I Thessalonians 1

Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
Na Paora, na ratou ko Hirawanu, ko Timoti, ki te hahi o te hunga o Teharonika i roto i te Atua Matua, i te Ariki hoki, i a Ihu Karaiti: Kia tau te aroha noa ki a koutou me te rangimarie.
Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay,
Whakawhetai tonu matou ki te Atua i nga wa katoa mo koutou katoa, me te whakahua i a koutou i a matou inoi;
sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika;
Mau tonu to matou mahara ki ta koutou mahi whakapono, ki te uaua o to koutou aroha, ki te u o te tumanako ki to tatou Ariki, ki a Ihu Karaiti, i te aroaro o te Atua, ara o to tatou Matua;
fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
E mohio ana hoki matou, e nga teina e arohaina nei e te Atua, ki to koutou whiriwhiringa.
fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
Kihai hoki ta matou rongopai i tae atu ki a koutou i runga i te kupu anake, engari i te kaha, i te Wairua Tapu, nui atu hoki te u o te ngakau; pera ano me koutou e matau na ki to matou ahua i roto i a koutou, he whakaaro ki a koutou.
Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina,
A ka whai koutou i ta matou tauira, i ta te Ariki hoki, i riro uaua atu na i a koutou te kupu, me te whakahari ano ia a te Wairua Tapu.
ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
No ka waiho koutou hei tauira ki te hunga whakapono katoa o Makeronia, o Akaia.
Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
I paku haere atu na hoki i a koutou te kupu a te Ariki, ehara i te mea i Makeronia, i Akaia anake, engari i puta atu to koutou whakapono ki te Atua ki nga wahi katoa; no reira kahore he rawa e puaki ai tetahi kupu a matou.
Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina,
Ko ratou nei hoki kei te korero mo matou, mo to matou taenga atu ki a koutou, mo to koutou tahuritanga mai hoki i nga whakapakoko ki te Atua, ki te mahi ki te Atua ora, ki te Atua pono;
ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
Ki te tatari ano hoki ki tana Tama i te rangi, i whakaarahia ake nei e ia i te hunga mate, ki a Ihu, e whakaora nei i a tatou i te riri meake nei puta.