II Kings 9

Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
Na ka karanga a Eriha poropiti ki tetahi o nga tama a nga poropiti, a ka mea ki a ia, Whitikiria tou hope, ka mau i tenei pounamu hinu i tou ringa, ka haere ki Ramoto Kireara.
ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, ary midìra, ka manaingà azy hiala amin'ny namany, ary ento any amin'ny efi-trano anatiny izy;
E tae koe ki reira, tirohia atu i reira a Iehu tama a Iehohapata tama a Nimihi, ka haere koe, ka mea i a ia kia whakatika i roto i ona tuakana, a ka mau i a ia ki tetahi ruma i roto.
ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin'ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
Katahi ka mau ki te pounamu hinu, ka riringi ki runga ki tona matenga, ka mea, Ko te kupu tenei a Ihowa, Ka oti koe te whakawahi e ahau hei kingi mo Iharaira. Ko reira koe uaki ai i te tatu, ka rere, a kaua e whakaroa.
Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon'ny mpaminany, nankany Ramota-gileada.
Heoi haere ana taua taitama, ara te taitama, te poropiti, ki Ramoto Kireara.
Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô.
A, no tona taenga atu, na ko nga rangatira o te ope e noho ana; a ka mea ia, He kupu taku ki a koe, e te rangatira. Ano ra ko Iehu, Ki a wai koia o matou katoa? Ano ra ko tera, Ki a koe, e te rangatira.
Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko.
Na whakatika ana ia, a haere ana ki roto ki te whare; na ringihia ana e tera te hinu ki tona matenga, a ka mea ki a ia, Ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira, Ka oti koe te whakawahi e ahau hei kingi mo ta Ihowa iwi, mo Iharaira.
Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.
A mau e patu te whare o Ahapa, o tou ariki, kia whai utu ai ahau mo nga toto o aku pononga, o nga poropiti, mo nga toto hoki o nga pononga katoa a Ihowa, i te ringa o Ietepere.
Eny, ho fongotra ny taranak'i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin'ny Isiraely;
Ka ngaro hoki te whare katoa o Ahapa: a ka hautopea atu e ahau i a Ahapa nga tamariki tane katoa, me nga mea i tutakina atu, i mahue ranei i roto i a Iharaira.
Ary ny taranak'i Ahaba hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia;
A ka meinga e ahau te whare o Ahapa kia rite ki te whare o Ieropoama tama a Nepata, ki te whare hoki o Paaha tama a Ahia.
Ary Jezebela hohanin'ny alika ao amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.
Na ma nga kuri e kai a Ietepere ki te wahi o Ietereere, a kahore he tangata hei tanu i a ia. Na uakina ana e ia te tatau, a rere ana.
Ary Jeho nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
Katahi a Iehu ka puta mai ki waho, ki nga pononga a tona ariki; a ka mea tetahi ki a ia, Kei te pai ranei? he aha tenei poauau i haere mai ai ki a koe? Ano ra ko ia ki a ratou, E mohio ana koutou ki te tangata ra, ki ana korero hoki.
Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho.
Ano ra ko ratou, He teka: korerotia mai ki a matou inaianei. Na ka mea ia, Koia ano tenei ana korero ki ahau, Ko ta Ihowa kupu tenei, Ka oti koe te whakawahi e ahau hei kingi mo Iharaira.
Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
Na hohoro tonu ratou, ka mau ki tona kakahu, ki tona kakahu, wharikitia iho ki raro i a ia, i runga i te arawhata, a whakatangihia ana te tetere, me te ki ano, Ko Iehu te kingi.
Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;
Heoi whakatupuria ana e Iehu tama a Iehohapata tama a Nimihi he he mo Iorama. Na i puritia e Iorama, e ratou ko Iharaira katoa, a Ramoto Kireara, he whakaaro ki a Hataere kingi o Hiria:
Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
Ko Kingi Iehorama ia kua hoki ki Ietereere kia rongoatia ona tunga i tu ai ia i nga Hiriani i tana whawhai ki a Hataere kingi o Hiria. Na ka mea a Iehu, Mehemea ko to koutou whakaaro tenei, na kei tukua tetahi ki waho, kei puta atu i te pa, ka h aere ka korero ki Ietereere.
Dia niakatra teo amin'ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan'ny Joda, efa nidina hamangy an'i Jorama.
Heoi eke ana a Iehu ki te hariata, a haere ana ki Ietereere; i reira hoki a Iorama e takoto ana. A ko Ahatia kingi o Hura kua riro ki raro, kia kite i a Iorama.
Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
Na ko te kaitutei i runga i te pourewa i Ietereere e tu ana, a ka kitea e ia te ropu a Iehu i a ia e haere mai ana, na ka mea, Kei te kite atu ahau i te ope tangata. Na ka mea a Iehorama, Tikina he tangata eke hoiho, ka unga ki te whakatutaki i a ratou, a mana e mea atu, He pai ranei?
Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
Heoi haere ana tetahi i runga i te hoiho ki te whakatau i a ia a ka mea, Ko te kupu tenei a te kingi, He pai ranei? Ano ra ko Iehu, Hei aha mau te pai? haere ake ki muri i ahau. A ka korero te kaitutei, ka mea, I tae te karere ki a ratou, otiia kahore ano kia hoki mai.
Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.
Katahi ka unga ano e ia tetahi atu kaieke hoiho, a ka tae tera ki a ratou, ka mea, Ko te kupu tenei a te kingi, He pai ranei? Ano ra ko Iehu, Hei aha mau te pai? hui ake koe ki muri i ahau.
Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
Na ka korero te kaitutei, ka mea, I tae ia ki a ratou, ehoi kahore ano kia hoki mai: a ko te whui o te hariata, rite tonu ki te whiu a te hariata, rite tonu ki te whiu a Iehu tama a Nimihi; he porangi rawa hoki tana whiu.
Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita izy.
Na ka mea a Iehorama, Whakanohoia. Na whakanohoia ana e ratou tona hariata. A ka puta a Iehorama kingi o Iharaira raua ko Ahatia kingi o Hura i runga i tona hariata, i tona hariata, a haere ana ki te whakatutaki i a Iehu, a tutaki ana ki a ia ki te wahi o Napoto Ietereeri.
Ary Jorama, nony nahita an'i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan'i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
Na, i te kitenga o Iehorama i a Iehu, ka mea ia, He pai ranei, e Iehu? Ano ra ko ia, He pai aha, i te hanga e hua tonu ana nga moepuku me nga mahi makutu a tou whaea, a Ietepere?
Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin'i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.
Na ka huri nga ringa o Iehorama, a rere ana, me te karanga ano ki a Ahatia, He kopeka, e Ahatia!
Ary nohenjanin'i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan'ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin'ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin'ny kalesiny.
Na kumea ana e Iehu tana kopere ki tona kaha katoa, a perea ana a Iehorama ki waenga pu o ona ringa, a puta atu ana te pere i tona ngakau, a hinga iho ana ia i roto i tona hariata.
Ary hoy Jeho tamin'i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
Katahi ka mea a Iehu ki a Pirikara, ki tana rangatira, Hikitia ake, maka atu ia ki te wahi o te mara a Napoto Ietereeri: kia mahara hoki, i to taua haerenga i runga hoiho i muri i a Ahapa, i tona papa, ka whakapikaua e Ihowa tenei pikaunga ki ru nga ki a ia;
Efa hitako tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io araka ny tenin'i Jehovah.
I kitea putia e ahau inanahi nga toto o Napoto, me nga toto o ana tama, e ai ta Ihowa; a ka utua koe e ahau ki tenei wahi, e ai ta Ihowa. Na reira, tikina, maka ia ki taua wahi whenua, kia rite ki te kupu a Ihowa.
Ary nony hitan'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izany, dia nandositra tamin'ny lalana mankamin'ny trano ao anatin'ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan'i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
Otiia, i te kitenga o Ahatia kingi o Hura i tenei, rere ana ia na te ara o te whare kari. Na whaia ana ia e Iehu, a i mea tera, Patua ano hoki ia i runga i te hariata; na patua ana ia e ratou i te pikitanga ki Kuru, ki tera i te taha o Ipereama. Na rere ana ia ki Mekiro, a mate iho ki reira.
Ary ny mpanompony nitondra azy tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida.
Na kawea ana ia e ana tangata i runga i te hariata ki Hiruharama, a tanumia ana ki tona urupa, ki ona matua i te pa o Rawiri.
Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, no vao nanjakan'i Ahazia tamin'ny tany Joda.
No te tekau ma tahi o nga tau o Iorama tama a Ahapa i kingi ai a Ahatia ki Hura.
Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.
Na, i te haerenga o Iehu ki Ietereere, ka rongo a Ietepere; na ka pania e ia ona kanohi, a ka tino whakapaipaitia tona mahunga, a ka titiro atu ia i te matapihi.
Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo?
Na, i a Iehu e tomo mai ana i te kuwaha, ka mea tera, He rongo mau ranei, e koe, e te Timiri, e te kaikohuru i tou ariki?
Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy.
Na ka maranga ake tona mata ki te matapihi, ka mea, Ko wai toku? ko wai ra? Na ka titiro iho etahi unaka, tokorua, tokotoru, ki a ia.
Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin'ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin'i Jeho izy.
Na ka mea ia, Maka iho ia ki raro. Heoi maka iho ana e ratou; a parati ana etahi o ona toto ki te pakitara, a ki runga hoki ki nga hoiho; a takahia ana ia e ia ki raro ki ona waewae.
Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy.
Na haere ana ia ki roto, kei te kai, kei te inu; a ka mea ia, Tena tirohia te wahine kua kanga nei, a tanumia ia: he tamahine kingi hoki ia.
Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany.
Na haere ana ratou ki te tanu i a ia; otiia kahore he wahi ona i kitea e ratou, ko te angaanga anake, ko nga waewae, ko nga kapu o ona ringa.
Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an'i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin'ny tany Jezirela no hihinanan'ny alika ny nofon'i Jezebela,
No reira hoki ana ratou, a ka korero ki a ia. A ka mea ia, Ko te kupu tenei a Ihowa, i korerotia ra e tana pononga, e Iraia Tihipi, i mea ra ia, Hei te wahi o Ietereere kainga ai e nga kuri nga kikokiko o Ietepere.
Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
A ka waiho te tinana o Ietepere hei para hamiti ki runga ki te mate o te parae i te wahi o Ietereere; a kahore e kiia, Ko Ietepere tenei.