I Samuel 27

Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin'ny tànan'i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin'ny tanin'ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran'ny tanin'ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin'ny tànany aho.
Na ka mea a Rawiri i roto i tona ngakau, Katahi ahau ka ngaro i te ringa o Haora a tetahi ra; kahore atu he mea pai moku i te hohoro o toku mawhiti atu ki te whenua o nga Pirihitini, kia ngakaukore ai a Haora ki te rapu ano i ahau i nga rohe kato a o Iharaira: penei ka mawhiti atu ahau i roto i tona ringa.
Ary niainga Davida nandeha mbamin'ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin'i Akisy, zanak'i Maoka, mpanjakan'i Gata.
Na whakatika ana a Rawiri, a haere ana ratou ko ona hoa e ono rau ki a Akihi tama a Maoko, ki te kingi o Kata.
Ary nitoetra tao amin'i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban'ny ankohonany avy, ary Davida mbamin'ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay novinadin'i Nabala.
Na ka noho a Rawiri ki a Akihi ki Kata, a ia me ana tangata, me te whare ano o tenei, o tenei, a Rawiri hoki ratou ko ana wahine tokorua, ko Ahinoama o Ietereere, ko Apikaira o Karamere, wahine a Napara.
Ary nambara tamin'i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.
A ka korerotia ki a Haora, kua rere a Rawiri ki Kata, na mutu ake tana rapu i a ia.
Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin'ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin'ny renivohitry ny fanjakana?
Na ka mea a Rawiri ki a Akihi, Ki te mea kua manakohia nei ahau e koe, kia homai e ratou tetahi wahi ki ahau i roto i tetahi o nga pa i te koraha, hei nohoanga moku: he aha hoki tau pononga i noho ai ki a koe i roto i te pa kingi?
Dia nomen'i Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka dia an'ny mpanjakan'ny Joda ambaraka androany Ziklaga.
Na ka homai e Akihi ki a ia i taua ra a Tikiraka: na reira nga kingi o Hura i whiwhi ai ki Tikiraka a mohoa noa nei.
Ary ny andro nitoeran'i Davida tany amin'ny tanin'ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
Na, ko te maha o nga ra i noho ai a Rawiri ki te whenua o nga Pirihitini, kotahi tau, e wha marama.
Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin'ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin'i Sora, hatramin'ny tany Egypta.
Katahi a Rawiri ka haere, ratou ko ana tangata, ka whakaeke i nga Kehuri, i nga Kireti, i nga Amareki; ko era hoki nga iwi kua noho noa ake ki tera whenua i tou haerenga ki Huru a te whenua o Ihipa atu ana.
Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman'osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin'i Akisy.
Na patua iho e Rawiri tera whenua; kihai hoki i whakaorangia tetahi tane, wahine ranei; a tangohia ana e ia nga hipi, nga kau, nga kaihe, nga kamera, me nga kakahu, a hoki ana, haere ana ki a Akihi.
Ary hoy Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay an'i Joda sy izay an'ny Jeramelita ary izay an'ny Kenita izahay.
Na ka mea a Akihi, Ko hea i whakaekea e koutou i tenei ra? Ano ra ko Rawiri, Ko te tonga o Hura, ko te tonga o nga Ierameeri, ko te taha ano ki te tonga o nga Keni.
Ary tsy nisy novelomin'i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon'i Davida, ary toy izany no fanaony tamin'ny andro rehetra nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
Kihai hoki i whakaorangia e Rawiri tetahi tane, wahine ranei, hei kawe i a ratou ki Kata; i mea hoki, Kei korero ratou i ta tatou, kei mea, I penei a Rawiri, a ko tana hanga ano tenei i nga ra katoa i noho ai ia ki te whenua o nga Pirihitini.
Ary Akisy nino an'i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin'ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.
Na whakapono tonu a Akihi ki ta Rawiri, a ka mea, Kua tino mea rawa ia i a ia kia whakariharihangia e tona iwi, e Iharaira: na reira hei tangata tuturu ia maku ake, ake.