II Samuel 20

Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak'i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin'i Davida na lova amin'ny zanak'i Jese; samia mody any amin'ny lainy avy, ry Isiraely ô.
Na i tupono ki reira tetahi tangata o Periara, ko tona ingoa ko Hepa, he tama na Pikiri, no Pineamine: na whakatangihia ana e ia te tetere, a ka mea, Kahore o tatou wahi i a Rawiri, kahore he wahi tuturu mo tatou i te tama a Hehe: ki o koutou ten eti, e tera, e tera o Iharaira!
Ka dia samy niara-nandao an'i Davida ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nanaraka an'i Seba, zanak'i Bikry; fa ny lehilahy amin'ny Joda no nifikitra tamin'ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
Na ka takiritia nga tangata katoa o Iharaira i te whai i a Rawiri, a whai ana i a Hepa tama a Pikiri: ko nga tangata ia o Hura i piri ki to ratou kingi, o Horano mai ano a Hiruharama atu ana.
Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
Na haere ana a Rawiri ki tona whare ki Hiruharama, a ka mau te kingi ki nga wahine kotahi tekau, ki nga wahine iti i waiho ra hei tiaki i te whare, a whakanohoia ana ki te whare kia tiakina, atawhaitia iho ratou e ia; otiia kihai ia i haere ki ro to, ki a ratou. Na tutakina atu ana ratou, he noho pouaru a taea noatia te ra i mate ai ratou.
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa: Vorio ny lehilahy amin'ny Joda ho eto amiko amin'ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
Katahi ka mea te kingi ki a Amaha, Huihuia mai nga tangata o Hura ki ahau i roto i nga ra e toru, a me tae mai ano koe ki konei.
Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan'andro nomeny azy izy.
Na haere ana a Amaha ki te huihui i nga tangata o Hura: otiia i roa atu ia i te wa i whakaritea ki a ia.
Ary hoy Davida tamin'i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak'i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
Na ka mea a Rawiri ki a Apihai, Akuanei rahi atu te kino e mahia e Hepa tama a Pikiri ki a tatou i ta Apoharama: tangohia nga tangata a tou ariki, whaia, kei whiwhi ia ki nga pa taiepa, a ka ora atu i o tatou kanohi.
Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon'i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
Na haere ana nga tangata a Ioapa i muri i a ia, me nga Kereti, me nga Pereti, me nga marohirohi katoa: haere atu ana ratou i Hiruharama ki te whai i a Hepa tama a Pikiri.
Fa nony tonga tao amin'ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian'i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin'ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.
I a ratou i te kohatu nui i Kipeono, ka tae mai a Amaha kia tutaki ki a ratou. Na, ko te kakahu i kakahuria e Ioapa, he mea whitiki, a i waho ake he whitiki ano, me tetahi hoari, he mea whakamau ki tona hope, i roto ano i tona pukoro; a i a ia e haere ana, ka makere.
Ary hoy Joaba tamin'i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin'i Joaba tamin'ny tànany ankavanana ny somotr'i Amasa horohany.
Na ka mea a Ioapa ki a Amaha, Kei te ora ranei koe, e toku teina? Na ka mau te ringa matau o Ioapa ki te kumikumi o Amaha, kia kihi i a ia.
Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan'i Joaba, kanjo nasiany tamin'ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin'ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin'izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
Kihai ia a Amaha i mahara ki te hoari i te ringa o Ioapa: na werohia ana ia e ia ki te kopu ki taua mea, a ka tuakina ona whekau ki te whenua, kihai hoki i tuaruatia e tera; na ka mate ia. Na ka whai a Ioapa raua ko tona teina, ko Apihai i a Hep a tama a Pikiri.
Ary ny zatovon'i Joaba anankiray nijanona teo anilan'ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin'i Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an'i Joaba.
Na tera tetahi o nga taitama a Ioapa i tona taha e tu ana, a ka mea tera, Ko te tangata e pai ana ki a Ioapa, a ko te tangata e mea ana mo Rawiri, me whai ia i a Ioapa.
Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin'i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
Heoi takoto ana a Amaha, okeoke ana i roto i ona toto i waenganui o te huarahi. A ka kite taua tangata e tu ana te iwi katoa, na ka amohia atu e ia a Amaha i te huarahi ki te parae, a hipokina iho ana ki te kakahu, i tona kitenga e tu ana te hun ga katoa e tika ana na reira.
Ary nony nafindrany niala teo amin'ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an'i Joaba ny olona rehetra hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
Ka oti ia te neke atu i te huarahi, na, haere ana te iwi katoa i muri i a Ioapa ki te whai i a Hepa tama a Pikiri.
Ary izy nandeha namaky ny firenen'Isiraely rehetra hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an'ny Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy.
Na haereerea ana e ia nga iwi katoa o Iharaira, ki Apere, a ki Petemaaka, ki nga Peri katoa: na ka huihui ratou katoa a haere ana hoki i muri i a ia.
Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin'ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an'i Joaba dia namely nandrava ny manda.
Na haere ana ratou, kei te whakapae i a ia ki Apere o Petemaaka, a whakahauputia ake ana e ratou tetahi pukepuke ki te pa, na kua hangai ki te pekerangi. Na kei te aki te nuinga katoa o Ioapa i te taiepa kia hinga.
Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao amin'i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.
Na ka karanga tetahi wahine mohio i roto i te pa, Whakarongo mai, whakarongo mai; tena, ki atu ki a Ioapa, Whakatata mai ki konei, kia korero ai ahau ki a koe.
Ary nony efa mby tao akaiky izy, dia hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy. Ary hoy ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao.
Na ka whakatata ia ki a ia; a ka mea te wahine, Ko koe ianei a Ioapa? Ka mea tera, Tenei ahau. Na ko te kianga a tera ki a ia, Whakarongo ki nga kupu a tau pononga. Ka whakahokia e ia, E whakarongo ana.
Ary hoy ravehivavy: Izao no fitenin'ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany ny nahavitany raharaha.
Na ka mea tera, Ko ta ratou na kupu onamata, i mea, Me ui rawa ratou he kupu ki Apere: a ka mutu ta ratou i tera.
Izaho dia isan'ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin'ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin'ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan'i Jehovah?
No roto ahau i te hunga ata noho, pono hoki i roto i a Iharaira. E whai ana koe kia whakangaromia he pa, he whaea no Iharaira: he aha ka horomia ai e koe te wahi tupu a Ihowa?
Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.
Na ka whakahokia e Ioapa; i mea ia, Hore rawa, hore rawa i ahau; a kore e horomia, e kore e huna e ahau.
Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin'ny tany havoan'i Efraima, Seba no anarany, zanak'i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin'i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin'ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin'i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
Kahore aku pera, engari he tangata tera no Maunga Eparaima, ko tona ingoa ko Hepa tama a Pikiri, kua ara tona ringa ki te kingi, ki a Rawiri: homai tona kotahi a ka haere atu ahau i te pa. Katahi taua wahine ka mea ki a Ioapa, Nana, ka akiritia atu tona upoko ki a koe ra runga i te taiepa.
Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin'ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin'ireo ny lohan'i Seba, zanak'i Bikry, ka natsipiny teny amin'i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin'ny tanàna ny olona samy ho any amin'ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka.
Na haere ana taua wahine, me tona whakaaro mohio, ki te iwi katoa. Na poutoa ana e ratou te upoko o Hepa tama a Pikiri, maka atu ana ki a Ioapa. Katahi ia ka whakatangi i te tetere, a whakarerea ana e ratou te pa, pakaru noa atu ana ki tona tene ti, ki tona teneti. A hoki ana a Ioapa ki Hiruharama ki te kingi.
Ary Joaba no komandin'ny miaramila rehetra tamin'ny Isiraely; ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana;
Na ko Ioapa te rangatira o te ope katoa o Iharaira; ko Penaia hoki, tama a Iehoiara te rangatira o nga Kereti ratou ko nga Pereti:
ary Adorama no komandin'ny mpanao fanompoana; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
Ko Arorama te rangatira takoha: ko Iehohapata tama a Ahiruru te kaiwhakamahara:
ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
Ko Hewha te kaituhituhi: a ko Haroko raua ko Apiatara nga tohunga:
ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an'i Davida.
A ko Ira Hairi ano hoki he tino kaiwhakahaere na Rawiri.