II Chronicles 8

Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny tenany,
Na, i te mutunga o nga tau e rua tekau i hanga ai e Horomona te whare o Ihowa, me tona whare ake,
dia namboariny ny tanàna izay nomen'i Hirama azy ka namponenany ny Zanak'isiraely.
Ka hanga e Horomona nga pa i homai e Hurama ki a Horomona, a whakanohoia ana e ia nga tama a Iharaira ki reira.
Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
Na haere ana a Horomona ki Hamatatopa, hinga ana a reira i a ia.
Ary nanorina an'i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
I hanga ano e ia a Taramoro i te koraha, me nga pa taonga katoa i hanga nei e ia ki Hamata.
Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
I hanga ano e ia a Petehorono ki runga, me Petehorono ano ki raro; he pa kapi tonu i te taiepa, i te keti, i te tutaki;
ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an'i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.
Me Paarata, me nga pa taonga katoa a Horomona, me nga pa hariata, me nga pa hoia eke hoiho, me nga mea katoa i hiahia ai a Horomona kia hanga ki Hiruharama, ki Repanona, ki te whenua katoa o tona kingitanga.
Ary ny amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Isiraely
Ko te hunga katoa i mahue o nga Hiti, o nga Amori, o nga Perihi, o nga Hiwi, o nga Iepuhi, ehara nei i a Iharaira;
dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.
Ko a ratou tama i toe i muri i a ratou ki te whenua, he mea kihai i ngaro i nga tama a Iharaira, meinga ana ratou e Horomona hei homai takoha a mohoa noa nei.
Fa ny Zanak'isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin'ny mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
Ko nga tama ia a Iharaira, kihai o ratou i meinga e Horomona hei pononga mo tana mahi; engari hei tangata whawhai ratou, hei rangatira mo ana rangatira, hei rangatira ano mo ana hariata, mo ana hoia eke hoiho.
Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
A ko nga rangatira ano enei o nga kaitohutohu a Kingi Horomona, e rua rau e rima tekau, hei rangatira mo te iwi.
Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.
I kawea atu hoki e Horomona te tamahine a Parao i te pa o Rawiri ki te whare i hanga e ia mona. I mea hoki ia, Kaua taku wahine e noho ki te whare o Rawiri kingi o Iharaira; he tapu hoki nga wahi i tae ai te aaka a Ihowa.
Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;
Na ka whakaekea e Horomona he tahunga tinana ma Ihowa ki runga ki te aata a Ihowa i hanga nei e ia ki mua i te whakamahau.
eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.
Ko te mea o tenei ra, o tenei ra; rite tonu te whakaeke ki ta Mohi i whakahau ai, i nga hapati, i nga kowhititanga marama, i nga hakari nunui, e toru nga meatanga i te tau, ara i te hakari taro rewenakore, i te hakari o nga wiki, i te hakari wha re tihokahoka.
Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.
I whakaritea ano e ia ta tona papa, ta Rawiri, mo nga wehenga o nga tohunga ki ta ratou mahi, mo nga Riwaiti ki ta ratou mahi, ki te whakamoemiti, ki te minita ki te aroaro o nga tohunga, ki nga meatanga o tenei ra, o tenei ra: mo nga kaitiaki k uwaha ano, mo o ratou wehenga ki nga kuwaha; ko te mea hoki tena i whakahaua e Rawiri, e ta te Atua tangata.
Ary tsy nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny rakitra.
Kihai hoki ratou i peka ke i te whakahau a te kingi ki nga tohunga, ki nga Riwaiti, mo nga mea katoa, mo nga taonga.
Toy izany no nanamboaran'i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny tranon'i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah.
Na kua rite te mahi katoa a Horomona tae rawa ake te ra i tu ai te whare o Ihowa, taea noatia tona otinga. Na kua tino oti te whare o Ihowa.
Ary tamin'izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron'ny ranomasina any amin'ny tany Edoma,
Katahi a Horomona ka haere ki Ehiono Kepere, ki Eroto, ki te taha o te moana i te whenua o Eroma.
ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.
Na ka unga mai e Hurama ana tangata ki a ia hei kawe mai i nga kaipuke me etahi tangata e mohio ana ki te moana; a rere ana ratou ko nga tangata a Horomona ki Opira, tangohia ana e ratou he koura e wha rau e rima tekau taranata, kawea ana ki a K ingi Horomona.