Numbers 5

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
And the LORD spake unto Moses, saying,
Mandidia ny Zanak'Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin'ny toby;
Command the children of Israel, that they put out of the camp every leper, and every one that hath an issue, and whosoever is defiled by the dead:
na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan'ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.
Both male and female shall ye put out, without the camp shall ye put them; that they defile not their camps, in the midst whereof I dwell.
Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan'ny toby; araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
And the children of Israel did so, and put them out without the camp: as the LORD spake unto Moses, so did the children of Israel.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
And the LORD spake unto Moses, saying,
Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso amin'i Jehovah ary meloka,
Speak unto the children of Israel, When a man or woman shall commit any sin that men commit, to do a trespass against the LORD, and that person be guilty;
dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin'ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an'ilay nanaovany diso.
Then they shall confess their sin which they have done: and he shall recompense his trespass with the principal thereof, and add unto it the fifth part thereof, and give it unto him against whom he hath trespassed.
Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny mpisorona, ho fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
But if the man have no kinsman to recompense the trespass unto, let the trespass be recompensed unto the LORD, even to the priest; beside the ram of the atonement, whereby an atonement shall be made for him.
Ary ny fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
And every offering of all the holy things of the children of Israel, which they bring unto the priest, shall be his.
Ary ho azy ny zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
And every man's hallowed things shall be his: whatsoever any man giveth the priest, it shall be his.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
And the LORD spake unto Moses, saying,
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny lahy,
Speak unto the children of Israel, and say unto them, If any man's wife go aside, and commit a trespass against him,
fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
And a man lie with her carnally, and it be hid from the eyes of her husband, and be kept close, and she be defiled, and there be no witness against her, neither she be taken with the manner;
kanefa misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;
And the spirit of jealousy come upon him, and he be jealous of his wife, and she be defiled: or if the spirit of jealousy come upon him, and he be jealous of his wife, and she be not defiled:
dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
Then shall the man bring his wife unto the priest, and he shall bring her offering for her, the tenth part of an ephah of barley meal; he shall pour no oil upon it, nor put frankincense thereon; for it is an offering of jealousy, an offering of memorial, bringing iniquity to remembrance.
Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan'i Jehovah;
And the priest shall bring her near, and set her before the LORD:
dia haka rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay itoeran'ny tabernakely dia hangalan'ny mpisorona ka hataony amin'ny rano;
And the priest shall take holy water in an earthen vessel; and of the dust that is in the floor of the tabernacle the priest shall take, and put it into the water:
ary ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan'ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
And the priest shall set the woman before the LORD, and uncover the woman's head, and put the offering of memorial in her hands, which is the jealousy offering: and the priest shall have in his hand the bitter water that causeth the curse:
dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny fahalotoana ianao, dia afaka amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
And the priest shall charge her by an oath, and say unto the woman, If no man have lain with thee, and if thou hast not gone aside to uncleanness with another instead of thy husband, be thou free from this bitter water that causeth the curse:
fa raha nivily niala tamin'ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
But if thou hast gone aside to another instead of thy husband, and if thou be defiled, and some man have lain with thee beside thine husband:
dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao, amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
Then the priest shall charge the woman with an oath of cursing, and the priest shall say unto the woman, The LORD make thee a curse and an oath among thy people, when the LORD doth make thy thigh to rot, and thy belly to swell;
ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
And this water that causeth the curse shall go into thy bowels, to make thy belly to swell, and thy thigh to rot: And the woman shall say, Amen, amen.
Ary hosoratan'ny mpisorona amin'ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin'ny rano mangidy ny soratra;
And the priest shall write these curses in a book, and he shall blot them out with the bitter water:
dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
And he shall cause the woman to drink the bitter water that causeth the curse: and the water that causeth the curse shall enter into her, and become bitter.
Dia halain'ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.
Then the priest shall take the jealousy offering out of the woman's hand, and shall wave the offering before the LORD, and offer it upon the altar:
Dia horaofin'ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
And the priest shall take an handful of the offering, even the memorial thereof, and burn it upon the altar, and afterward shall cause the woman to drink the water.
Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin'ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin'ny fireneny ravehivavy.
And when he hath made her to drink the water, then it shall come to pass, that, if she be defiled, and have done trespass against her husband, that the water that causeth the curse shall enter into her, and become bitter, and her belly shall swell, and her thigh shall rot: and the woman shall be a curse among her people.
Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan'anaka.
And if the woman be not defiled, but be clean; then she shall be free, and shall conceive seed.
Izany no lalàna ny amin'ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin'ny vadiny ka voaloto;
This is the law of jealousies, when a wife goeth aside to another instead of her husband, and is defiled;
na misy lehilahy azon'ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany aminy.
Or when the spirit of jealousy cometh upon him, and he be jealous over his wife, and shall set the woman before the LORD, and the priest shall execute upon her all this law.
Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.
Then shall the man be guiltless from iniquity, and this woman shall bear her iniquity.