I Samuel 14

Ary tamin'ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy.
Na i tetahi o aua ra ka mea a Honatana, tama a Haora, ki te taitama e mau ana i ana patu, Haere mai, taua ka whiti atu ki nga hoia pupuri a nga Pirihitini i tawahi ra. Otiia kihai i korerotia e ia ki tona papa.
Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin'i Gibea teo ambanin'ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy;
A i tera pito o Kipea a Haora e noho ana i raro i tetahi pamekaranete i Mikirono: tata tonu ana tangata ki te ono nga rau;
ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa, zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
Me Ahia ano hoki, tama a Ahitupu, tuakana o Ikaporo, tama a Pinehaha, tama a Eri tohunga a Ihowa i Hiro, ko te kaikakahu ia o te epora. Na kihai te iwi i mohio kua riro a Honatana.
Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan'ny hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana hankanesana ao amin'ny miaramilan'ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran'ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran'ny anankiray kosa Sene.
Na, i waenga o nga whitinga i whai ai a Honatana kia whiti atu ki nga hoia pupuri a nga Pirihitini, tera tetahi pari kohatu i tetahi taha, he pari kohatu hoki i tetahi taha: ko te ingoa o tetahi ko Potete, ko te ingoa o tetahi ko Henehe.
Ny iray amin'ireo harambato ireo dia nijoro avo teo andaniny avaratra manandrify an'i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an'i Gibea.
I te raki tetahi pari e tu ana, i te ritenga atu o Mikimaha; i te tonga tetahi, i te ritenga atu o Kipea.
Ary hoy Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy.
Na ka mea a Honatana ki te taitama e mau ana i ana patu, Haere mai, taua ka haere ki nga hoia o enei kokotikore: tera pea a Ihowa e mahi mo taua: kahore he aha ki a Ihowa kia riro ma te tokomaha, ma te tokoiti ranei e whakaora.
Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao.
Ano ra ko te kaimau o ana patu ki a ia, Meatia nga mea katoa e paingia ana e tou ngakau: anga atu, tenei ahau hei hoa mou, hei pera me ta tou ngakau e pai ai.
Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
Ano ra ko Honatana, Nana, me haere atu taua ki nga tangata ra, me whakaputa atu hoki ki a ratou.
Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy.
Ki te penei mai ta ratou ki a taua, Tu marie, kia tae atu ra ano matou ki a korua; na me tu taua i to taua turanga, e kore ano e piki ki a ratou.
Fa raha hoy kosa izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.
Engari ki te penei ta ratou ki, Piki ake ki a matou, ko reira taua piki atu ai; no te mea kua homai ratou e Ihowa ki o taua ringa: a ko tenei hei tohu ki a taua.
Dia niseho tamin'ny miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
Na ka puta raua tokorua ki nga hoia pupuri a nga Pirihitini: a ka mea nga Pirihitini, Nana, ko nga Hiperu e puta mai ana i roto i nga rua i piri ai ratou.
Ary ny miaramila namaly an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Isiraely izy.
Na ka oho nga hoia pupuri ki a Honatana raua ko tana kaimau patu, ka mea, Piki ake ki a matou kia whakakitea ai tetahi mea e matou ki a korua. Na ka mea a Honatana ki te kaimau o ana patu, Piki ake i muri i ahau; kua homai hoki ratou e Ihowa ki te ringa o Iharaira.
Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany.
Na ka piki atu a Honatana, he mea ngoki atu, me tana kaimau patu i muri i a ia: na hinga ana ratou i a Honatana, me te patu ano te kaimau patu i muri i a ia.
Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin'ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera.
Na, ko te patunga tuatahi i patu ai a Honatana raua ko tana kaimau patu, tata tonu ki te rua tekau nga tangata: ko te nui o taua wahi, me te mea kei te hawhe eka whenua.
Koa nisy hovitra tao amin'ny toby tany an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin'ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin'Andriamanitra.
Na ka pa te wiri ki te puni, ki era i te parae, ki te iwi katoa ano hoki: ko nga hoia, me nga kaipahua, i wiri ano hoki ratou; i ru ano te whenua: nui rawa te wiri.
Ary ny mpitilin'i Saoly ao Gibean'ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany.
A ka titiro nga tutei a Haora i Kipea o Pineamine; na, kua papahoro te ope, me te haere ano ratou, kopiko atu, kopiko mai.
Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
Katahi a Haora ka mea ki te iwi i reira, i a ia, Tatauria tatou kia kitea ko wai kua riro. A, no ka tatauria e ratou, na kahore a Honatana raua ko tana kaimau patu i reira.
Dia hoy Saoly tamin'i Ahia: Ento etỳ ny fiaran'Andriamanitra (fa teo amin'ny Zanak'Isiraely ny fiaran'Andriamanitra fahizany).
Na ka mea a Haora ki a Ahia, Kawea mai te aaka a te Atua. I nga tama hoki a Iharaira te aaka a te Atua i taua wa.
Ary raha Saoly mbola niresaka tamin'ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ an-tobin'ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin'ny mpisorona: Aoka ihany.
A, i a Haora e korero ana ki te tohunga, ka tino nui haere te ngangau i te puni o nga Pirihitini: na ka ki a Haora ki te tohunga, Pepeke ake tou ringa.
Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.
Na ka huihui a Haora ratou ko tona nuinga, a haere ana ki te whawhai: na e anga mai ana tera te hoari a tetahi, a tetahi, ki tona hoa, ki tona hoa: nui atu te pokaikaha.
Ary ny Hebreo izay teo amin'ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin'ny tany manodidina dia nikambana tamin'ny Isiraely izay teo amin'i Saoly sy Jonatana koa.
Na ko nga Hiperu i roto i nga Pirihitini i mua atu, i haere tahi atu nei me ratou ki te puni i te whenua i tetahi taha, i tetahi taha; na huri ana ano hoki ratou ki te taha i a Iharaira, ki nga hoa o Haora raua ko Honatana.
Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.
Na pera ano nga tangata katoa o Iharaira i piri nei ki te whenua pukepuke o Eparaima, i to ratou rongonga kua whati nga Pirihitini, na kei te whai haere ano hoki i a ratou i roto i te pakanga.
Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin'izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.
Heoi whakaorangia ana a Iharaira, i taua ra e Ihowa: a puta ke ana te whawhai ki Peteawene.
Ary ory ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.
A i hemanawa nga tangata o Iharaira i taua ra: i whakaoati hoki a Haora i te iwi, i mea, Ki te kai tetahi tangata i te kai a ahiahi noa, ka kanga ia, kia whai utu ra ano ahau i oku hoariri. Na reira kihai tetahi o te iwi i anga ki te kai.
Ary ny olona rehetra amin'ny tany dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin'ny tany.
Na ko te haerenga o nga tangata katoa o te whenua ki tetahi ngahere; a he honi kei runga i te whenua.
Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy.
A, no te taenga o te iwi ki te ngahere, na e turuturu iho ana te honi; otiia kihai i pa te ringa o tetahi tangata ki tona waha; i wehi hoki te iwi i te oati.
Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.
Ko Honatana ia kihai i rongo i te whakaoati a tona papa i te iwi: na ka kokiritia e ia te pito o te tokotoko i tona ringa, a toua ana ki roto ki te honikoma, whakahokia ana e ia tona ringa ki tona waha, a ka marama ona kanohi.
Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona.
Katahi ka oho tetahi o te iwi, a ka mea, I tino whakaoatitia te iwi e tou papa; i mea ia, Kia kanga te tangata e kai ana i tetahi kai aianei; a e hemo ana te iwi.
Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity.
Katahi a Honatana ka mea, Raru ana te whenua nei i toku papa: titiro hoki, kua marama oku kanohi, noku i kai i tetahi wahi iti o te honi nei.
Ka mainka fa raha navela hihinanan'ny olona ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina?
Tera noa ake mehemea pea i kai noa atu te iwi inaianei i nga mea i pahuatia mai i o ratou hoariri i tupono atu ai ratou? ko tenei kahore i rahi te parekura o nga Pirihitini.
Ary izy ireo namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.
Na patua iho e ratou nga Pirihitini i taua rangi i Mikimaha atu a tae noa ki Aitarono: a e tino hemo ana te iwi.
Dia nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny.
Na ko te rerenga atu o te iwi ki nga taonga; ka mau ki nga hipi, ki nga kau, ki nga kuao kau, patua iho ki te whenua, kainga tahitia ana e te iwi me nga toto.
Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.
Katahi ka korerotia ki a Haora ka meatia, Nana, kua hara te iwi ki a Ihowa, e kainga tahitia ana ta ratou kai me nga toto. Na ka mea ia, He mahi hianga ta koutou: hurihia mai he kohatu nui ki ahau aianei.
Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo.
Ka mea ano a Haora, Tomotomo atu koutou ki roto ki te iwi mea atu hoki ki a ratou, Kawea mai ki ahau, e tera, e tera, tana kau, tana hipi, ka patu ai ki konei hei kai ma koutou; kaua hoki e hara ki a Ihowa, e kai i te toto. Katahi ka kawea mai e te iwi katoa i taua po te kau a tena, a tena, a patua iho ana ki reira.
Ary Saoly nanao alitara ho an'i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah.
Na ka hanga e Haora he aata ma Ihowa. Koia tenei ko te aata tuatahi i hanga e ia ma Ihowa.
Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana.
Na ka mea a Haora, Tatou ka haere ki raro, ka whai i nga Pirihitini i te po, ka pahua i a ratou a marama noa te ata; kaua ano e waiho tetahi tangata o ratou. Na ka mea ratou, Meatia ra nga mea katoa e pai ana ki tou whakaaro. Na ka mea ake te to hunga, Kia whakatata tatou ki a Ihowa.
Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny.
Na ka tono whakaaro a Haora i te Atua, Me haere ranei ahau ki raro, ki te whai i nga Pirihitini? e homai ranei ratou e koe ki te ringa o Iharaira? Otiia kahore he kupu i whakahokia ki a ia i taua ra.
Ary hoy Saoly: Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao?
Na ka mea a Haora, Neke mai, e nga rangatira katoa o te iwi: kia mohio ai, kia kite ai koutou no hea tenei hara i tenei ra.
Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
Ta te mea, e ora ana a Ihowa e whakaora nei i a Iharaira, ahakoa no taku tama, no Honatana, ka mate ia, mate rawa. Otiia kahore he tangata o te iwi katoa hei whakahoki kupu ki a ia.
Dia hoy kosa izy tamin'ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ataovy izay sitrakao.
Katahi ia ka mea ki a Iharaira katoa, Hei tetahi taha koutou, hei tetahi taha maua ko taku tama, ko Honatana. Na ka mea te iwi ki a Haora, Meatia ra te mea e pai ana ki tou whakaaro.
Dia hoy Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona.
Katahi a Haora ka mea ki a Ihowa, ki te Atua o Iharaira, Kia tika te homaitanga o te rota. Na ka mau ko Honatana raua ko Haora; i mawhiti hoki te iwi.
Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany.
Na ka mea a Haora, maka te rota mo maua ko taku tama, ko Honatana. Na ka mau ko Honatana.
Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin'ny tendron'ny tehina tetỳ an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho.
Katahi ka mea a Haora ki a Honatana, Whakaaturia mai ki ahau, i aha koe. Katahi ka whakaaturia e Honatana ki a ia, ka mea, He tika i whakamatau kau atu ahau i tetahi wahi iti o te honi ki te pito o te tokotoko i toku ringa; na, ka mate nei ahau.
Dia hoy Saoly: Hataon'Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.
Ano ra ko Haora, Kia meatia tenei e te Atua, tera atu ano hoki; ka mate rawa hoki koe, e Honatana.
Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy.
Na ka mea te iwi ki a Haora, Kia mate a Honatana nana nei tenei whakaoranga nui i roto i a Iharaira? Kahore ra hoki. E ora ana a Ihowa, e kore e taka tetahi makawe o tona matenga ki te whenua; i te mahi tahi nei hoki ia me te Atua i tenei ra. He oi whakaorangia ana a Honatana e te iwi, a kihai i mate.
Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin'ny taniny.
Katahi ka hoki a Haora i te whai i nga Pirihitini; a haere ana nga Pirihitini ki to ratou na wahi.
Ary Saoly nahazo ny fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
A, no ka riro i a Haora te kingitanga o Iharaira, ka whawhai ia ki ona hoariri katoa i tetahi taha, i tetahi taha, ki a Moapa, ki nga tama a Amona, ki a Eroma, ki nga kingi ano o Topa, ki nga Pirihitini, a he ana ratou i a ia i nga wahi katoa i tahuri ai ia.
Ary namory miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin'ny tànan'izay namaboazy.
A i puta tona toa, a patua ana nga Amareki, a ora ake i a ia a Iharaira i te ringa o ona kaipahua.
Ary izao no zanakalahin'i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran'ny zananivavy roa: ny anaran'ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran'ny faravavy Mikala.
Na ko nga tama a Haora, ko Honatana, ko Ihui, ko Marikihua; a, ko nga ingoa enei o ana tamahine tokorua, ko te ingoa o te matamua ko Merapa, ko te ingoa o to muri ko Mikara.
Ary ny anaran'ny vadin'i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin'i Ahimaza: ary ny anaran'ny komandin'ny miaramilany dia Abnera, zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly.
A, ko te ingoa o te wahine a Haora ko Ahinoama, he tamahine na Ahimaata: ko te ingoa hoki o te rangatira o tana ope ko Apanere, tama a Nere matua keke o Haora.
Ary Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, dia zanak'i Abiela.
Ko Kihi hoki te papa o Haora; a he tama na Apiere a Nere papa o Apanere.
Ary mafy ny ady tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy.
A he nui te whawhai ki nga Pirihitini i nga ra katoa o Haora; a ka kite a Haora i tetahi marohirohi, i tetahi maia, na ka tangohia e ia mana.