanga ki te kauwhau i te rongopai ki a ratou.
Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
Heoi, ko te rerenga atu i Toroa, ka tika tonu matou ki Hamotarakia, a ao ake te ra ki Neapori;
Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
I reira atu ki Piripai, ko te pa nui ia o taua wahi o Makeronia, he koroni no Roma: a noho ana matou i taua pa a taka noa etahi ra.
Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.
Na i te ra hapati ka haere matou ki waho o te pa, ki te taha o tetahi awa, he whakaaro ko te wahi tera hei karakiatanga; a ka noho, ka korero ki nga wahine i haere tahi ake.
Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly.
Na ka whakarongo tetahi wahine, ko Riria te ingoa, he kaihoko papura, no te pa o Taiataira, he wahine karakia ki te Atua: he mea whakapuare tona ngakau e te Ariki, i rongo ai ia ki nga mea i korerotia e Paora.
Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
A, no ka oti ia te iriiri, ratou ko tona whare, ka tohe ia, ka mea, Ki te mea kua whakaaro koutou he pono taku mahi ki te Ariki, tomo mai koutou, e noho ki toku whare. Na ka tohea matou e ia.
Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.
Na, i a matou e haere ana ki te wahi inoi, ka tutaki ki a matou tetahi kotiro, he wairua matakite nei tona, he nui te utu i riro i a ia ma ona rangatira, i a ia e poropiti ana:
Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
Ka whai ia i a matou ko Paora, ka karanga, ka mea, he pononga enei tangata na te Atua, na te Runga Rawa, e whakapuakina ana e ratou te ara o te ora ki a koutou.
Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.
Na he maha nga ra i mea ai ia i tenei. Otiia ka hoha a Paora, ka tahuri, ka mea ki te wairua, Ko taku kupu tenei ki a koe i runga i te ingoa o Ihu Karaiti, puta mai i roto i a ia, A puta mai ana i taua haora ano.
Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe;
Otira, no te kitenga o ona rangatira kua kore he mahinga moni ma ratou, ka mau ki a Paora raua ko Hira, ka toia ki te kainga hoki ki nga rangatira;
ary rehefa nentiny tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
A, ka oti raua te mau ki nga kaiwhakawa, ka mea, Ko enei tangata, he Hurai nei, e tino whakararuraru ana i to tatou pa,
ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
E whakapuakina ana hoki e raua he ritenga e kore nei e tika kia whakaaetia, kia mahia e tatou, e nga tangata o Roma.
Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy.
Na ko te whakatikanga o te mano ki a raua; ka huhua o raua kakahu e nga kaiwhakawa, ka mea kia whiua ki te rakau.
Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
A, ka maha o raua whiunga e ratou, ka maka raua ki te whare herehere, ka tohutohutia te kaitiaki herehere, kia mau tana pupuri i a raua.
Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
No te rironga i a ia o taua kupu, ka maka raua e ia ki te whare herehere i roto rawa, ka whakauria o raua waewae ki te rakau.
Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
Na i waenganui po ka inoi a Paora raua ko Hira, ka waiata atu ki te Atua, me te whakarongo ano nga herehere ki a raua;
Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.
Na ka pa whakarere he ru nui, i ngarue ai nga turanga o te whare herehere: a puare tonu atu nga tatau katoa, whakakorokoroa ana nga herenga o nga tangata katoa.
Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
A, ka oho te kaitiaki herehere i te moe, ka kite i nga tatau o te whare herehere e puare ana, na ka unu i tana hoari, ka mea ki te patu i a ia ano, hua noa kua oma nga herehere.
Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
Na kanui te reo o Paora ki te karanga, ka mea, Kauaka tetahi mea kino e meatia ki a koe: ina tonu hoki matou katoa.
Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy.
A karangatia ana e ia he rama, ka rere ki roto, ka haere wiri, ka takoto ki te aroaro o Paora raua ko Hira,
Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
Ka arahina hoki raua ki waho, ka mea, E hoa ma, me aha ka ora ai ahau?
Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
Ka mea raua, Me whakapono ki te Ariki, ki a Ihu Karaiti, ka ora ai koe, koutou tahi ko tou whare.
Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony.
Na ka korerotia te kupu a te Ariki ki a ia, ki nga tangata katoa hoki i roto i tona whare.
Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra.
A ka mauria raua e ia i taua haora o te po, ka horoia o raua whiunga; na iriiria tonutia iho, a ia me ana tangata katoa.
Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
A ka arahina raua e ia ki tona whare, ka whakaturia he tepu kai ki mua i a raua, a nui atu tona hari, me tona whare katoa, i te mea kua whakapono nei ki te Atua.
Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
I te aonga ake ia o te ra, ka tonoa nga katipa e nga kaiwhakawa, i mea, Tukua aua tangata kia haere.
Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
Na ka korerotia e te kaitiaki herehere enei kupu ki a Paora, ka mea, Kua tono tangata mai nga kaiwhakawa, kia tukua korua: tena ra puta mai, haere i runga i te rangimarie.
Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
Na ko te kinga atu a Paora, Kua whiua nuitia nei maua e ratou, ahakoa kahore i whakawakia, he tangata hoki no Roma, a kua maka maua ki te whare herehere; a kei te maka pukutia atu maua aianei e ratou? Kahore rapea: engari ma ratou tonu e haere m ai, e whakaputa i a maua ki waho.
Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin'ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
na ka korerotia enei kupu e nga katipa ki nga kaiwhakawa: a ka wehi, i to ratou rongonga no Roma raua;
Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.
Na ka haere mai ratou, ka tohe ki a raua; a, ka oti raua te arahi ki waho, ka mea ratou kia haere atu raua i te pa.
Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
A ka puta atu raua i te whare herehere, ka tomo ki te whare o Riria: a, no ka kite raua i nga teina, ka whakamarie i a ratou, ka haere.