II Samuel 15

Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
Na, muri iho i tenei ka mea hariata a Apoharama mona, me etahi hoiho, me nga tangata e rima tekau hei rere i tona aroaro.
Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan'ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin'ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin'i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin'ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin'ny firenen'Isiraely ny mpanomponao.
Na ka maranga wawe a Apoharama, a ka tu ki te taha o te huarahi, ki te kuwaha, na ki te mea he take ta tetahi tangata e tika ana kia tae ki te kingi kia whakaritea, ka karanga a Apoharama ki a ia, ka mea, No tehea pa koe? A ka pea tera, No tetahi o nga iwi o Iharaira tau pononga.
Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin'ny mpanjaka hihaino anao.
Na ka mea a Apoharama ki a ia, Nana, he pai au korero, he tika; heoi kahore he tangata a te kingi hei whakarongo ki a koe.
Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin'ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!
I mea ano a Apoharama, Aue, me i tu ahau hei kaiwhakarite mo te whenua, a ka tae mai ki ahau nga tangata katoa he take nei ta ratou, he whakawa, ina ka whakarite tika ahau ki a ia!
Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany.
Na ka whakatata mai he tangata ka piko ki a ia, na ka totoro tona ringa ka hopu i a ia, ka kihi i a ia.
Ary toy izany no nataon'i Absaloma tamin'ny Isiraely rehetra izay nankao amin'ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin'i Absaloma ho azy ny fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
Penei tonu te mahi a Apoharama ki a Iharaira katoa, i haere mai ki te kingi kia whakaritea he whakawa; na tahaetia ana e Apoharama nga ngakau o nga tangata o Iharaira.
Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin'i Jehovah.
Na, ka pau nga tau e wha, ka mea a Apoharama ki te kingi, Tukua ahau kia haere ki te whakamana i aku kupu taurangi, ki Heperona, i puaki ra i ahau ki a Ihowa.
Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin'i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an'i Jehovah.
I puaki hoki te kupu taurangi a tau pononga i ahau e noho ana i Kehuru i Hiria; i mea ahau, Ki te whakahokia ahau e Ihowa ki Hiruharama, katahi ahau ka mahi ki a Ihowa.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.
Na ka mea te kingi ki a ia, Haere marie. Na whakatika ana ia, a haere ana ki Heperona.
Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin'ny firenen'Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon'ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.
Otiia ka tono tutei a Apoharama puta noa i nga iwi katoa o Iharaira, hei mea, Rongo kau koutou i te tangi o te tetere, ko reira koutou ka mea, Ko Apoharama te kingi kei Heperona.
Ary nisy roan-jato lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.
E rua rau ano nga tangata i haere tahi i a Apoharama i Hiruharama, he hunga i karangatia: otiia he haere noa ta ratou, kihai hoki i mohio ki tetahi mea.
Ary Absaloma naniraka naka an'i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an'i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an'i Absaloma.
I tikina ano e Apoharama a Ahitopere Kironi, te kaiwhakatakoto whakaaro a Rawiri i tona pa i Kiroho, i a ia ano e patu ana i nga patunga tapu. Na kua kaha te whakapiko; i tini haere hoki nga tangata a Apoharama.
Ary nisy olona tonga tao amin'i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an'i Absaloma fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
Na ko te taenga o tetahi kaikorero ki a Rawiri, ko tana kupu, Kei te whai i a Apoharama nga ngakau o nga tangata o Iharaira.
Ary hoy Davida tamin'ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin'i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna.
Na ka mea a Rawiri ki ana tangata katoa i tona taha i Hiruharama, Whakatika, ka rere tatou; kei kore hoki he mawhititanga atu mo tetahi o tatou i te aroaro o Apoharama: hohoro te haere, kei hohoro mai ia, a ka mau tatou; na ka akina mai e ia he kino ki a tatou, a ka tukitukia te pa ki te mata o te hoari.
Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.
Na ka mea nga tangata a te kingi ki te kingi, Tenei au pononga hei mea i nga mea katoa e whakarite ai toku ariki, te kingi.
Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin'ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin'ny vaditsindranony hiandry trano.
Na haere ana te kingi me tona whare katoa i muri i a ia. Na i mahue i te kingi tekau nga wahine, he wahine iti nana, hei tiaki i te whare.
Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.
A haere ana te kingi ratou ko te iwi katoa i muri i a ia, a whanga ana i Petemerehaka.
Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan'ny mpanjaka.
I haere atu ano ana tangata katoa i tona taha; i haere atu ano hoki i mua i te kingi, nga Kereti katoa, nga Pereti katoa, me nga Kiti katoa; nga rau e ono i whai mai nei i a ia i Kata.
Ary hoy ny mpanjaka tamin'Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin'ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin'ny fonenanao.
Na ka mea te kingi ki a Itai Kiti, He aha koe i haere mai ai i a matou? hoki atu, e noho i te kingi: he tangata ke hoki koe, he noho ke i tou whenua.
Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin'izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.
Nonanahi noa nei koe i tae mai ai, a kia mea ahau i a koe i tenei ra kia kopikopiko noa iho i a matou, i taku haere noa atu? Hoki atu, whakahokia ano ou teina; kia whai tahi te pono me te aroha i a koe.
Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran'ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran'ny mpanomponao.
Na ka whakahoki a Itai ki te kingi, ka mea, E ora ana a Ihowa, e ora ana hoki toku ariki te kingi, na, ko te wahi e noho ai toku ariki, te kingi, ahakoa i te mate, ahakoa i te ora, ko reira ano tau pononga.
Ary hoy Davida tamin'Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin'ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.
Ano ra ko Rawiri ki a Itai, Hoatu, whiti atu. Na whiti ana a Itai Kiti, ratou ko ana tangata katoa me nga tamariki katoa i a ia.
Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin'ny lalana mankany an-efitra.
Nui atu hoki te reo i tangi ai te whenua katoa, a ka whiti atu te iwi katoa; i whiti atu hoki te kingi i te awaawa o Kitirono, a i whiti atu ano te iwi katoa i te huarahi e tika ana ki te koraha.
Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran'Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
Ko Haroko ano tera, me nga Riwaiti katoa e amo ana i te aaka o te kawenata a te Atua: na ka whakatakotoria te aaka a te Atua; na ka piki a Apiatara, a poto noa te iwi katoa te whiti atu i roto i te pa.
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran'Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason'i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
Na ka mea te kingi ki a Haroko, Whakahokia te aaka a te Atua ki te pa: ki te manakohia ahau e Ihowa, ka whakahokia ahau, a ka whakakitea taua aaka me tona nohoanga ki ahau.
Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara.
A ki te mea ia ki ahau, Kahore ahau e pai ki a koe; tenei ahau, mana e mea ki ahau te mea e pai ana ki tana titiro.
Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin'ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak'i Abiatara.
I mea ano te kingi ki a Haroko tohunga, Ehara ianei koe i te matakite? hoki marie ki te pa, koutou ko a korua tama tokorua, ara tau tama a Ahimaata, me Honatana tama a Apiatara.
Indro, izaho hijanonjanona eny amin'ny fitàna any amin'ny efitra mandra-pahatongan'izay teny avy atỳ aminareo hambara amiko.
Nana, me tatari ahau ki nga kauanga i te koraha, kia tae ake ra ano he korero i a korua hei whakaatu tikanga ki ahau.
Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran'Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy.
Na whakahokia ana te aaka a te Atua e Haroko raua ko Apiatara ki Hiruharama, a noho ana raua i reira.
Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
Na piki atu ana a Rawiri i te pikitanga o Maunga Oriwa, me te tangi, me te piki haere; hipoki rawa tona matenga, kahore hoki ona hu i a ia e haere ana: na, ko nga tangata katoa i a ia, hipoki rawa te matenga o tenei, o tenei; heoi piki ana ratou, me te tangi ano i a ratou e piki ana.
Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan'ny mpiray tetika amin'i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon'i Ahitofela.
Na ka korero tetahi ki a Rawiri, ka mea, Kei roto a Ahitopere i nga kaiwhakatupu i te he, kei a Apoharama. Na ka mea a Rawiri, Tena ra, e Ihowa, whakakuwaretia nga whakaaro o Ahitopere.
Ary nony tonga teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, dia teo amin'izay fivavahan'ny olona tamin'Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany;
A, no te ekenga o Rawiri ki te tihi, ki te wahi e koropiko ai ki te Atua, na, ko Huhai Araki ka whakatau i a ia, he mea haehae tona kakahu, me te oneone i runga i tona matenga.
ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko;
Na ka mea a Rawiri ki a ia, Ki te haere tahi tatou, hei whakaware kau koe ki ahau:
fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin'i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon'ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon'i Ahitofela.
Engari ki te hoki koe ki te pa, a ka mea ki a Apoharama, Hei pononga ahau mau, e te kingi, he pononga ahau na tou papa i mua, inaianei hei pononga ahau mau: penei mau e whakataka te whakaaro o Ahitopere moku.
Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon'ny mpanjaka, dia ambarao amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona.
Kahore ianei i reira hei hoa mou a Haroko raua ko Apiatara nga tohunga? na, ko nga mea katoa e rongo ai koe ki te whare o te kingi, mau e whakaatu ki nga tohunga, ki a Haroko raua ko Apiatara.
Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.
Na kei reira, kei a raua tonu a raua tama tokorua, a Ahimaata, ta Haroko, a Honatana, ta Apiatara; me unga hei kawe mai ki ahau i nga mea katoa e rongo ai koutou.
Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan'i Davida, tamin'ny nahatongavan'i Absaloma tany Jerosalema.
Na haere ana a Huhai, te hoa o Rawiri ki te pa, a ka tae hoki a Apoharama ki Hiruharama.