II Chronicles 21

Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
Na kua moe a Iehohapata ki ona matua, kua tanumia ki ona matua ki te pa o Rawiri; a ko Iehorama, ko tana tama, te kingi i muri i a ia.
Ary nanan-drahalahy, zanak'i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Isiraely.
He teina ano ona, he tama na Iehohapata, ko Ataria, ko Tehiere, ko Hakaraia, ko Ataria, ko Mikaera, ko Hepatia. Ko enei katoa he tama na Iehohapata kingi o Iharaira.
Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin'ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an'i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
I hoatu hoki etahi hakari nui e to ratou papa ki a ratou, he hiriwa, he koura, he taonga utu nui, he pa taiepa i Hura: ko te kingitanga ia i hoatu e ia ki a Iehorama; no te mea ko ia te matamua.
Ary raha vao nanjaka tamin'ny fanjakan'ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin'ny mpanapaka sasany tamin'ny Isiraely koa tamin'ny sabatra.
A, ka kake a Iehorama ki te kingitanga o tona papa, ka whai kaha, na patua iho e ia ona teina katoa ki te hoari, me etahi o nga rangatira o Iharaira.
Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
E toru tekau ma rua nga tau o Iehorama i a ia i kingi ai, a e waru ona tau i kingi ai ia ki Hiruharama.
Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba fa zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
Na haere ana ia i te ara o nga kingi o Iharaira, pera ana me ta te whare o Ahapa i mea ai; he wahine hoki nana te tamahine a Ahapa; heoi he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa.
Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin'ny taranany.
Otiia kihai i pai a Ihowa ki te whakangaro i te whare o Rawiri: i whakaaro ki te kawenata i whakaritea e ia ki a Rawiri, ki tana hoki i ki ai, ka hoatu he rama ki a ia, ki ana tama, i nga ra katoa.
Tamin'ny andron'i Jehorama no niodinan'ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.
I ona ra ka maunu a Eroma i raro i te ringa o Hura, a whakakingitia ake e ratou he kingi mo ratou.
Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin'ny kalesy.
Katahi ka haere a Iehorama ratou ko ana rangatira, me ana hariata katoa. Na maranga ana ia i te po, a patua iho e ia nga Eromi i karapotia ai ia, ratou ko nga rangatira o nga hariata.
Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin'izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an'i Jehorama, satria efa nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
Heoi kua maunu a Eroma i raro i te ringa o Hura a taea noatia tenei ra. I maunu ano a Ripina i taua wa i raro i tona ringa, nona hoki i whakarere i a Ihowa, i te Atua o ona matua.
Ary nanao fitoerana avo teny an-tendrombohitr'i Joda koa izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany.
Na i hanga e ia he wahi tiketike ki nga maunga o Hura, a meinga ana e ia nga tangata o Hiruharama kia moepuku, i kumea hoki e ia a Hura ki te he.
Ary nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin'ny lalan'i Josafata rainao, na ny lalan'i Asa, mpanjakan'ny Joda,
Na kua tae mai ki a ia he mea i tuhituhia e Iraia poropiti, e mea ana, Ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o tou papa, o Rawiri, Na, i te mea kihai koe i haere i nga ara o tou papa, o Iehohapata, i nga ara ano o Aha kingi o Hura;
fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan'ny taranak'i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
Engari haere ana koe i te ara o nga kingi o Iharaira, a meinga ana e koe a Hura, ratou ko nga tangata o Hiruharama, kia moepuku, kia rite ki nga moepuku o te whare o Ahapa; a patua ana e koe ou teina o te whare o tou papa, he hunga i pai ake i a koe:
dia, indro, hasian'i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin'ny biby fiompinao rehetra;
Nana, he nui te whiu e whiua ai e Ihowa tou iwi, au tamariki, au wahine, me ou rawa katoa:
ary ianao koa ho azon'ny aretina mafy, dia aretina amin'ny tsinainao, mandra-pialàlan'ny tsinainao isan'andro isan'andro noho ny aretina.
A tera e nui ou mate, he mate no ou whekau, no ka puta ki waho ou whekau i te mate i tenei ra, i tenei ra.
Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin'ny Etiopiana hamely an'i Jehorama;
Na whakaarahia ana e Ihowa hei whawhai ki a Iehorama te wairua o nga Pirihitini, o nga Arapi ano i tata ki nga Etiopiana.
ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an'ny ankohonan'ny mpanjaka mbamin'ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany.
Na ka whakaekea a Hura e ratou; kua pakaru ki roto, kahakina ake e ratou nga taonga katoa i rokohanga ki te whare o te kingi, ana tama, me ana wahine, kihai rawa tetahi tama ana i mahue ki a ia, ko Iehoahata anake, ko te whakaotinga o ana tama.
Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian'i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin'ny tsinainy izy.
I muri i tenei katoa ka patua e Ihowa ona whekau; he mate kihai i taea te rongoa.
Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon'ny aretiny; ka dia maty tamin'ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin'ny razany.
A ka maha nga ra, ka taea te mutunga o nga tau e rua, ka puta ona whekau ki waho, na tona mate hoki, a mate iho ia, he kino ona mate; kahore hoki a tona iwi tahunga mona pera me te tahunga mo ona matua.
Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
E toru tekau ma rua ona tau i tona kingitanga, a e waru ona tau i kingi ai ia ki Hiruharama: na kihai ia i matenuitia i tona haerenga; a tanumia ana ki te pa o Rawiri, engari kahore ki nga tanumanga o nga kingi.