I Chronicles 29

Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho an'i Jehovah Andriamanitra.
I mea ano a Kingi Rawiri ki te whakaminenga katoa, Ko taku tama, ko Horomona, ko te mea kotahi i whiriwhiria nei e te Atua, he tamariki ia, he mea ngawari, he nui hoki te mahi; ehara hoki i te whare mo te tangata; engari mo Ihowa, mo te Atua.
Ary tamin'ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.
Na kua whakapaua nei e ahau oku uaua ki te mahi mea mai mo te whare o toku Atua, te koura mo nga mea koura, te hiriwa mo nga mea hiriwa, te parahi mo nga mea parahi, te rino mo nga mea rino, te rakau mo nga mea rakau, nga kohatu onika, nga kohatu e whakanohoia ana, nga kohatu kanapa, me nga mea kakano whakauru, nga kohatu utu nui katoa, me nga kohatu mapere, tona tini.
Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon'Andriamanitro dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitra, ho fanampin'ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,
Tenei ano etahi, he pai tonu hoki noku ki te whare o toku Atua: naku ake tenei, he koura, he hiriwa ka hoatu nei mo te whare o toku Atua, hei tapiri mo nga mea katoa kua oti nei i ahau te mahi mai mo te whare tapu,
dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin'ny rindrin'ny isan-efi-trano,
Ata, e toru mano taranata koura, no te koura o Opira, e whitu mano taranata hiriwa, he mea parakore, hei kopaki mo nga taha o nga whare:
ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon'ny tanan'ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an'i Jehovah anio?
Ko te koura mo nga mea koura, ko te hiriwa mo nga mea hiriwa, mo nga mea katoa, e mahia e nga ringa o nga kaimahi. Na ko wai e hihiko ana inaianei ki te tapae i a ia ma Ihowa?
Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan'ny fianakaviana sy ny lehiben'ny firenen'Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin'ny mpitandrina ny raharahan'ny mpanjaka
Na hihiko tonu nga rangatira o nga whare o nga matua, me nga rangatira o nga iwi o Iharaira, nga rangatira o nga mano, o nga rau, ratou ko nga rangatira o te mahi a te kingi.
ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin'ny tranon'Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.
A homai ana e ratou mo te mahi ki te whare o te Atua he koura e rima mano taranata, tekau mano tarami, he hiriwa kotahi tekau mano taranata, he parahi kotahi tekau ma waru mano taranata, he rino kotahi rau mano taranata.
Ary izay nanana vato soa dia nanome azy no amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah, hotehirizin'i Jehiela Gersonita.
Na, ko te hunga i kitea nei ki a ratou he kohatu pai, homai ana e ratou ki roto ki nga taonga o te whare o Ihowa, ara ki te ringa o Tehiere Kerehoni.
Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan'ireo, fa tamin'ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an'i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.
Na ka koa te iwi, i a ratou i hihiko nei ki te tapae noa; he tapatahi hoki te ngakau i hihiko ai ratou ki ta Ihowa, mahi: nui atu hoki te koa i koa ai a Kingi Rawiri.
Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Na ka whakapai a Rawiri i a Ihowa i te tirohanga a te whakaminenga katoa. I mea a Rawiri, Kia whakapaingia koe, e Ihowa, e te Atua o to matou matua, o Iharaira, he mea no tua whakarere a ake tonu atu.
Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
Nou hoki, e Ihowa, te nui, te mana, te kororia, te wikitoria, te honore; nou nga mea katoa i te rangi, i te whenua; nou te rangatiratanga, e Ihowa; he tiketike noa ake hoki koe, hei upoko mo te katoa.
Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
Nau nga taonga, me te honore, ko koe hoki hei kingi mo te katoa; kei tou ringa te kaha me te mana; ma tou ringa ano e homai te nui, te kaha, mo te katoa.
Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.
Na, tenei matou, e to matou Atua, te whakawhetai nei ki a koe, te whakamoemiti nei ki tou ingoa kororia.
Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
Ko wai oti ahau, a he aha toku iwi, i whai kaha ai matou, i penei ai te hihiko? nau hoki te katoa, nou ano hoki ta matou ka hoatu nei ki a koe.
Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.
He manene hoki matou i tou aroaro, he noho noa iho, he pera me o matou matua; rite tonu ki te atarangi o matou ra i runga i te whenua; kahore hoki he tuturutanga.
Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an'ny anaranao masina ireto dia avy tamin'ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
E Ihowa, e to matou Atua, ko tenei puranga katoa kua pae nei i a matou hei hanga i tetahi whare mou, mo tou ingoa tapu, na tou ringa enei, nau hoki te katoa.
Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin'ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
E mohio ana hoki ahau, e toku Atua, e whakamatauria ana te ngakau e koe, e manako ana hoki koe ki te tika. Ko ahau nei, he tika toku ngakau i meatia noatia mai ai e ahau enei mea katoa; a tenei ahau te koa nei i toku kitenga i tau iwi i konei e hihiko ana ki tau mahi.
Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon'ny olonao mandrakizay izany fikasan'ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;
E Ihowa, e te Atua o Aperahama, o Ihaka, o Iharaira, o o matou matua, kia mau tenei ake nei, ake nei, i roto i nga tokonga ake o nga whakaaro o te ngakau o tau iwi, whakaangahia hoki o ratou ngakau ki a koe.
ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.
Ki taku tama hoki, ki a Horomona, homai he ngakau tapatahi, kia puritia ai e ia au whakahau, au whakaaturanga, au tikanga, kia oti katoa i a ia; kia hanga hoki te whare, mo reira nei nga mea kua pae nei i ahau.
Ary hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah sy ny mpanjaka.
Na ka mea a Rawiri ki te whakaminenga katoa, Tena, whakapaingia a Ihowa, to koutou Atua. Na kei te whakapai te whakaminenga katoa ki a Ihowa, ki te Atua o o ratou matua, tuohu ana ratou, piko ana ki a Ihowa, ki te kingi hoki.
Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah nony ampitson'iny, dia vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak'ondry arivo mbamin'ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an'ny Isiraely rehetra.
I patu whakahere ano ratou ki a Ihowa, i whakaeke i nga tahunga tinana ki a Ihowa i te aonga ake o taua ra; kotahi mano puru, kotahi mano hipi toa, kotahi mano reme, me nga ringihanga, me nga patunga tapu, tona tini, hei mea mo Iharaira katoa.
Ary nihinana sy nisotro tamin'ny fifaliana be teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady nohosorany ho an'i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
Na kai ana ratou, inu ana i te aroaro o Ihowa i taua ra, he nui te koa. A ka tuaruatia ta ratou whakakingi i a Horomona tama a Rawiri; whakawahia ana ia ki a Ihowa, hei rangatira; ko Haroko hoki hei tohunga.
Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.
Katahi ka noho a Horomona ki te torona o Ihowa, hei kingi i muri i tona papa, i a Rawiri, a kake ana; rongo tonu ano ki a ia a Iharaira katoa.
Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak'i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an'i Solomona mpanjaka.
Na, ko nga rangatira katoa, me nga marohirohi, me nga tama katoa a Kingi Rawiri, ngawari noa iho ratou ki te kingi, ki a Horomona.
Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.
A whakanuia rawatia ake a Horomona e Ihowa i te tirohanga a Iharaira katoa, homai ana ki a ia he kororia hingi, kahore nei he rite i nga kingi katoa o Iharaira i mua i a ia
Toy izany no nanjakan'i Davida, zanak'i Jese, tamin'ny Isiraely rehetra.
Heoi ko Rawiri tama a Hehe te kingi o Iharaira katoa.
Ary ny andro nanjakany tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
Na, ko nga ra i kingi ai ia ki te Iharaira, e wha tekau tau; e whitu nga tau i kingi ai ia ki Heperona, e toru tekau ma toru nga tau i kingi ai ki Hiruharama.
Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.
Na ka mate ia, he pai tona koroheketanga, hira tonu ona ra, ona taonga, tona kororia; a ko tana tama, ko Horomona te kingi i muri i a ia.
Ary ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpahita sy ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany ary ao amin'ny bokin'i Gada mpahita izany,
Na, ko nga mahi a Kingi Rawiri, o mua, o muri, nana, kua oti te tuhituhi ki nga kupu a Hamuera matakite, ki nga kupu ano a Natana poropiti, ki nga kupu ano hoki a Kara matakite,
mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.
Me tona kingitanga katoa, me tona maia, me nga wa i a ia, i a Iharaira, i nga rangatiratanga katoa o nga whenua.