I Chronicles 14

Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
Na ka tonoa etahi karere e Hirama kingi o Taira ki a Rawiri, me etahi rakau, he hita, me nga kaimahi kohatu, me nga kaimahi rakau, hei hanga whare mona.
Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
Na ka mohio a Rawiri kua whakapumautia ia e Ihowa hei kingi mo Iharaira; kua whakanuia hoki tona rangatiratanga, he whakaaro ki tana iwi, ki a Iharaira.
Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
Na ka tangohia ano e Rawiri he wahine mana ki Hiruharama; a ka whanau ano etahi atu tama, etahi atu tamahine ma Rawiri.
Ary izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
A ko nga ingoa enei o ana i whanau ki Hiruharama; ko Hamua, ko Hopapa, ko Natana, ko Horomona;
sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
Ko Ipihara, ko Erihua, ko Ereparete;
sy Noga sy Nafega sy Jafia
Ko Noka, ko Nepeke, ko Iapia;
sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
Ko Erihama, ko Peeriara, ko Eriparete.
Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
A, no te rongonga o nga Pirihitini kua oti a Rawiri te whakawahi hei kingi mo Iharaira katoa, ka haere nga Pirihitini katoa ki te rapu i a Rawiri. A ka rongo a Rawiri, a ka puta ia ki te tu i a ratou.
Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
Na, tera nga Pirihitini kua haere mai, a kua takahi i te raorao o Repaima.
Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
Na ka ui a Rawiri ki te Atua, ka mea, Me haere ranei ahau ki nga Pirihitini? E homai ranei ratou e koe ki toku ringa? Na ka mea a Ihowa ki a ia, Haere; ka hoatu hoki ratou e ahau ki tou ringa.
Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.
Heoi kua tae mai ratou ki Paaraperatimi; patua iho ratou i reira e Rawiri. Na ka mea a Rawiri, Pakaru ana i te Atua oku hoariri, he mea na toku ringa; koia ano kei te pakaruhanga wai. Na reira i huaina ai te ingoa o taua wahi ko Paaraperatimi.
Dia nilaozan'ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo.
A mahue ana i a ratou o ratou atua ki reira; na ka whakahau a Rawiri, a tahuna ana ki te ahi.
Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
Na ka takahia ano e nga Pirihitini te raorao.
Dia nanontany tamin'Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
A ka ui ano a Rawiri ki te Atua, a ka mea te Atua ki a ia, Kaua e haere ki te wahi i a ratou: me tahuri i a ratou, ka awhio haere ki a ratou, ka whakaeke i a ratou i te ritenga o nga maperi.
Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingĂ  amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny Filistina.
A, ka rangona e koe te tapuwae haruru i runga i nga maperi, ko reira koe puta ai ki te whawhai; no te mea kua riro te Atua ki mua i a koe ki te patu i te ope o nga Pirihitini.
Ary dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
Na peratia ana e Rawiri me ta te Atua i whakahau ai ki a ia; a patua iho e ratou te ope o nga Pirihitini i Kipeono, a tae noa ki Katere.
Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.
Na kua paku te ingoa o Rawiri ki nga whenua katoa; a ka mea a Ihowa i te wehi ki a ia kia pa ki nga iwi katoa.