Lamentations 3

Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany.
I am the man that hath seen affliction by the rod of his wrath.
Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava.
He hath led me, and brought me into darkness, but not into light.
Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
Surely against me is he turned; he turneth his hand against me all the day.
Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
My flesh and my skin hath he made old; he hath broken my bones.
Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
He hath builded against me, and compassed me with gall and travail.
Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
He hath set me in dark places, as they that be dead of old.
Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
He hath hedged me about, that I cannot get out: he hath made my chain heavy.
Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
Also when I cry and shout, he shutteth out my prayer.
Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
He hath inclosed my ways with hewn stone, he hath made my paths crooked.
Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin'ny fierena;
He was unto me as a bear lying in wait, and as a lion in secret places.
Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
He hath turned aside my ways, and pulled me in pieces: he hath made me desolate.
Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
He hath bent his bow, and set me as a mark for the arrow.
Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin'ny voako Izy.
He hath caused the arrows of his quiver to enter into my reins.
Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
I was a derision to all my people; and their song all the day.
Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
He hath filled me with bitterness, he hath made me drunken with wormwood.
Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho.
He hath also broken my teeth with gravel stones, he hath covered me with ashes.
Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
And thou hast removed my soul far off from peace: I forgat prosperity.
Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah.
And I said, My strength and my hope is perished from the LORD:
Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
Remembering mine affliction and my misery, the wormwood and the gall.
Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
My soul hath them still in remembrance, and is humbled in me.
Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
This I recall to my mind, therefore have I hope.
Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
It is of the LORD'S mercies that we are not consumed, because his compassions fail not.
Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
They are new every morning: great is thy faithfulness.
Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
The LORD is my portion, saith my soul; therefore will I hope in him.
Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy.
The LORD is good unto them that wait for him, to the soul that seeketh him.
Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana.
It is good that a man should both hope and quietly wait for the salvation of the LORD.
Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
It is good for a man that he bear the yoke in his youth.
Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
He sitteth alone and keepeth silence, because he hath borne it upon him.
Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
He putteth his mouth in the dust; if so be there may be hope.
Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
He giveth his cheek to him that smiteth him: he is filled full with reproach.
Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
For the Lord will not cast off for ever:
Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony.
But though he cause grief, yet will he have compassion according to the multitude of his mercies.
Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona.
For he doth not afflict willingly nor grieve the children of men.
Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra,
To crush under his feet all the prisoners of the earth,
Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra,
To turn aside the right of a man before the face of the most High,
Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.
To subvert a man in his cause, the Lord approveth not.
Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo?
Who is he that saith, and it cometh to pass, when the Lord commandeth it not?
Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ?
Out of the mouth of the most High proceedeth not evil and good?
Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy?
Wherefore doth a living man complain, a man for the punishment of his sins?
Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah.
Let us search and try our ways, and turn again to the LORD.
Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
Let us lift up our heart with our hands unto God in the heavens.
Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
We have transgressed and have rebelled: thou hast not pardoned.
Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
Thou hast covered with anger, and persecuted us: thou hast slain, thou hast not pitied.
Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
Thou hast covered thyself with a cloud, that our prayer should not pass through.
Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay.
Thou hast made us as the offscouring and refuse in the midst of the people.
Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
All our enemies have opened their mouths against us.
Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
Fear and a snare is come upon us, desolation and destruction.
Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko noho ny faharatran'ny oloko zanakavavy.
Mine eye runneth down with rivers of water for the destruction of the daughter of my people.
Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
Mine eye trickleth down, and ceaseth not, without any intermission,
Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
Till the LORD look down, and behold from heaven.
Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra.
Mine eye affecteth mine heart because of all the daughters of my city.
Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
Mine enemies chased me sore, like a bird, without cause.
Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
They have cut off my life in the dungeon, and cast a stone upon me.
Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity!
Waters flowed over mine head; then I said, I am cut off.
Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
I called upon thy name, O LORD, out of the low dungeon.
Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
Thou hast heard my voice: hide not thine ear at my breathing, at my cry.
Nanakaiky Hianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
Thou drewest near in the day that I called upon thee: thou saidst, Fear not.
Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
O Lord, thou hast pleaded the causes of my soul; thou hast redeemed my life.
Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
O LORD, thou hast seen my wrong: judge thou my cause.
Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
Thou hast seen all their vengeance and all their imaginations against me.
Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
Thou hast heard their reproach, O LORD, and all their imaginations against me;
Dia ny molotr'izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
The lips of those that rose up against me, and their device against me all the day.
Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
Behold their sitting down, and their rising up; I am their musick.
Hovalianao araka ny asan'ny tànany izy, Jehovah ô.
Render unto them a recompence, O LORD, according to the work of their hands.
Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
Give them sorrow of heart, thy curse unto them.
Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah.
Persecute and destroy them in anger from under the heavens of the LORD.