II Chronicles 30

Ary Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon'i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Na ka tono tangata a Hetekia ki a Iharaira katoa raua ko Hura; i tuhituhia ano e ia he pukapuka ki a Eparaima raua ko Manahi kia haere mai ki te whare o Ihowa ki Hiruharama, ki te mahi i te kapenga a Ihowa, a te Atua o Iharaira.
Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin'ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana ny Paska amin'ny volana faharoa.
Kua oti hoki te whakaaro te whakatakoto e te kingi, ratou ko ana rangatira, ko te whakaminenga katoa i Hiruharama, kia mahia te kapenga i te rua o nga marama.
Nefa tsy nahatandrina azy tamin'izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema.
Kihai hoki i ahei te mahi i taua wa, no te mea kiano i ata rite te tokomaha o nga tohunga i whakatapua; kiano hoki te iwi i huihui ki Hiruharama.
Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
A tika tonu taua mea ki te titiro a te kingi, ki te titiro ano a te whakaminenga katoa.
Dia nandidy handefa teny eran'ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan'ny olona hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.
Heoi ka whakatakotoria te korero kia karangatia nuitia puta noa i a Iharaira i Peerehepa atu a tae noa ki Rana, kia haere mai ki te mahi i te kapenga a Ihowa, a te Atua o Iharaira ki Hiruharama: kihai ano hoki i mahia peratia e te nui tangata me te mea i tuhituhia.
Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo mpanjakan'i Asyria.
Heoi haere ana nga kaikawe i nga pukapuka a te kingi ratou ko ana rangatira puta noa i a Iharaira raua ko Hura, pera ana me ta te kingi i whakahau ai; hei ki atu, E nga tama a Iharaira, hoki mai ki a Ihowa ki te Atua o Aperahama, o Ihaka, o Ihara ira, a ka hoki mai ia ki nga morehu o koutou i mawhiti nei i te ringa o nga kingi o Ahiria.
Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.
Kei rite hoki ki o koutou matua, ki o koutou tuakana, teina, i he nei ki a Ihowa, ki te Atua o o ratou matua; na tukua ana ratou e ia ki te whakangaro; koia ano tena ka kitea na e koutou.
Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
Na kaua e whakapakeketia o koutou kaki, kei rite ki o koutou matua; engari e tuku i a koutou ki a Ihowa, ka tomo ki tona wahi tapu i whakatapua nei e ia mo ake tonu atu: e mahi ki a Ihowa, ki to koutou Atua, a ka tahuri atu i a koutou tona riri e mura nei.
Fa raha miverina amin'i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
Ki te tahuri hoki koutou ki a Ihowa, ka tohungia o koutou tuakana, teina, me a koutou tamariki e nga tangata nana ratou i whakarau, a ka hoki mai ratou ki tenei whenua; he atawhai hoki, he mahi tohu ta Ihowa, ta to koutou Atua; e kore hoki tona m ata e tahuri ke i a koutou, ki te hoki koutou ki a ia.
Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin'ny tanin'ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin'ny Zebolona; fa nihomehezan'ny olona sy novazivaziny foana izy.
Heoi haere ana nga kaikawe pukapuka i tenei pa ki tenei pa puta noa i te whenua o Eparaima, o Manahi, a tae noa ki Hepurona. Otiia kataina iho ratou, tawaia iho.
Kanefa kosa ny tamin'ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
I whakaiti ia etahi tangata o Ahera, o Manahi, o Hepurona, i a ratou, a haere ana ki Hiruharama.
Ary ny tànan'Andriamanitra dia napetrany tamin'ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin'i Jehovah.
I runga ano hoki i a Hura te ringa o te Atua hei homai i te ngakau kotahi ki a ratou ko nga rangatira i whakahau ai, ara i ta Ihowa i ki ai.
Ary tamin'ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.
Na he nui te iwi i huihui ki Hiruharama ki te mahi i te hakari o te taro rewenakore i te rua o nga marama, nui atu te whakaminenga.
Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
Na whakatika ana ratou, kei te tango i nga aata i Hiruharama, kei te tango ano i nga aata tahu whakakakara, a maka ana ki te awa ki Kitirono.
Dia namono ny Paska izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon'i Jehovah.
Katahi ka patua te kapenga i te tekau ma wha o te rua o nga marama. A i whakama nga tohunga ratou ko nga Riwaiti, a whakatapua ana ratou e ratou ano, kawea ana e ratou he tahunga tinana ki te whare o Ihowa.
Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan'ny Levita.
A tu ana ratou i to ratou turanga, i te wahi i whakaritea mo ratou, pera ana me ta te ture a Mohi, a ta te Atua tangata: ko nga tohunga hei tauhi i nga toto, ko nga Riwaiti hei homai.
Fa nisy maro tao amin'ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an'i Jehovah.
He tokomaha hoki i roto i te whakaminenga kihai nei i whakatapu i a ratou: heoi ko nga Riwaiti hei patu i nga kapenga ma te hunga katoa kihai i purea, hei whakatapu i a ratou ki a Ihowa.
Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin'ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an'ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà
He tokomaha hoki o te iwi, ara he tokomaha no Eparaima, no Manahi, no Ihakara, no Hepurona, kihai i pure i a ratou, heoi kai ana ratou i te kapenga he mea kihai i rite ki ta te tuhituhi. Otiia i inoi a Hetekia mo ratou, i mea, Ma Ihowa, ma te Me a pai e muru te he o nga tangata katoa,
izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan'ny fitoerana masina aza izy.
E whakapai ana i o ratou ngakau ki te rapu i te Atua, i a Ihowa, i te Atua o o ratou matua, ko to ratou purenga ia kihai i rite ki to te wahi tapu.
Ary Jehovah nihaino an'i Hezekia ka nahasitrana ny olona.
Na, ka whakarongo a Ihowa ki a Hetekia, a whakaorangia ana e ia te iwi.
Ary ny Zanak'isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an'i Jehovah isan'andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an'i Jehovah.
A mahia ana e nga tama a Iharaira i kitea ki Hiruharama te hakari taro rewenakore, e whitu nga ra, nui atu te koa; whakamoemititia ana a Ihowa e nga Riwaiti ratou ko nga tohunga i tenei ra, i tenei ra, me te waiata ano i runga i nga mea tangi nu i, he mea ki a Ihowa.
Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an'i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
A i whakamarie a Hetekia i nga ngakau o nga Riwaiti katoa i mohio pai nei ki te ritenga o te mahi ki a Ihowa, a kai ana ratou i te kai o taua hakari, e whitu nga ra, patua ana e ratou nga whakahere mo te pai, whaki ana ki a Ihowa, ki te Atua o o ratou matua.
Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin'ny hafaliana izy.
Na ka whakatakotoria te whakaaro e te whakaminenga katoa, kia mahia etahi atu ra e whitu. A koa ana ratou i a ratou e mahi ana i aua ra e whitu.
Fa Hezekia, mpanjakan'ny Joda, nanome vantotr'ombilahy arivo sy ondry aman'osy fito arivo ho an'ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr'ombilahy arivo sy ondry aman'osy iray alina ho an'ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.
I homai hoki e Hetekia kingi o Hura ki te whakaminenga hei whakahere etahi puru kotahi mano, etahi hipi e whitu mano; i homai ano e nga rangatira ki te whakaminenga etahi puru kotahi mano, etahi hipi tekau mano. He tokomaha ano hoki nga tohunga i whakatapu i a ratou.
Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin'ny Isiraely mbamin'ny vahiny izay avy tany amin'ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.
Na koa tonu te whakaminenga katoa o Hura, ratou ko nga tohunga, ko nga Riwaiti, me te whakaminenga katoa i haere mai nei i a Iharaira me nga manene i haere mai nei i te whenua o Iharaira ki Hura noho ai.
Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin'ny andron'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema.
Heoi he nui te koa i Hiruharama, no te mea no nga ra ano o Horomona tama a Rawiri kingi o Iharaira kahore he penei me tenei i Hiruharama.
Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin'Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masina, ny fivavany.
Hatahi ka whakatika nga tohunga, nga Riwaiti, a manaakitia ana e ratou te iwi, a i rangona to ratou reo, i tae atu ano hoki ta ratou inoi ki tona nohoanga tapu, ki te rangi.