II Kings 20

Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
I aua ra ka mate a Hetekai, whano marere, Na ka tae mai a Ihaia poropiti tama a Amoho ki a ia, ka mea ki a ia, Ko te kupu tenei a Ihowa, Whakahaua iho tou whare; no te mea ka mate koe, kahore e ora.
Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe:
Katahi ka tahuri tona mata ki te pakitara, ka inoi ki a Ihowa, ka mea,
Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
Tena ra, e Ihowa, kia mahara ki oku haereerenga i tou aroaro i runga i te pono, i te ngakau tapatahi, ki taku meatanga i te pai ki tau titiro. Na tangi ana a Hetekia, nui atu te tangi.
Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
Na kahore ano a Ihaia kia puta noa ki waenganui o te pa, kua puta mai te kupu a Ihowa ki a ia, kua mea,
Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.
Hoki atu, mea atu ki te rangatira o taku iwi, ki a Hetekia, Ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o Rawiri, o tou tupuna, Kua whakarangona tau inoi e ahau, a kua kite ahau i ou roimata: nana, me whakaora koe e ahau: hei te toru o nga ra ka haere ko e ki runga, ki te whare o Ihowa.
Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
Ka tapiritia ano e ahau ou ra ki nga tau kotahi tekau ma rima: a ka whakaorangia koe me tenei pa e ahau i te ringa o te kingi o Ahiria; a ka tiakina e ahau tenei pa, he whakaaro ki ahau ano, ki taku tangata hoki, ki a Rawiri.
Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.
I ki ano hoki a Ihaia, Tikina he papa piki. Na tikina ana e ratou, whakapakia ana ki te whewhe, na kua ora ia.
Ary hoy Hezekia tamin'i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin'i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon'i Jehovah raha afaka ampitso?
Na ka mea a Hetekia ki a Ihaia, He aha te tohu moku ka whakaorangia ahau e Ihowa? moku ka haere i te toru o nga ra ki te whare o Ihowa?
Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo?
Ano ra ko Ihaia, Ko te tohu tenei a Ihowa ki a koe, ka oti i a Ihowa tana kupu i korero ai ia: kia tekau ranei nga nekehanga e neke atu ai te atarangi; kia tekau ranei nga whakahokinga e hoki ai?
Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan'ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny folo.
Ano ra ko Hetekia, He mea noa iho kia tekau nga nekehanga e neke atu ai te atarangi; erangi kia tekau nga nekehanga e hoki ai te atarangi ki muri.
Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin'i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin'ny dialin'i Ahaza.
Katahi a Ihaia poropiti ka karanga ki a Ihowa, a whakahokia ana e ia te atarangi, tekau nga nekehanga, o nga nekehanga i heke iho ai i te whakaatu haora a Ahata.
Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Berodaka baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
I taua wa ka tukua e Peroraka Pararana, tama a Pararana kingi o Papurona he pukapuka me tetahi hakari ki a Hetekia: no te mea i rongo ia i te mate a Hetekia.
Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.
A i whakarongo a Hetekia ki a ratou, whakakitea ana e ia ki a ratou te whare katoa o ana mea papai, te hiriwa, te koura, nga kinaki kakara, te hinu utu nui, me te whare o ana mea mo te whawhai me nga mea katoa i rokohanga ki roto ki ona taonga: kahore tetahi mea o tona whare, o tona kingitanga katoa, i kore te whakakitea e Hetekia ki a ratou.
Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
Katahi ka haere mai a Ihaia poropiti ki a Kingi Hetekia, ka mea ki mai hoki ratou ki a koe i hea? Ano ra ko Hetekia, i haere mai ratou i te whenua hoi, i Papurona.
Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin'ny firaketako rehetra.
Ano ra ko tera, He aha nga mea i kitea e ratou ki tou whare? Ka whakahokia e Hetekia, Kua kitea e ratou nga mea katoa i toku whare: kahore tetahi mea o oku taonga i kore te whakakitea e ahau ki a ratou.
Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah:
Na ka mea a Ihaia ki a Hetekia, Whakarongo ki te kupu a Ihowa.
Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
Nana, kei te haere mai nga ra e kawea ai nga mea katoa o tou whare, me nga mea kua rongoatia nei e ou matua taea noatia tenei ra, ki Papurona: e kore tetahi mea e mahue, e ai ta Ihowa.
Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.
A ka tangohia e ratou etahi o au tama e puta mai i roto i a koe, e whanau mau; a hei unaka ratou i roto i te whare o te kingi o Papurona.
Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?
Ano ra ko Hetekia ki a Ihaia, He pai te kupu a Ihowa i korerotia mai na e koe. I mea ano hoki ia, Ehara oti i te pai ki te mau te rongo me te pono i oku ra?
Ary ny tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
Na, ko era atu meatanga a Hetekia me ana mahi toa katoa, me tana hanganga i te puna, i te awakeri, a whakaputaina ana e ia he wai ki te pa, kihai ianei ena i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Hura?
Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy
Na ka moe a Hetekia ki ona matua, a ko tana tama, ko Manahi, te kingi i muri i a ia.