Psalms 134

Fihirana fiakarana. Andeha, misaora an'i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon'i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon'i Jehovah.
Behold, bless ye the LORD, all ye servants of the LORD, which by night stand in the house of the LORD.
Manandrata ny tananareo ho amin'ny fitoerana masina, Ka misaora an'i Jehovah.
Lift up your hands in the sanctuary, and bless the LORD.
Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany.
The LORD that made heaven and earth bless thee out of Zion.