Psalms 98

Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
O sing unto the LORD a new song; for he hath done marvellous things: his right hand, and his holy arm, hath gotten him the victory.
Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason'ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
The LORD hath made known his salvation: his righteousness hath he openly shewed in the sight of the heathen.
Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
He hath remembered his mercy and his truth toward the house of Israel: all the ends of the earth have seen the salvation of our God.
Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.
Make a joyful noise unto the LORD, all the earth: make a loud noise, and rejoice, and sing praise.
Mankalazà an'i Jehovah amin'ny lokanga, Dia amin'ny lokanga sy ny feo fihirana,
Sing unto the LORD with the harp; with the harp, and the voice of a psalm.
Amin'ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan'i Jehovah Mpanjaka.
With trumpets and sound of cornet make a joyful noise before the LORD, the King.
Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
Let the sea roar, and the fulness thereof; the world, and they that dwell therein.
Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra
Let the floods clap their hands: let the hills be joyful together
Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin'ny fahitsiana.
Before the LORD; for he cometh to judge the earth: with righteousness shall he judge the world, and the people with equity.