II Kings 14

Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda.
No te rua o nga tau o Ioaha tama a Iehoahata kingi o Iharaira i kingi ai a Amatia tama a Ioaha kingi o Hura.
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
E rua tekau ma rima ona tau i a ia ka kingi nei, a e rua tekau ma iwa nga tau i kingi ai ia ki Hiruharama. Ko te ingoa hoki o tona whaea ko Iehoarana, no Hiruharama.
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon'i Joasy rainy ihany no nataony.
A he tika tana mahi ki te titiro a Ihowa, otiia kihai i rite ki ta tona tupuna, ki ta Rawiri. Rite tonu tana mahi ki nga mea katoa i mea ai tona papa a Ioaha.
Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
Ko nga wahi tiketike ia kahore i whakakahoretia: i patu whakahere tonu ano te iwi, i tahu whakakakara ki nga wahi tiketike.
Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
A, no te unga o te kingitanga ki tona ringa, ka patua e ia ana tangata, nana ra i patu te kingi, tona papa.
Fa ny zanak'ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona.
Ko nga tamariki ia a nga kaikohuru kihai i whakamatea e ia, kia rite ai ki te mea i tuhituhia ki te pukapuka o te ture a Mohi, ki ta Ihowa hoki i whakahau ai, i ki ai, Kaua e whakamatea nga matua mo ta nga tamariki, kaua ano hoki e whakamatea nga tamariki mo ta nga matua; engari mate iho tenei, tenei, mo tona hara ake.
Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i Sela tamin'ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
I patua e ia o nga Eromi ki te Raorao Tote tekau nga mano, a riro ana i a ia a Hera i te whawhai, a huaina iho e ia te ingoa ko Iokoteere, e mau nei a taea noatia tenei ra.
Tamin'izany Amazia dia naniraka olona tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
Katahi a Amatia ka unga tangata ki a Iehoaha tama a Iehoahata tama a Iehu kingi o Iharaira, ka mea, Haere mai, taua ka titiro ki a taua.
Fa Joasy mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
Na ka unga tangata a Iehoaha kingi o Iharaira ki a Amatia kingi o Hura, hei mea, I unga tangata te tataramoa i Repanona ki te hita i Repanona, i mea, Homai tau tamahine hei wahine ma taku tama. Na, ko te haerenga atu o tetahi kararehe o te parae i Repanona, takahia iho e ia taua tataramoa.
Efa namely an'i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
He tika i patua e koe a Eroma, a hikitia ana koe e tou ngakau: ko tena hei whakapehapeha mau, ka noho i tou whare. He aha koe ka whakapataritari ai, hei kino ano mou, e hinga ai koe, a koe me Hura?
Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
Otiia kihai a Amatia i rongo. Na haere ana a Iehoaha kingi o Iharaira, a titiro ana raua ko Amatia kingi o Hura ki a raua ki Petehemehe o Hura.
Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
Na ka patua a Hura i te aroaro o Iharaira, a rere ana ki tona teneti, ki tona teneti.
Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
Na ka hopukia a Amatia kingi o Hura tama a Iehoaha, tama a Ahatia, e Iehoaha kingi o Iharaira ki Petehemehe. Na ka haere tera ki Hiruharama, wahia ana e ia te taiepa o Hiruharama i te kuwaha o Eparaima tae noa ki te kuwaha o te koki, e wha rau n ga whatianga.
Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
Tangohia ake hoki e ia te koura katoa me te hiriwa, me nga oko katoa i kitea ki te whare o Ihowa, ki nga taonga o te whare o te kingi, me etahi tangata hei taumau i te ata noho, a hoki ana ki Hamaria.
Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'ny heriny sy ny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
Na, ko era atu meatanga i mea ai a Iehoaha me ana mahi toa, me tana whawhai ki a Amatia kingi o Hura, kahore ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Iharaira?
Ary Joasy lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
Na ka moe a Iehoaha ki ona matua, a tanumia ana ki Hamaria ki nga kingi o Iharaira; a ko tana tama, ko Ieropoama te kingi i muri i a ia.
Ary ny andro niainan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahada, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
A kotahi tekau ma rima nga tau i ora ai a Amatia tama a Ioaha kingi o Hura i muri i te matenga o Iehoaha tama a Iehoahata kingi o Iharaira.
Ary ny tantaran'i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
Na, ko era atu meatanga a Amatia, kahore ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Hura?
Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
Na ka whakatupu ratou i te he mona ki Hiruharama; a rere ana ia ki Rakihi: otiia i tonoa e ratou he tangata ki te whai i a ia ki Rakihi, a patua iho ia ki reira.
Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy.
Na mauria ana ia i runga hoiho, a tanumia ana ki Hiruharama ki ona matua ki te pa o Rawiri.
Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Azaria, izay vao enina ambin'ny folo taona tamin'izay, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
Na ka mau te iwi katoa o Hura ki a Ataria, tekau ma ono ona tau, a meinga ana ia e ratou hei kingi i muri i tona papa, i a Amatia.
Izy no hanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka.
Nana Erata i hanga, i whakahoki ano ki a Hura, i muri iho ka moe te kingi ki ona matua.
Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
No te tekau ma rima o nga tau o Amatia tama a Ioaha kingi o Hura i kingi ai a Ieropoama tama a Ioaha kingi o Iharaira ki Hamaria, e wha tekau ma tahi nga tau i kingi ai ia.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa: kihai i mahue i a ia tetahi hara o Ieropoama tama a Nepata i hara ai a Iharaira.
Izy no nampody ny sisin-tanin'ny Isiraely ka azony hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny ranomasin'ny tani-hay, araka ny tenin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak'i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera.
Nana i whakahoki te rohe o Iharaira, i te haerenga atu ki Hamata a tae noa ki te moana o te Arapaha; i rite ai te kupu a Ihowa, a te Atua o Iharaira, ara ta tana pononga, ta Hona poropiti tama a Amitai o Katahewhere i korero ai.
Fa efa hitan'i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian'ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
I kite hoki a Ihowa i te tukinotanga o Iharaira, he kino rawa; kihai tetahi i tutakina ki roto, i mahue noa atu ranei, kahore hoki he kaiwhakaora mo Iharaira.
Fa tsy mba nolazain'i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy.
Kihai hoki a Ihowa i ki kia horoia atu te ingoa o Iharaira i raro i te rangi: engari i meinga e ia kia whakaorangia ratou e te ringa o Ieropoama tama a Ioaha.
Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa mbamin'izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'ny Joda fahiny, ho an'ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
Na, ko era atu meatanga a Ieropoama me ana mahi katoa, me ana mahi toa, ana whawhai, tana whakahokinga i Ramahiku, i Hamata, no Hura ra i mua, ki a Iharaira, kihai ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Iharaira?
Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.
Na ka moe a Ieropoama ki ona matua, ki nga kingi o Iharaira; a ko tana tama, ko Hakaraia te kingi i muri i a ia.