II Timothy 1

Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy,
Na Paora, i paingia e te Atua hei apotoro ma Ihu Karaiti, mo te ora i whakaaria mai i roto i a Karaiti Ihu,
mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
Ki a Timoti, ki taku tamaiti aroha: Kia tau te aroha noa, te mahi tohu, te rangimarie, he mea na te Atua Matua, na Karaiti Ihu hoki, na to tatou Ariki.
Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina;
E whakawhetai ana ahau ki te Atua, e mahi atu nei ahau ki a ia, he mea no oku tupuna iho i runga i te hinengaro ma, no te mea kahore e mutu toku mahara ki a koe i aku inoinga i te po, i te ao;
ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;
Nui atu toku hiahia kia kite i a koe, i ahau e mahara ana ki ou roimata, kia ki ai ahau i te hari;
fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.
Ka hoki ake nei toku mahara ki te whakapono tinihangakore i roto i a koe; i noho tuatahi ra i roto i tou tupuna wahine, i a Roihi, i tou whaea hoki, i a Unihi; a e tino mohio ana ahau kei roto ano i a koe.
Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako.
Koia ahau ka whakamahara nei i a koe, kia whakaungia ano te ahi, te mea i hoatu na e te Atua, tena kei roto i a koe, he mea na te whakapanga atu o oku ringaringa.
Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
Kahore hoki i homai e te Atua ki a tatou te wairua o te wehi; engari to te kaha, to te aroha, to te ngakau mahara.
Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra,
Na, kei whakama koe ki te whakaatu i to tatou Ariki, ki ahau ranei, kia tona herehere: engari uru atu koe ki nga mate o te rongopai, kia rite ki ta te Atua whakakahanga;
Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;
Nana nei tatou i whakaora, nana hoki tatou i karanga ki te karangatanga tapu; kihai i rite ki a tatou mahi, engari ki tana ake tikanga i whakatakoto ai i mua, ki te aroha noa hoki i homai nei ki a tatou i roto i a Karaiti Ihu, i mua atu o te tima tanga o te ao;
fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
A kua whakakitea mai nei inaianei i te putanga nui mai o to tatou Kaiwhakaora, o Ihu karaiti, i whakakahore nei i te mate, a whakakitea mai ana e ia te ora me te matengakore, he mea na te rongopai:
ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra.
Meinga iho nei ahau hei kaikauwhau mo tenei, hei apotoro, hei kaiwhakaako.
Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin'izay andro izay.
Ko te mea hoki tenei i pangia ai ahau e enei mate: he ahakoa ra kahore ahau e whakama: e matau ana hoki ahau ki taku i whakapono ai, e u ana toku whakaaro e taea e ia te tiaki taku i tuku atu ai ki a ia, a taea noatia taua ra.
Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.
Kia mau ki te tauira mo nga kupu tika i rongo ra koe ki ahau, puritia i runga i te whakapono, i te aroha i roto i a Karaiti Ihu.
Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.
Ko te mea pai i tukua ra ki a koe, me tiaki e koe, ara e te Wairua Tapu e noho ana i roto i a tatou.
Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.
E matau ana ko tenei, i tahuri ke i ahau te hunga katoa i Ahia; no ratou a Paikeru raua ko Heremokeni.
Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
Kia tohungia e te Ariki nga tangata o te whare o Onehipora; he maha hoki oku oranga ngakau i a ia, kihai hoki ia i whakama ki toku mekameka.
fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita
A, i a ia i Roma, i rapu marietia ahau e ia, a kitea ana.
(ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.
Ma te Ariki e tuku ki a ia kia kite i te mahi tohu a te Ariki a taua ra: ko ana mahinga mea hoki maku i Epeha. erangi koe e mohio ana.