I Chronicles 16

Ary nampiditra ny Fiaran'Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan'ny lay izay naorin'i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'Andriamanitra izy.
Heoi kawea ana e ratou te aaka a te Atua, whakaturia ana ki waenganui o te teneti i whakaarahia e Rawiri mona; a tapaea ana e ratou he tahunga tinana, he whakahere mo te pai ki te aroaro o te Atua.
Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin'ny anaran'i Jehovah izy.
A, ka mutu ta Rawiri whakaeke i nga tahunga tinana, i nga whakahere mo te pai, ka manaakitia e ia te iwi i runga i te ingoa o Ihowa.
Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an'ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.
I tuwhaina ano e ia ma nga tangata katoa o Iharaira, ma te tane, ma te wahine, kotahi rohi taro ma tenei, ma tenei, tetahi wahi kikokiko, me tetahi keke karepe whakamaroke.
Ary ny Levita sasany notendren'i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'ny fiaran'i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
I whakaritea ano e ia etahi o nga Riwaiti hei minita ki mua i te aaka a Ihowa, hei whakamahara, hei whakawhetai, hei whakamoemiti ki a Ihowa, ki te Atua o Iharaira:
Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
Ko Ahapa hei tuatahi; i muri i a ia ko Hakaraia, ko Teiere, ko Hemiramoto, ko Penaia, ko Opereeroma, ko Teiere hoki ki nga hatere, ki nga hapa, ko Ahapa hei whakatangi i nga himipora:
Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra.
Ko Penaia hoki raua ko Tahatiere, ko nga tohunga, kia tuturu tonu ta raua mau tetere ki mua i te aaka o te kawenata a te Atua.
Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah.
I reira ano i taua ra ka whakaritea tuatahitia e Rawiri he whakamoemiti mo Ihowa, na te ringa o Ahapa ratou ko ona teina.
Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
Whakawhetai atu ki a Ihowa, karanga ki tona ingoa; whakapuakina ana mahi ki waenganui o nga iwi.
Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
Waiata ki a ia, himene ki a ia; korerotia ana mahi whakamiharo katoa.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
Kia whakamanamana koutou ki tona ingoa tapu: kia hari nga ngakau o te hunga e rapu ana i a Ihowa.
Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
Rapua a Ihowa, me tona kaha; rapua tonutia tona mata.
Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
Maharatia ana mahi whakamiharo i mahi ai ia; ana merekara, me nga whakaritenga a tona mangai;
Hianareo taranak'Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
E nga uri o Iharaira, o tana pononga, e nga tama a Hakopa, e ana i whiriwhiri ai.
Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
Ko Ihowa ia, ko to tatou Atua: kei te whenua katoa ana whakaritenga.
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
Maharatia tonutia tana kawenata, te kupu i kiia iho e ia ki te mano o nga whakatupuranga;
Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka,
Te kawenata i whakarite ai ia ki a Aperahama, tana oati hoki ki a Ihaka;
Izay naoriny ho lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
A whakapumautia iho hei tikanga ki a Hakopa, hei kawenata mau tonu ki a Iharaira:
Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;
I a ia i mea ra, Ka hoatu e ahau ki a koe te whenua o Kanaana hei wahi pumau mo koutou:
Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
I te mea e torutoru ana ano koutou; ae, e tokoiti rawa ana, he manene hoki ki reira;
Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
I a ratou e haereere ana i tenei iwi ki tera atu iwi, i tetahi rangatiratanga ki tetahi iwi ke.
Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
Kihai ratou i tukua e ia kia tukinotia e te tangata; ae ra, i riria e ia nga kingi, he whakaaro ki a ratou;
Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
I mea ia, Kei pa ki aku i whakawahi ai, kei kino hoki ki aku poropiti.
Mihira ho an'i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
Waiata, e te whenua katoa ki a Ihowa; kauwhautia tana mahi whakaora i tena rangi, i tena rangi.
Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
Whakapuakina tona kororia i waenganui i nga tauiwi, ana mahi whakamiharo i waenganui i nga iwi katoa.
Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra.
He nui hoki a Ihowa, kia nui te whakamoemiti ki a ia; kia wehingia nuitia atu hoki ia i nga atua katoa.
Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
He whakapakoko hoki nga atua katoa o nga iwi: na Ihowa ia i hanga nga rangi.
Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.
He honore, he kingitanga kei tona aroaro; kei tona wahi te kaha me te koa.
Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
Tukua ki a Ihowa, e nga hapu o nga iwi, tukua ki a Ihowa te kororia me te kaha.
Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina
Tukua atu ki a Ihowa te kororia e tika ana mo tona ingoa: maua mai he whakahere, haere mai ki tona aroaro: koropiko ki a Ihowa i roto i te ataahua o te tapu.
Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
Kia wehi ra ki tona aroaro, e te whenua katoa: e u ano te ano, te taea te whakanekeneke.
Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin'ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
Kia hari nga rangi, kia koa te whenua; kia mea ratou i roto i nga iwi, Ko Ihowa te kingi.
Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
Kia haruru te moana, me nga mea e hua ana i roto; kia koa te mara, me nga mea katoa i runga:
Dia hihoby eo anatrehan'i Jehovah amin'izay ny hazo an'ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
Ko reira nga rakau o te ngahere waiata ai i te hari i te aroaro o Ihowa, e haere mai ana hoki ia ki te whakarite i runga i te whenua.
Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Whakawhetai ki a Ihowa, he pai hoki ia, he pumau tonu hoki tana mahi tohu.
Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
Mea atu hoki, Whakaorangia matou, e te Atua o to matou whakaoranga, kohikohia matou, whakaorangia matou i nga tauiwi, kia whakawhetai ai matou ki tou ingoa tapu, kia whakamanamana ai ki tou whakamoemititanga.
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah.
Kia whakapaingia a Ihowa, te Atua o Iharaira ake nei, a ake nei. Na ka mea te iwi katoa, Amine; a whakamoemiti ano ratou ki a Ihowa.
Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan'i Davida teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan'andro,
Heoi ka waiho e ia i reira, i mua i te aaka o te kawenata a Ihowa, a Ahapa ratou ko ona teina, hei minita tonu ki mua i te aaka, i nga meatanga o tenei ra, o tenei ra:
ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak'i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.
A Opereeroma me o ratou teina, e ono tekau ma waru; a Opereeroma hoki tama a Ierutunu, raua ko Hoha hei kaitiaki tatau;
Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah teo amin'ny fitoerana avo any Gibeona,
Ko Haroko tohunga me ona teina, me nga tohunga, ki mua o te tapenakara o Ihowa i te wahi tiketike i Kipeono,
hanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah marain-tsy hariva eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
Hei whakaeke tonu i nga tahunga tinana ma Ihowa ki runga ki te aata tahunga tinana i te ata, i te ahiahi, hei mea i nga mea katoa i tuhituhia ki te ture a Ihowa, i whakahaua e ia ki a Iharaira;
ary naman'ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin'ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
A, hei hoa mo ratou a Hemana raua ko Ierutunu, me era atu i whiriwhiria, i whakahuatia nei nga ingoa, hei whakawhetai ki a Ihowa, no te mea he pumau tonu tana mahi tohu;
Ary tao amin'i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an'izay mampaneno ary ny fomban'ny zava-manenon'Andriamanitra. Ary ny zanak'i Jedotona no mpiandry varavarana.
Hei hoa hoki mo ratou a Hemana raua ko Ierutunu me nga tetere me nga himipora ma nga kaiwhakatangi kaha, me nga whakatangi mo nga waiata a te Atua: a ko nga tama a Ierutunu hei kaitiaki kuwaha.
Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.
Na haere ana te iwi katoa ki tona whare, ki tona whare; a hoki ana a Rawiri ki te manaaki i tona whare.