I Kings 10

Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa nahare ny lazan'i Solomona ny amin'ny anaran'i Jehovah. dia avy hizaha toetra azy amin'ny fanontaniana sarotra,
A, no te rongonga o te Kuini o Hepa ki te rongo o Horomona, ki tana i mea ai mo te ingoa o Ihowa, ka haere mai ia ki te whakamatau i a ia ki nga kupu pakeke.
ka tonga tany Jerosalema izy mbamin'ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin'i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao ampony.
Na haere mai ana ia ki Hiruharama, nui atu hoki te tira, he kamera e waha ana i nga mea kakara, i tona nui o te koura, i te kohatu utu nui; na, i tona haerenga ki a Horomona, ka korerotia e ia ki a ia nga mea katoa i roto i tona ngakau.
Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa.
A whakaaturia ana e Horomona ki a ia te tikanga o ana kupu katoa, kahore he kupu i ngaro i te kingi, i kore te whakaatu ki a ia.
Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony
A, no te kitenga o te Kuini o Hepa i te mohio katoa o Horomona, i te whare hoki i hanga e ia,
sy ny fihinany teo amin'ny latabany sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
I te kai o tana tepu, i te nohoanga o ana tangata, i te turanga o ana kaimahi, i o ratou kakahu, i ana kairiringi waina, i tona pikitanga i piki atu ai ki te whare o Ihowa, kore ake he wairua i roto i a ia.
Ka hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao.
A ka mea ia ki te kingi, Pono tonu nga mea i rongo ai ahau i toku whenua mo au mahi, mo tou mohio.
kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
Heoi kihai ahau i whakapono ki aua korero, a tae noa mai ahau, kite noa oku kanohi. Nana, kihai te hawhe i korerotia ki ahau; nui atu tou mohio, tou pai, i te rongo i rongo ai ahau.
Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao
Ano te hari o au tangata, ano te hari o enei pononga au e tu tonu nei i tou aroaro, e whakarongo nei ki tou mohio!
Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely; fa noho ny fitiavan'i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
Kia whakapaingia a Ihowa, tou Atua i whakaahuareka nei ki a koe, i homai nei i a koe ki runga ki te torona o Iharaira; he aroha mau tonu hoki no Ihowa ki a Iharaira, na meinga ana koe e ia hei kingi, hei nahi i te whakawa, i te tika.
Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba ho an'i Solomona mpanjaka.
Na homai ana e ia ki te kingi kotahi rau e rua tekau taranata koura, tona tini o nga mea kakara, me nga kohatu utu nui; kahore he mea kakara i tae mai i muri nei hei rite te nui ki enei i homai nei e te Kuini o Hepa ki a Kingi Horomona.
Ary ny sambon'i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any Ofira.
A na nga kaipuke o Hirama nana nei i mau mai te koura i Opira, na reira ano i kawe mai nga raku aramuka me nga kohatu utu nui i Opira, tona tini.
Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka arofanina tamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany.
Na ka hanga aua rakau aramuka e te kingi hei pou mo te whare o Ihowa, mo te whare ano o te kingi, he hapa, hei hatere, he mea ma nga kaiwaiata: kahore ano i tae noa mai he rakau aramuka hei rite, kahore hoki i kitea i mua, a taea noatia tenei ra.
Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen'i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
Na ka hoatu e Kingi Horomona ki te Kuini o Hepa nga mea katoa i pai ai ia, ana hoki i tono ai, he tapiri ki runga ki nga mea i hoatu e te ringa o Kingi Horomona ki a ia. Heoi ka tahuri ia, a haere ana ratou ko ana tangata ki tona whenua.
Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
Na, ko te taimaha o te koura i tae ki a Horomona i te tau kotahi, e ono rau e ono tekau ma ono taranata koura;
afa-tsy izay azony tamin'ny mpandranto.sy ny tamin'ny varotry ny mpivarotra ary tamin'ny mpanjakan'ny firenena samy hafa rehetra sy tamin'ny mpanapaka ny tany.
Haunga a nga kairapu taonga, i mau mai ai me nga taonga a nga kaihokohoko, a nga kingi katoa o Arapia, a nga kawana o te whenua.
Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
Na ka hanga e Kingi Horomona etahi pukupuku, e rua rau, he mea patu te koura: e ono rau nga hekere koura ki te pukupuku kotahi.
Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona ireo.
A i hangaia e ia etahi pukupuku iti iho e toru rau, he mea patu te koura: e toru pauna koura ki te pukupuku kotahi: a hoatu ana e te kingi ki te whare o te ngahere o Repanona.
Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra.
A i hanga e te kingi tetahi torona nui ki te rei, whakakikoruatia iho ki te koura pai rawa.
Nisy ambaratonga enina tamin'ny seza fiandrianana; ary ny lohan'ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin'ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana.
E ono nga kaupae ki te torona, he mea porotaka a runga o muri o te torona; he okiokinga ringa ano kei te wahi e nohoia ana, i tetahi taha, i tetahi taha, e rua ano nga raiona e tu ana i te taha o nga okiokinga.
Ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.
Kotahi tekau ma rua hoki nga raiona i reira e tu ana i tetahi taha, i tetahi taha, i runga i nga kaupae e ono; kahore he mea pera i hanga i tetahi atu rangatiratanga.
Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
Na, ko nga oko inu katoa a kingi Horomona, he koura kau; me nga oko katoa o te whare o te ngahere o Repanona, he koura parakore; kahore he hiriwa: kihai tera i kiia he mea nui nga ra o Horomona.
Fa ny mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny ranomasina; ary indray mandeha amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
He maha hoki a te kingi kaipuke ki Tarahihi i te moana, he mea huihui ki nga kaipuke a Hirama: kotahi te unga mai i nga tau e toru o nga kaipuke o Tarahihi, hei kawe mai i te koura, i te hiriwa, i te rei, i nga makimaki, me nga pikake.
Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.
Na nui atu a Kingi Horomona i nga kingi katoa o te whenua te whai taonga, te mohio.
Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.
I whaia ano a Horomona e nga whenua katoa, kia rongo ai ratou i tona mohio i homai nei e te Atua ki tona ngakau.
Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
Me te kawe mai ano ratou i tana hakari, i tana hakari, i nga oko hiriwa, i nga oko koura, i nga kakahu, i nga mea mo te whawhai, i nga kakara reka, i nga hoiho, i nga muera, he mea tatau a tau tonu.
Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
Na ka amia e Horomona he hariata, he kaieke hoiho: kotahi mano e wha rau ana hariata, tekau ma rua mano nga kainoho hoiho, he mea wehe nana ki nga pa hariata, ki te kingi hoki, ki Hiruharama.
Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.
Na meinga ana te hiriwa e te kingi ki Hiruharama kia rite ki te kohatu; i meinga ano e ia nga hita kia rite ki te hokamora i te raorao te tini.
Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.
A, ko nga hoiho o Horomona, he mea mau mai i Ihipa; na nga kaihoko a te kingi i tango kahui mai, tena kahui me tona utu.
Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.
Na e ono rau nga hekere hiriwa i riro ai te hariata i puta ai i Ihipa, kotahi rau e rima tekau i riro ai te hoiho: ko ratou hei kawe mo nga kingi katoa o nga Hiti, mo nga kingi o Hiria.